Educ plus

Educ plus

Share

Ny Educ plus dia fikambanana mpampianatra maro, efa za-draharaha amin'ny asa fampianarana. Afaka mampianatra anao "cours particuliers" izahay.

ianao mahay sy afaka fanadinana no tanjonay 0341218214

04/11/2025

Inona no "définition " nianaranao tany ampianarana izay tsy ho hadinonao mandrakizay na afaka 100 taona aza
=> le squelette est l'ensemble des os du corps humain.

03/11/2025

Ho fanampiana ny ankizy, indrindra ireo hanala fanadinana Bepc-bac dia hanolotra "cours en ligne gratuits" izahay ato amin'ny Educ plus tompoko.
Izany dia ho alefanay eto amin'ny pejy ny Educ plus tompoko (tsy ho ela).
Ny matières de base na ny taranja fototra no tena ho atao amin'ny izany.
Mba alefaso eo amin'ny commentaires ary ireo chapitre sy matière tianao ho ataonay vidéo.
Aza hadinoina ny miantso ny akama rehetra ao amin'ny coms.

03/11/2025

🏫 LYCÉE EDUC PLUS sy COURS EDUC PLUS 👌: fampianarana azo antoka sy tsara kalitao. Résultats bac 2025 : 85%
- Mention très bien 1
- mention bien 6
- mention assez bien : 118
- mention passable : 519
Droit d'inscription 0ar
Classe de 3ème, seconde, 1er ary terminale (A-D-L-S).
Antsoy ao amin'ny "commentaire" ireo namana, zandry, zanaka tianao ho afaka fanadinana Bepc sy bac 2026:hanampy anareo no antom-pisianay.
Toerana misy ny Educ plus : Mahavoky besarety, Itaosy cité, Antsirabe, Antanimena.
✅Mikarakara dossier izahay sady candidats d'école amin'ny anarany Lycée Educ plus
✅📑 Documents de base gratuits, 🎥vidéo fampianarana gratuits, 📗carnet de correspondance gratuits.
✅📚Boky livret d'exercices gratuits.
✅Manao lesona sy exercices feno tsara tompoko 👌
✅📝Misy examen isaky ny 3 volana mba hijerena ny lesoka rehetra hanampiana anao.
✅👨‍🏫Mpampianatra efa za-draharaha sy ampy traikefa tsara no hampianatra tompoko (15 ans d'expériences) : Mr Andry mathem, Mr T, Mr Aldo, Mr Kazmir, Mr Zo, Mme Garein, Mme Mamitiana, Mr Mamy, Mr Noelin,...
✅Misy disciplines mihitsy ato aminay sady tsy misy izany "tsy misy prof" izany
✅Efa misokatra ny fisoratana anarana tompoko, mivoha isan'andro ny birao anay (08h-11h sy 13h-16h) .
✅Misy karazany 4 ny toerana azo isafidianana :
👉Educ plus Antsirabe :
🔴Manala Bepc : mianatra isaky ny sabotsy tontolo andro
🔴Classe de terminale : mianatra isan'andro maraina sy hariva na mianatra tapak'andro na mianatra sabotsy tontolo andro
👉 Lycée-cours Educ plus Mahavoky besarety (anelanelan'ny jirama sy bricodis Mahavoky besarety) :
🔴 classe de 3ème: mianatra isan'andro maraina sy hariva na mianatra sabotsy tontolo andro
🔴Classe de seconde : mianatra isan'andro maraina sy hariva
🔴1er (L/S): mianatra isan'andro maraina sy hariva
🔴Terminale A-L-C-D-S : mianatra isan'andro maraina sy hariva na mianatra isan'andro tapak'andro na mianatra sabotsy tontolo andro .
👉Lycée-cours Educ plus ITAOSY CITÉ eo akaiky ny terminus bus 133 Itaosy cité mihitsy(akaikin'ny ny pharmacie RABE ) efa misy plaque Educ plus ao tompoko
🔵Classe de 3ème : Mianatra isan'andro maraina sy hariva na mianatra sabotsy tontolo andro
🔵Classe de seconde : mianatra isan'andro maraina sy hariva
🔴Classe de 1ère : mianatra isan'andro maraina sy hariva.
🔴Classe de terminale: mianatra isan'andro maraina sy hariva na tapak'andro .

