23/06/2026
Manasa antsika hitsidika 💁♂️
🌾🌱 Tsenaben'ny rekany Anjozorobe
Hoatsika rehetra izay any Anjozorobe any, ny FM3A, Centre de Formation Pratique pour le Développement et la Résilience - CFPDR, Pépinière de Mahavariana (Ecovillage Mahavariana) dia isan'ireo mampiranty ao amin'ny Tsenaben'ny rekany 2026 izay tanterahana manomboka anio ka hatramin'ny Alakamisy 25 Jona, eo amin'ny tokotany malalaka ny Kaominina Anjozorobe no anatanterahana izany.
Manasa antsika hitsidika fa ao afantarantsika bebekokoa ny tetik'asa FM3A sy ireo tolotra fiofanana misy ao amin'ny Centre de Formation Pratique pour le Développement et la Résilience - CFPDR sy ny fampahafatarana ny Ecovillage Pépinière de Mahavariana (Ecovllage Mahavarina)
Mandroso ary 💁♂️🌱
30/04/2026
📍Eny Talata Volonondry eny...
Eny amin’ny Écovillage Mahavariana eny…
dia misy ivon-toerana iray mikirakira ny tanimanga na atelier de poterie. 🏺🤎
Toerana iray izay anovan’ny tanana sy ny fahalalana ny tany ho lasa zavatra misy lanjany.
Fa maninona no noforonina ity atelier de poterie ity ?
Satria mino izahay fa ny harena eo an-toerana dia afaka mamorona asa sy manova fiainana rehefa omena lanja. 🌍✨
Eto, ny tanimanga dia avadika ho :
- Fampisotroana rano na famahanana ny biby fiompy ( abreuvoir / mangeoire)
- Vilany (marmite)
- vata fampangatsiana ( frigo du desert)
- vase sy décoration maro samihafa
Ny tanjona dia ny hampiofana ireo olona rehetra maniry hiasa sy hampiasa ny tany ho loharanon-karena, indrindra ireo tantsaha sy tanora eny ambanivohitra. 🌾
Satria mino izahay fa rehefa misy ny fahalalana sy ny fahaiza-manao, ny zavatra tsotra indrindra aza dia mety ho :
- Asa
- Fidiram-bola
- ary Fanantenana ho an’ny ho avy ✨
Koa raha mandalo eny Talata eny ianao…
Tongava mitsidika anay ety Mahavariana.
Hijery, hianatra, na hanjifa ireo asa tanana miavaka sy vita amin’ny fo. 🏺🤎
23/04/2026
Fihaonamben'ny tantsaha Anosy Avaratra 🌾🌾
Mandray anjara amin'ny hetsika satambary eto Anosy Avaratra ihany koa ny CFPDR
- Eto isika afaka miresaka bebekokoa mahakasika ireo tolotra fiofanana rehetra misy ato aminay
- Misy zanakazo sy legioma bio amidy ihany koa 🌳🍅
- Sy ireo zavabita avy amin'ny tanimanga
- Misy koa ny pompe fampiakarana rano vita malagasy
Trano heva faha 10bis no misy antsika, mandroso ar ☺️
07/04/2026
🎉 Famoahana ny Mpiofana/Mpandraharaha amin'ny resaka Rafitra, CIAM Talata Mahavariana
🌱 Ny fahaiza-manao tsirairay dia manokatra varavarana vaovao ho amin’ny hoavy milamina sy maharitra!
Hita amin'ireto sary ireto ny niainan’ireo mpiara-miombon'antoka 3 vaovao, nandray anjara tamin’ny fiofanana momba ny fandrafetana ao anatin’ny tetikasa FM3A.
Nandritra ny fiofanana, izay naharitra 20 andro, dia nahazo fahaiza-manao azo ampiharina mba hanitarana ny loharanom-bola sy hanamafisana ny fahaleovantenany izy ireo.
