02/02/2025
SADC :
Mila ampahafantarina an' ireo tsy mahalala fa ny organisation régionale toa ny SADC, COI, COMESA, CDAO, sns dia manana ny loharanom-bola madiodio fa tsy izay firenena mitarika akory no miantoka ny vola izay notapahana fa ho ampiasaina. Raha hanampy ny RDC izany ny vondrona SADC de tsy Madagascar velively.no hiantoka izany, asa mety hanampy koa ny firenena mpikambana raha afaka sy mahavita izany.
02/04/2022
AMIN'IZAO KRIZY IRAISAM-PIRENENA IZAO :
Raha mba manana magasin de stockage lehibe maharitra hitehirizana hatramin' ny 3 volana fotsiny ireo orinasa mpanafatra entana na koa ireo mpamongady dia angamba tsy hitaintaina toa izao ny mpanjifa na ny vahoaka Malagasy amin' ny ankapobeny.
27/02/2022
Afrika iray manontolo no resahany fa isika Malagasy koa no tena loza nanomboka tamin' ny fanjanahatany ka mandraka androany. Ohatra iza avy ireo taranaka, na dia aretina tsy misy dikany aza de hoe lasa nitsabo tena any ivelany !!??
27/01/2022
REHEFA HANAO RARIVATO :
Na lalana izany na tamboho na zavatra hafa dia ilaina ho matihanina mihintsy ny Entrepreneur nahazo izany asa izany, indrindra ny mpiasa mpanatanteraka ny asa fa marobe ireo mandahatra vato fotsiny ka marobe ny voka-dratsin' izany.
Sary fanehoana tena nisy.
19/12/2021
MAGASIN DE STOCKAGE NA DÉPÔT NA IZAY METY ILAZANA AZY SY NY VIDIM-PIAINANA :
Ireo milaza azy ho Grossiste (solika, vary, menaka, farine, ciment, sns) dia tsy misy mahafehy izany asa izany eto amintsika fa rehefa manana ny dossiers mikasika izany dia manao ilay asa ry zareo.
Aiza ve ka rehefa hanao statistika sy hanara-maso ny vidin' enana, eny fa na ny ministera tompon' andraikitra aza dia mankeny Anosibe izay tsena tsy manana ny farafaharatsiny amin' izany atao hoe mpivarotra ambongadiny akory, santionan' entana no hita ao ary misondro- bidy arakakaraka izay zavamisy (fahavaratra e, lalana tapaka e, nisondrotra be ny transport e, sns sns).
Raha ny tokony ho izy dia tsy maintsy manana magasin de stockage ho famatsiana volana vitsivitsy na maromaro izy ireo raha te hiady amin' ny fisondrotry ny vidim-piainana tsy aona tsy aona isika Malagasy. Voakasika izany na ny solika na ny PPN ka mba samy hanana ny mpamatsy azy ny Grossiste tsirairay ary dia tena hisy ny fifaninana tena ahasoa ny vahoaka tokoa, eritrereto anie fa na 100 Ar fotsiny aza ny elanelan' ny vidin-tsolika eny amin' ny mpaninjara eh, miala izay tsy mahazaka fifaninanana.
NB : sary indrana sy fanehoana ihany.
18/09/2021
TSY ZAKAN MPANAO POLITIKA SY NY MPANARAKA AZY MIHINTSY IZANY MISY FILOHA LANY ETO MADAGASIKARA, TSY MAINTSY HANAO IZAY HAMINGANANA ARY MIRAY HINA MIHINTSY IREO IZAY TSY LANY MBA HITADIAVANA SEZA.
Rafitra hafa mihintsy no tokony hapetraka eto Madagasikara raha te handroso amin tena fampandrosoana tokoa isika. Tsy zakan mpanao politika sasany izany hoe tsy manana seza izany na dia tsy manana ny herijika na ny fahafahamanao ny ho amin zany aza izy ireo.
15/09/2021
Raha mbola voazarazaran hevitry ny mpanao politika isankarazany ny Malagasy dia sarotra ny hanantena firaisankina tena izy ho amin ny fampandrosoana tena fampandrosoana eto amintsika. Aiza ve ka ny hafa manao izay vitany ary ny sasany mitsikera sy mamingana mihintsy aza.
14/08/2021
NY VEHIVAVY RAHA MBOLA HITERAKA SY HITAIZA IREO ZANANY MBOLA KELY DIA TSY TOKONY OMENA TOERANA TOMPON' ANDRAIKITTRA ETO AMIN FIRENENA FA METY AMINY MIKARAKARA NY ANKOHONANY ALOHA AMIN IZAO FOTOANA MBA HO AMPY TSARA NY FOTOANA HANOMPOANY NY ANKOHONANY IZAY HO AVIN'NY FIRENENA ANY AORIANA.
NB. Sary fanehoana.
13/07/2021
Fanamboaran-dalana eto amintsika :
Raha vao vita ny asa dia otran' ny tsara ery ilay izy kanefa afaka fotoana tsy ela akory dia manomboka simba. Raha atao bolongam-bato toa ny amin'ny sary ny ao ambany tara ao mino aho fa ho lovain-jafy ny lalana amboarina sady hanome asa ny olona eny amin' ny faritra lalovan'izany lalana izany toa ny famakiana vato sns e.
13/06/2021
Fanamboarana lalana taloha :
Vato lehibe toa izao no apetraka amin' ny arabe vao rakofana tara. Maharitra ampolo taonany maro vao simba fa tsy ilay otran vovo-bato amin zao fotoana izao ka raha vao misy simba kely miampy herikandro dia izay no izy, bedebe ny tranga toa izany raha tsy izy rehetra mihintsy afaka volana na taona vitsivitsy.
Jereo anie amin iny lalana mande Vangaindrano raha avy Farafangana fa mbola tazana eny ireo bolongam-bato nanamboarana azy izay mety efa talohan fahaleovan-tena tsy haiko fa tena mafy le lalana e.
NB. Sary fanehoana.
05/06/2021
Mbola vao hevitra hoe ahoana no itondrana fampandrosoana eto Madagasikara no resahana eto dia efa mipongapongatra sahady tatoato ireo te ahazo tombotsoa mihoatra ny hafa ka milaza izao sy izao etsy sy eroa.
Misy avy eto anivon-tany izy ireny ary misy koa avy any amin' sisiny. Raha mbola toa ny taloha ka tsy misy fiovana mahery vaika ihany hoy aho, averiko foana, ny fanaovana politika eto Madagasikara dia ataovy nofy izany tena fampandrosoana izany e.