24/10/2025
🗣️ 𝗙𝗔𝗡𝗧𝗔𝗧𝗥𝗔𝗢 𝗩𝗘 𝗜𝗧𝗬 ?
Mandray anjara lehibe amin'ny fahatokisan-tenan'ny zanaka ny famalian'ny ray aman-dreny ny antsony.
Ho an'ny :
👶 Mahay miantso –2 taona:
“Mama” sy “Dada” dia toy ny kilalao vaovao!
➡️ 20–50 heny isan’andro — rehefa noana, te ho eo am-pofoana, na te hilalao fotsiny 💕
👧 3–5 taona:
Ny vanim-potoanan’ny “Jereo mama a! Amboary ito dada a!” 😅
➡️ 50–100 heny isan’andro — manontany, mitory, miantso amin’ny zavatra rehetra!
👦 6–9 taona:
Manomboka mianatra mahaleo tena.
➡️ 20–50 heny isan’andro — indrindra rehefa avy mianatra na misakafo 🍽️
👩🦰 10–13 taona:
Manomboka mihena ny antso.
➡️ 10–20 heny isan’andro — mbola mitady fiaraha-mientana amin’ny ray aman-dreny 💬
🧑🎓 14 taona miakatra:
Mety ho manontany zavatra na miera fotsiny sisa 😅
➡️ Vitsy ny antso isan’andro, fa mbola ilaina ianao ❤️
👉 Tsarovy: Isaky ny miantso anao izy, dia mariky ny fifampitokisana sy fitiavana izany.
Pejy - Mpanabe Fototra
06/10/2025
💬 𝗛𝗔𝗧𝗢𝗞𝗬 𝗧𝗘𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗭𝗔𝗡𝗔𝗞𝗔𝗢
1️⃣ Rehefa misalasala izy
❌ Tsy ho vitanao io.
✅ Andramo indray, azonao atao tsara izany.
2️⃣ Rehefa miady amin’ny namany
❌ Avelao fotsiny, aza minamana aminy intsony.
✅ Inona no nitranga? Andao hianatra amin’izany.
3️⃣ Rehefa manazava ny heviny
❌ Aza mamalivaly olona lehibe.
✅ Misaotra nizara, andao hiresaka amim-panajana.
4️⃣ Rehefa manao fahadisoana
❌ Tena tsy ampy saina ianao.
✅ Tsara izany, mianatra amin’ny diso isika.
5️⃣ Rehefa mitady fankatoavana
❌ Izany ve dia tsy hainao e?
✅ Tsara be ilay nataonao, misaotra tamin’ny ezaka.
⸻
👉 Ny teny kely tsara dia manangana toky lehibe ao amin’ny zanakao. 💛
Pejy - Mpanabe Fototra
06/10/2025
💡𝗔𝗠𝗣𝗜𝗢 𝗛𝗜𝗔𝗡𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗢 𝗔𝗡-𝗧𝗥𝗔𝗡𝗢 𝗡𝗬 𝗭𝗔𝗡𝗔𝗞𝗔𝗢📚
Ireto misy paik’ady 5 tsotra :
1️⃣ Manaova fandaharam-potoana maivana – fotoana fohy hianarana + filalaovana + fialan-tsasatra.
2️⃣ Ampiasao izay misy eo – boky, gazety, loko na zavatra tsotra hita ao an-trano.
3️⃣ Ovao ho lesona ny asa an-trano – fandrahoan-tsakafo = matematika (ora, fatra,sns) , fanadiovana = andraikitra.
4️⃣ Mianara amin’ny filalaovana – hira, tononkalo, lalao kely mahafinaritra sy mampiasa saina.
5️⃣ Ampiroboroboy ny famoronana – sary, tantara foronina, filalaovana, ary fizarana hevitra mba hanatsarana ny fahatokisan-tena.
✅ Rehefa atao mahafinaritra sy tsotra ny fianarana, dia ho mora ho an’ny ankizy ny mahazo ny lesona.