👉Educ plus Antanimena :
🔴Mianatra isan'andro tapak'andro (terminale série A)
🔴Mianatra sabotsy tontolo andro
Ny mpianatra "ancien(ne) EDUC PLUS dia MAHAZO CADEAU BE 🎁💵💵 rehefa mitondra namana manao inscription (eo ny eo)
Contact 0341218214 - 0386039826 - 0387565698.
Ianao mahay sy afaka fanadinana no tanjonay

24/10/2025

👟 Tantaran’ny mpivarotra kiraro roa lahy

> Nisy lehilahy tanora roa nalefa tany amin'ny tanana iray raha azo atao tsara ny mivarotra kiraro amin'ny ilay toerana.

Tonga RAKOTO, nijery ny manodidina, dia nandefa valiny tamin’ny lehibeny hoe :
> “Tsy mety aty ! . Tsy misy olona manao kiraro aty. Sarotra be ny hivarotra kiraro aty.

Tonga RABE andro manaraka, nijery sy nanadihady ihany koa, nefa hafa mihitsy ny fomba fijeriny:
> “tena mety be aty ! Tsy mbola misy mpivarotra kiraro eto, ny olona eto aza mbola tsy manao kiraro. Afaka manomboka isika e!”.

🧠 Ny zava-nisy dia mitovy.
Ny fomba fijery no samy hafa.

Amin’ny fiainana, tsy ny zavatra hitantsika no mamaritra ny ho avy, fa ny fomba fijerintsika azy.

!? Raha ny hevitrao, ho atao ve ilay varotra kiraro sa hijery tanana hafa mety mety kokoa ? Mba ataovy eo amin'ny "commentaire" ny hevitrao

20/10/2025

"Kely no nananako fa niezaka aho"
Tantaran’i Jan Koum – Ilay zaza mahantra tonga mpanankarena noho ny WhatsApp

👦🏽 Niaina tao anaty fahantrana tanteraka
Teraka tany Okraina, tany amin’ny fanjakana Sovietika teo aloha i Jan Koum, tamin’ny taona 1976. Tao amin’ny faritra tsy nisy herinaratra matetika izy, tsy nanana rano mafana tao an-trano. Fianakaviana tena mahantra.
Fony izy 16 taona, dia nifindra monina niaraka tamin-dreniny tany Etazonia, nitsoaka ny ady sy ny korontana. Niaina tamin’ny fanampiana avy amin’ny fanjakana izy ireo, ary nanao fanadiovana tao amin’ny fivarotana lehibe mba hahazoan-kanina.

💻 Nianatra “informatika” irery
Tsy nandeha sekoly manokana i Jan Koum tamin’ny voalohany. Nianatra irery teny amin’ny tranombokim-panjakana izy, tamin’ny boky efa lany daty sy solosaina efa simba.
Nanjary mahafehy tsara ny “code” sy ny fanamboarana programa informatika izy, ary rehefa afaka kelikely, tafiditra ho mpiasa injeniera ao amin’ny Yahoo!.

💡 Ny hevitra nahaterahan’ny WhatsApp
Tamin’ny taona 2009, nisy olana nifaneraserana tamin’ny fianakaviany tany Ukraine. Dia nahita hevitra izy :
"Ahoana raha misy application iray ahafahan’ny olona miresaka amin’ny havany, na aiza na aiza, maimaim-poana, tsy misy dokambarotra?"
Niaraka tamin’ny namany Brian Acton, dia namorona ny WhatsApp izy. Tamin’ny efitrano kely, tsy nisy fitaovana lafo, fa fahaiza-manao sy finoana no nanombohana.

🚀 Fahombiazana mihoatra ny nantenaina
WhatsApp no tena nampiasa be tany amin’ny firenena mahantra sy an-dalam-pandrosoana.

