17/01/2026
💡
Ndeha mba hiresaka mahakasika ny Budget Prévisionnel isika anio ☺️
🎯 Fa maninona no ilaina ny manao Budget Prévisionnel ?
Ny budget prévisionnel dia tsy tabilao fotsiny, fa sarintany stratejika manampy anao hahita mialoha ny lalana ara-bola tokony halehanao.
Raha tsy manao budget prévisionnel ianao, dia toy ny mitondra fiara amin’ny alina tsy misy jiro — mandeha ihany, fa tsy fantatra hoe aiza no hiafara.
Amin’ny alalan’ny budget prévisionnel dia afaka ianao:
✅ Maminavina sy mandamina ny vola miditra sy mivoaka, ary ny vola tiana tratrarina, mba tsy ho tratran’ny olana tampoka, indrindra handrisika amin'ny fifantohana matotra kokoa amin'ny ara-bola.
✅ Mampitaha ny zava-misy sy ny vinavina, ka mahita avy hatrany ny fiovana ilaina hatao.
✅ Mampitombo ny fahatokisana amin’ny mpiara-miombon’antoka, mpampiasa vola, na banky.
✅ Manampy amin’ny fanapahan-kevitra — fantatrao tsara izay tetibola azo zaraina amin’ny famatsiam-bola, fividianana, na fampandrosoana.
Raha tsorina dia tsy fanampiny ny budget prévisionnel, fa fototra ho an’ny fitantanana mahomby.
Izay manao azy no mahafehy ny hoaviny ara-bola.
💡Azonay taterehina tsara ny fikirakirana sy famolavolana ny budget prévisionnel anao, na hoan'ny orinasanao.
Aza misalasala manoratra hafatra miafina
07/01/2026
🚀 KBillion – Design & Développement Web sur mesure
Vous avez une idée, un projet ou une entreprise à valoriser en ligne ?
KBillion vous accompagne dans la conception de designs modernes et le développement de sites web performants, adaptés à vos besoins.
🎨 Nos services :
✅ Design UI/UX (interfaces modernes et intuitives)
✅ Création de sites web vitrines et professionnels
✅ Refonte de sites existants
✅ Solutions digitales adaptées aux entreprises et startups
💡 Notre objectif :
Créer des solutions digitales efficaces, esthétiques et orientées utilisateurs, tout en respectant vos délais et votre budget.
📩 Intéressé(e) ?
Contactez-nous en message privé pour discuter de votre projet ou demander un devis.
👉 KBillion – Votre partenaire digital à Madagascar
31/12/2025
vous souhaite une année 2026 pleine de réussites, de créativité et de technologies innovantes.
Que chaque défi devienne une opportunité et chaque idée, un succès.
Très belle et heureuse année 2026 à toutes et à tous ! ✨
24/12/2025
Merci pour votre confiance.✨
KBillion vous souhaite un Joyeux Noël.🎄
23/12/2025
2026 commence maintenant 💡
Nouveaux défis, nouvelles ambitions, mêmes valeurs.
KBillion continue de développer des solutions informatiques sur mesure pour soutenir la croissance de ses partenaires.
📈 Ensemble, transformons vos objectifs en résultats.
👉 KBillion
27/11/2025
💡
Ndeha mba hiresaka mahakasika ny Budget Prévisionnel isika anio ☺️
🎯 Fa maninona no ilaina ny manao Budget Prévisionnel ?
Ny budget prévisionnel dia tsy tabilao fotsiny, fa sarintany stratejika manampy anao hahita mialoha ny lalana ara-bola tokony halehanao.
Raha tsy manao budget prévisionnel ianao, dia toy ny mitondra fiara amin’ny alina tsy misy jiro — mandeha ihany, fa tsy fantatra hoe aiza no hiafara.
Amin’ny alalan’ny budget prévisionnel dia afaka ianao:
✅ Maminavina sy mandamina ny vola miditra sy mivoaka, mba tsy ho tratran’ny olana tampoka.
✅ Mampitaha ny zava-misy sy ny vinavina, ka mahita avy hatrany ny fiovana ilaina hatao.
✅ Mampitombo ny fahatokisana amin’ny mpiara-miombon’antoka, mpampiasa vola, na banky.
✅ Manampy amin’ny fanapahan-kevitra — fantatrao tsara izay tetibola azo zaraina amin’ny famatsiam-bola, fividianana, na fampandrosoana.
Raha tsorina dia tsy fanampiny ny budget prévisionnel, fa fototra ho an’ny fitantanana mahomby.
Izay manao azy no mahafehy ny hoaviny ara-bola.
💡Azonay taterehina tsara ny fikirakirana sy famolavolana ny budget prévisionnel anao, na hoan'ny orinasanao.
Aza misalasala manoratra hafatra miafina na miantso avy hatrany
Contact : +261 32 64 061 62
Email : [email protected]
25/11/2025
🎯Astuces du jour : Double clique Vs Clique droite + ouvrir
Fantatrao ve ny maha samihafa ny ''double clique" sy ny ''clique droite --> ouvrir"?
Ndeha ho jerentsika ara-matematique sy araka ny fiarovana amin'ny virus izany 😊
🔐 1. Fandinihana ara-matematique (Logique & Algorithmique)
➤ Double Clique = Fonction directe
– Toy ny f(x) amin’ny matematique:
Miditra input (mibaiko avy hatrany).
Raha ohatra:
double-click (ouvrir fichier/exécuter) dia mitovy amin’ny: f(x) = résultat.
➡️ Action directe, automatique, sans étape intermédiaire.