Pejy - Mpanabe Fototra
02/10/2025
❌𝗔𝗟𝗔𝗩𝗜𝗥𝗢 𝗡𝗬 𝗭𝗔𝗡𝗔𝗞𝗔𝗢 𝗡𝗬 𝗩𝗔𝗢𝗩𝗔𝗢 𝗥𝗔𝗧𝗦𝗬❌
Ho an’ny ankizy, ny vaovao ratsy sy herisetra dia miteraka :
⚠️ Tahotra sy tebiteby – tsy mahatsiaro ho azo antoka intsony izy.
⚠️ Fahaverezan’ny fahatokisana – mahatsapa fa feno loza izao tontolo izao.
⚠️ Fikorontanan-tsaina – tsy mifantoka amin’ny fianarana, sady mora taitra.
⚠️ Fitondran-tena mahery vaika – indraindray maka tahaka ny zavatra ratsy hitany.
❌ Alaviro amin’ny fahitalavitra sy finday izy rehefa misy vaovao ratsy sy herisetra miseho.
✅ Raha ilaina, hazavao amin’ny teny tsotra ny zava-mitranga ary ampitonio izy.
💡 Ny zava-dehibe indrindra ho an’ny ankizy dia ny hahatsapany fa voaaro izy.
Pejy - Mpanabe Fototra
01/10/2025
"Bonjour à tous les enseignants,
Je vous informe que les élèves reprendront les cours toute la matinée cette semaine en raison de la grève qui persiste en ville. Merci de bien vouloir adapter vos emplois du temps en conséquence.
Cordialement, Mme le proviseur
30/08/2025
🛑 𝗔𝗢𝗞𝗔 𝗜𝗔𝗡𝗔𝗢 𝗛𝗢 𝗡𝗔𝗠𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗭𝗔𝗡𝗔𝗞𝗔𝗢 𝗔𝗞𝗔𝗜𝗞𝗬 𝗜𝗡𝗗𝗥𝗜𝗡𝗗𝗥𝗔 👨👧
Ho an'ny zanakao, tokony ianao :
🧩 ilay itodihany rehefa sendra olana,
🎉 ilay voalohany ilazany vaovao mahafaly,
🤝 ilay antsoiny rehefa mila fanampiana.
⛔ Tsy ho tanteraka nefa izany :
❌ raha matahotra anao izy,
❌ raha kianina isaky ny mitantara izy,
❌ raha tezitra sy mitabataba ianao rehefa diso izy,
❌ raha mahatsapa fa tsy azo atokisana ianao...
Ary rehefa tsy ho namany ianao, dia hianatra hangina sy hanafina zavatra izy.
Aleony mikaroka olon-kafa itodiana. Na aleony miaina amin’ny fahanginana sy ahiahy.
✅ Safidio ny fifandraisana, fa tsy ny didy jadona.
✅ Safidio ny fahaizana mihaino, fa tsy ny fanapempoana,
✅ Safidio ny ho toeram-pialofana ho azy - fa tsy tahotra.
Pejy - Mpanabe Fototra
30/08/2025
🔺 𝗘𝗭𝗔𝗞𝗔 𝟬𝟳 𝘁𝗼𝗸𝗼𝗻𝘆 𝗵𝗮𝘁𝗮𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗥𝗮𝘆 𝗔𝗺𝗮𝗻-𝗱𝗿𝗲𝗻𝘆 👨👩👦👦
1️⃣ Ovaina tsikelikely ny ora fatoriana sy ny fifohazan'ny ankizy mba hananganana fahazarana vaovao 🛏️⏰.
2️⃣ Hamarino ny akanjo, kahie, pensilihazo, ary kitapo. Avelao ny ankizy hanamboatra ny kitapony mba hahatsiaro ho tompon’andraikitra 🎒👕✏️.
3️⃣ Ampanaovy fanazaran-tena amin'ny fifohazana, misakafo, miomana toy ny hoe handeha hianatra 🍽️🧍♂️📚.