Tamin’ny taona 2014, Facebook dia nividy an’i WhatsApp tamin’ny 19 miliara dolara.

I Jan Koum dia tonga miliardera avy hatrany (mihoatra ny 10 miliara dolara ny fananany).

Ny harena voalohany indrindra dia ny faniriana te hivoatra.
Ndao hianatra

18/10/2025

🤝🇲🇬 FIFANAMPIANA SAMY MALAGASY :
Na dia eo aza ny fahasahiranana sy olana iainan’ny firenentsika amin’izao fotoana izao, mbola betsaka ny tantara mampiseho fa tsy maty ny fihavanana malagasy. Androany dia tiako ho zaraina aminareo ity ohatra mahafinaritra iray ity :

🌾 Any amin’ny fokontany iray ao Antsirabe, vehivavy iray no nanomboka nanamboatra sakafo isaky ny Alahady ho an’ireo ankizy manodidina sahirana. Nanatevin-daharana azy ny mpiara-monina aminy raha nahita izany, nisy nanome vary, nisy nanampy nanamboatra, nisy nitondra ambavaka ireo ankizy,... Tena faly ireto ankizy, mba mahatsapa izy ireo fa mba misy olona mihantra azy, manampy azy, tia Azy,...

Ity no antsoina hoe firaisankina, fifankatiavana eny anivon’ny fiarahamonina, amin’ny fomba tsotra fa tena misy vokany. 💪🇲🇬

Raha nahita hetsika toy izao koa ianao tato ho ato, na nahavita izany mihitsy aza, zarao aminay eto ambany.

👉 Ndao ho porofoina fa “tsy very fanahy mbola velona” ny Malagasy.
Ary ianao, inona no tantara nahafaly anao momba ny fifanampiana eo anivon'ny fiaraha-monina misy anao ?
✍️Lazao eto ambany fa tianay ny hizara izany amin’ny rehetra !

17/10/2025

Finday andakilasy : Fitaovana sa fanelingelenana ? 🤔

Ankehitriny, maro amin’ireo mpianatra no tonga mianatra miaraka amin’ny teknolojia avo lenta ao am-paosiny.
Fa tena manampy ve izany ao an-dakilasy, sa lasa loharanon’ny fanelingelenana fotsiny ?
👉 Tombony :
✅ Fidirana haingana amin’ny vaovao sy fampahalalana
✅ Fitaovana maoderina ho an’ny fianarana ( apps ho an’ny fianarana, rakibolana, sns.)
✅ Fifandraisana haingana amin’ny tranga maika
👉 Olana :
❌ Fanelingelenana tsy tapaka.
❌ Fitaka rehefa misy fanadinana(fraude)
❌ Tsy mifantoka intsony ao andakilasy
👩‍🏫👨‍🏫 Mpampianatra maro no mitaraina : “Midina be ny saina sy ny fifantohan’ny mpianatra !” 📉
🗣️ Ary ianao, ahoana ny hevitrao ?
Tokony hatsahatra tanteraka ve ny fampiasana finday anaty kilasy, sa hampidirina am-pahendrena ho ampahany amin’ny fianarana ?
💬👇 Zarao aminay eto ambany ny hevitrao !
Educ plus, Ianao mahay sy afaka fanadinana no tanjonay.

16/10/2025

"L’éducation est l’arme la plus puissante pour changer le monde." – Nelson Mandela.
L'éducation est bien plus que des diplômes, c'est ce qui t’ouvre les yeux, te donne les clés pour comprendre le monde, te défendre et te faire entendre ta voix, prendre ta place. Tu n'es plus simple spectateur de ta vie, tu deviens acteur du changement.
Andao isika hianatra raha te hahomby.

06/10/2025

Miverina MIANATRA daholo ny 07 octobre ireo Mpianatra rehetra ato amin'ny Lycée-cours Educ plus : Mahavoky Besarety, Antanimena, Itaosy cité, Antsirabe.
Tsy miova ny fandaharam-potoana rehetra tompoko (ora fidirana sy firavana)
Ianao mahay sy afaka fanadinana no tanjonay

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Telephone

Address


Antananarivo