Ary mba hahafahan’ny tetik’asan'ny tsirairay manomboka avy hatrany, dia nisy ihany koa ny fanomezana fitaovana efa vonona hampiasaina ! 🪚🌿
👏 Mirary fahombiazana betsaka ho azy ireo amin’ny hetsika ataony izahay amin'ny tetikasa FM3A
🛑 Ianao ihany koa, raha liana amin'ny fiofanana na hanampy traikefa amin'ny fandraharana Ambanivohitra dia aza misalasala mifandray aminay
Ambanivohitra
-----------------------
🌱 Chaque compétence ouvre de nouvelles portes vers un avenir stable et durable !
Ces photos montrent l’expérience des 3 nouveaux participants qui ont pris part à la formation en Ouvrage Bois dans le cadre du projet FM3A.
Pendant la formation, qui a duré 20 jours, ils ont acquis des compétences pratiques leur permettant de diversifier leurs sources de revenus et de renforcer leur autonomie.
Et pour que chacun puisse démarrer son projet immédiatement, ils ont également reçu du matériel prêt à l’emploi ! 🪚🌿
👏 Nous leur souhaitons beaucoup de succès dans leurs initiatives!
Bois
11/03/2026
👨🌾 Fanofanana tekinisianina
Tontosa androany ny sivana hoan'ireo tanora izay hanatanteraka fiofanana maharitra ato @ CFPDR, Andiany fahatelo ireto noraisina ireto izay miisa sivy mianadahy.
Maharitra dimy volana eo ny fiofanana.
Mirary soa ireto tanora ireto hahavita tsara ny fiofanana ✨
Misy ihany ny koa ny fiofanana fohy atolotry ny CFPDR, mahakasika ny fambolena sy ny fiompiana:
🍅 Fanajariana zaridainan-tsakafo sy fanajariana,
🌱 Famokarana masomboly,
🛡️ Fanamboarana Ady gasy fiarovana ny biby mpanimba ny voly,
🐔 Ny Fiompiana akoho gasy nohatsaraina,
🐟 Ny trondro,
🐷 Ny kisoa ... sy ny maro tsy voatanisa
Araho tsy tapaka Ary ny pejy hahitanao ny fiofanana manaraka, Ary aza misalasala mandefasa hafatra miafina Raha mila andinindininy na fiarahamiasa
----------------------
👩🌾 Formation de Techniciens : C'est parti pour la 3ème Promotion !
L'étape de sélection s'est achevée aujourd'hui au CFPDR. Nous avons le plaisir d'accueillir 9 jeunes motivés (filles et garçons) qui constituent notre 3ème promotion pour la formation de longue durée.
Durant les 5 prochains mois, ces apprenants suivront un cursus intensif pour devenir des techniciens qualifiés. Nous leur souhaitons beaucoup de succès dans ce beau parcours qui commence ! ✨
🌱 Vous aussi, formez-vous avec le CFPDR !
Vous souhaitez renforcer vos compétences rapidement ? Nous proposons également des formations de courte durée axées sur l'agriculture et l'élevage, notamment :
🍅 Maraîchage et aménagement de jardins potagers.
🌱 Production de semences.
🛡️ Protection naturelle des cultures (conception de produits phytosanitaires artisanaux).
🐔 Élevage de poulets "gasy" améliorés.
🐟 Pisciculture (élevage de poissons).
🐷 Élevage porcin... et bien d'autres thématiques encore !
📢 Restez connectés ! Suivez régulièrement notre page pour ne pas manquer les prochaines sessions.
📩 Besoin d'informations ou envie de collaborer ? N'hésitez pas à nous envoyer un message privé (MP).
22/12/2025
Zaro hikolokolo ny tontolo iainany ny tanora, ny zaza 🌳
Fizaràna zanakazo hoan'ny mpianatra tao @ sekoly mpiara miasa, "Lycée Andriamborona" 🌳🏫🌳
Nitohy tamin'ny fiofanana kely sy fampinarana tontolo iainana moa izany
Tanora mandry Andraikitra amin'ny hoaviny, sarotiny @ tontolo iainany no tanjona 🤝🎯
-------------------
🌱 Action Environnementale au Lycée Andriamborona !
Nous sommes fiers de partager des jeunes plants avec les élèves du Lycée Andriamborona, en précieux partenariat avec le CFPDR. 🤝
Notre mission : Éduquer les jeunes au respect et à l’amélioration de leur environnement. Ensemble, plantons les racines de demain !