4️⃣ Famerimberenana maivana amin’ny famakiana, fanoratana, na matematika amin’ny fomba mahafinaritra 📖✍️.
5️⃣ Hazavao ny fitsipika, ny fitondran-tena any an-dakilasy, ary ny tanjona mba hampihena ny tahotra sy ahiahy 🏫💡💬.
6️⃣ Mandehana mitsidika ny efitrano fianarana mba hahazatra ny ankizy amin’ilay toerana 🏫👀.
7️⃣ Omeo teny fampirisihana, zarao ny hafanam-po, ary lazao ny tombotsoa avy amin'ny fianarana 🌟🙌🎓.
Pejy - Mpanabe Fototra
21/08/2025
Ho avy tsy ho ela ny fidiran’ny mpianatra👇
💘🚫🚫HARCELEMENT⛔️🚫❌
Ndao isika haka 5 minitra hiresaka kely amin’ny zanatsika ary hanazava azy ireto teboka maromaro ireto.
Misy ankizy amin’izao fotoana izao efa mitaintaina sahady hiverina an-tsekoly nohon’ny harcelement nahazo azy. Eny na hoan’ny ankizy vao hiditra hianatra aza:
— Tsy mitsara olona amin’ny fitafiany isika.
— Na kitapo efa tranainy aza mitondra nofy mitovy amin’ny vaovao ihany.
— tsy mahazo atao fihomehezana velively ny hoditra, ny lanja, ny natioran’ny volo, ny fahasembana na ny tsy fahatomombanana na ara-tsaina na ara-batana…
— Lazao aminy fa any am-pianarana dia mianatra no atao, fa tsy hifanindry, hifampiomehy, hifampitsara, tsy hifanambany…
— Hazavao aminy koa fa misy ankizy rehefa mody any an-trano tsy mahazo tambitamby, tsy mahazo calins sy bisous, tsy mahazo hoe “tiako ianao”, tsy misy manontany akory na ny fizotran’ny journée ny aza. Tsy manan-kohanina, tsy manana Ray sy Reny…..
Ary indraindray… ny fifaliana eny an-tsekoly ihany no hany hafanana sy fitiavana azony amin’iny andro iny.
Zavatra manomboka any an-trano izany. Ary ianao, afaka mampirehitra rojo fitiavana sy fangorahana — amin’ny alalan’ny resaka tsotra fotsiny.
Te hanova izao tontolo izao ve ianao? Atombohy any an-trano ny fanabeazana, ampianaro ho tia olona, hahay hifangaro @ olona ny zanakao🥰🥰
Dia izay sy izay fa bonne prépa daholo les parents😘
21/08/2025
💬 𝗥𝘆 𝗿𝗮𝘆 𝗮𝗺𝗮𝗻-𝗱𝗿𝗲𝗻𝘆 𝗻𝗮𝗺𝗮𝗻𝗮❗
Manana zo ianao :
✅ Maka fotoana ho anao irery, miala sasatra rehefa reraka.
✅ Manaiky fa mety hanao hadisoana ianao. (Tsy ho voafehinao ny zava-drehetra)
✅ Mangataka fanampiana amin'ny hafa. (Tsy misy olona mahavita tena)
✅ Mizara ny ahiahinao amin’ny olona atokisanao. (Izay tena atokisanao)
✅ Milaza hoe “tsia” rehefa misy tsy mety aminao, na tsy tianao ho akaikin'ny zanakao ny olona iray.
💌 Ny fikarakaranao ny tenanao dia tsy fitiavan-tena, fa fomba iray hahafahanao manome tsara kokoa ho an'ny zanakao.
🔺 𝙕𝙖𝙧𝙖𝙤 𝙝𝙤 𝙖𝙣'𝙣𝙮 𝙧𝙖𝙮 𝙖𝙢𝙖𝙣-𝙙𝙧𝙚𝙣𝙮 𝙣𝙖𝙢𝙖𝙣𝙖.
Pejy - Mpanabe Fototra