Hira faneva PATA MAMIKO nandritry ny fankalazana ny jobily faha-120 taona ny Sekoly Paul Minault.
PATA Fankalazana 120 Taona
Hetsika sy vanim-potoana fankalazana ny faha-120 taona ny Kolejy Paul Minault
Androhibe - Antananarivo
1901 - 2022
10/07/2022
Tontosa tanteraka ary nitondra ainga vao hoan'ny Kolejy Paul Minault - Androhibe Antananarivo ny fankalazana ny jobily faha-120 taona.
Isaorana avokoa ny mpiandraikitra ny Sekoly teo aloha, ny komity mpikarakara ny jobily, fa indrindra ny fiaraha-mientan'ny maintimolaly ny PATA maneran-tany. (y) :)
26/05/2022
Miarahaba ny rehetra
Efa afaka manjifa
Ny billets DÉJEÛNER DANSANT
Amin'.ireo Komity 120 taona
Izay Liana rehetra
Ho atao amin' ny sabotsy 2 juillet 2022
Eny amin' ny Espace Eldorado
Ho fandraisana anjara Amin.'ny
Tsangambato fankalazana ny faha -120
Taona Kolejy Paul Minault
Io no andro Io hihaonan'.ireo
Maintimolaly rehetra
Koa tongava maro hanohana Ilay sekolintsika
Mirary SOA
Samy ho tahian' Andriamanitra
NY KOMITY
29/04/2022
SINIBEN-DRANO 1/3:
hifarana ny fahavitan'ny asa ka io hitantsika efa tafakatra amin'ny toerany ny siniben-drano iray amin'ny telo hatsangana.
Isaorana mitafotafo isika maintimolalin'ny sekoly rehetra (eto Gasikara sy any ivelan'ny Nosy) izay nandray anjara mavitrika amin'izao asa iombonana izao.
Raha ny vaovao voaray dia efa mandeha tsara tokoa ny rano ankehitriny vatsian'io sinibe io.
PATA aloha Vy !
20/04/2022
FANDROSON'NY ASA FANANGANANA SINIBEN-DRANO
12/04/2022
Tonga tao ihany koa ireo tanora "mpanao volley -ball vehivavy", miaraka maka sary amin'ny artista tonga nanafana ny fotoana.
12/04/2022
Sary samihafa ahitana ireo mpampianatra fahiny efa misotro ronono, ao koa ireo maintimolaly mpianatr'i PATA fahiny isaky ny teraka indray mihira ary isaky ny sokajy misy azy, ary misy koa ireo mpianatra ankehitriny.
Inona moa ilay soatoavina PATA ?
Tsiahy vakian-dRamose DOUFA eto. Henoy tsara ary ny hafatra !
Hira miaraka amin-dRija Ramanantoanina - tsiahin'ny lasa niaraka amin-dRamose Naly Ravalitera - hira mihetsika miaraka amin'i Tovo JHAY.
Tsinjaka bevata miaraka amin'i Ndriana sy ny mpanakanto.
HIRA FANEVA: RY PATA MAMIKO
Ry PATA mamiko (x03) , Ry salemako,
Raha manadino anao aho,
Aoka ho neniko,
Ilay loharanom-pahendrena
izay notovoziko
raha manadino anao aho,
aoka ny heriko
ho toro ka hirodana
ho zary alaheloko
ANDRIAMANITRA ô,
tahio izahay !
Ny sekolinay mba tahionao
Ny asa soany mba tahio
ho an’ny Nosinay…
Ny sandrinao mahery
no aoka hambomba azy
ho rako-pitahiana
i PATA tiako, mamiko….
Tonony : RAKOTOJOELIMARIA A.
Feony : RAKOTOMALALA Malanjaona
Taona 1974.
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Category
Contact the school
Address
Antananarivo
101