➤ Clique droite + Ouvrir = Fonction hananana safidy
– Toy ny fonction composée amin’ny mathématique:
Etape 1: clique droite (miseho ny menu)
Etape 2: misafidy Ouvrir (misokatra ilay fichier)
Amin’ny matematique:
f(x) = g(h(x))
Étapes roa vao tonga amin’ny résultat.
➡️ Action mitaky “choix” sy étape logique fanampiny.
----
🛡️ 2. Fiarovana amin’ny Virus Informatique
🎯 Double Clique = Risque goavana raha mampiahiahy fichier
Rehefa manao double-click amin’ny fichier .exe / .bat / .scr tsy fantatra:
➡️ Mibaiko avy hatrany, ka afaka mamoha sy manaparitaka virus raha toa ka misy virus ilay périphérique na ilay fichier.
🎯 Clique droite + Ouvrir = Technique fiarovana tsara kokoa
Raha manao clique droite ianao dia:
Afaka mijery Propriété, mijery hoe Inona ny extension ( .exe, .zip, .pdf… ), mijery size, publisher, location, afaka manao Scan with antivirus
Avy eo raha azo antoka fa madio tsy misy virus dia afaka manao Ouvrir
➡️ Manampy amin'ny fiarovana alohan’ny hanokafana ilay fichier.
07/08/2025
MBA FANTATRAO VE HOE OTRINONA NO LOGO LAFO INDRINDRA, DIA INONA NO ANTONY MAHA LAFO AZY?
🎯 Fantaro ny lanjan’ny LOGO ho an’ny orinasanao!
👉 Ny LOGO dia endriky ny maha-izy anao eo amin’ny tsena (sehatra ara-barotra).
Tsy sary fotsiny izy, fa teny mangina mitantara ny soatoavinao, ny kalitaonao, ary ny vinanao!
💡 Fa nahoana no zava-dehibe ny fanànana LOGO?
✔️ Izy no identité visuelle ny entreprise (orinasanao)
✔️ Endrika hita maso tadidin'ny mpanjifa
✔️ Mampiseho ny maha-matihanina sy fahatokisana
✔️ Manampy amin’ny fifaninanana eo amin’ny tsenam-barotra: mampiavaka anao amin’ny mpifaninana (conçurent)
📈 Raha tianao hahomby ny orinasanao, atombohy amin’ny logo matotra sy tsotra ary manintona!
🔖 LOGO tsara = MARIKA maharitra
---
✅ Vonona hanampy anao izahay hanangana logo:
🎨 Manintona sy miavaka – 🌐 Mora tadidy – 💼 Manome lanja ny marikao.
📞 Mifandraisa aminay –
Omeo "lanja" ny orinasanao!
30/07/2025
🔵 FORMATION INFORMATIQUE EN DIRECT
📍 Zoom – Discord – TeamViewer
⏳ Tsy dia manam-potoana firy ve ianao ?
💻 Nefa maniry hahay informatique haingana sy mora, eny, ao an-trano na izay toerana ahafahanao mianatra?
👉 Safidio ny module tianao :
✅ Bureautique
✅ Graphic Design
✅ Programmation
✅ Cryptage & Décryptage
✅ Autres modules à la demande
📲 Misorata anarana dieny izao,
📩 Mifandraisa aminay amin’ny hafatra miafina na WhatsApp 📞
28/07/2025
FANTATRAO VE NY VALEUR (LANJA) NY ORINASANAO?
Ndeha hatao miavaka ny réunion, ny présentation rehetra izay volavolaina amin’ny logiciel
Loria MultiKrea dia manolotra template (professionnel) matihanina sy miavaka ho an’ireo mila manintona mpijery amin’ny alalan’ny présentation PowerPoint.
Mifanaraka amin’ny filàn’ny orinasa, mpiara-miombon’antoka, na mpampianatra ny design vaovao sy miavaka no atolotray.
Afaka manamboatra sy manova template arakaraka ny sehatra iasanao izahay: toekarena, informatique, fanabeazana, sns.
Tsy vitan’ny hoe tsara tarehy fotsiny ny sary aseho, fa manamora sy manatsara koa ny fandraisana hafatra sy ny fahazoan-kevitra.
Atolotray miaraka amin’ny fanazavana sy torolalana tsotra ireo modèle, mba hahafahanao manova azy mora foana araka izay ilainao.
Jereo ny sombiny, ary aza misalasala mifandray aminay raha mahaliana anao ny hahatonga ny présentation PowerPoint-nao ho matihanina kokoa.
27/07/2025
TUTO VIDÉOS AMIN’NY TENY MALAGASY ?
Ampitomboy ny fahaizanao amin’ny fianarana informatique bureautique amin'ny alalan'ny tuto vidéos mazava sy mora takarina. Eny! amin’ny teny malagasy.
Modules Word, Excel ary PowerPoint no hianarana amin’ny vidiny mirary 50 000 Ar monja!
Loria MultiKrea dia manome fiofanana ahafahanao mahafehy tsara ny rindranasa bureautique fototra.
Tena mety ho an’ireo manomboka sy te hanamafy ny fahaiza-manaony amin’ny informatique satria dia manomboka débutant hatramin'ny expert ny fampianarana.
Aza miandry ela, mifandraisa aminay dieny izao ary aza misalasala manomboka mianatra!
Mandefasa hafatra miafina
26/07/2025
Ahoana no hatao raha hanao GESTION DES STOCKS amin’ny logiciel EXCEL ?
Ireto misy teboka vitsy raha hanao GESTION DES STOCKS amin’ny EXCEL:
✅ 1. Créer un tableau de base
Tanjona: Manao "tableau principal" izay mitahiry ny lisitry ny entana sy ny toetrany.
Zavatra tokony ho hita : Code | Nom du produit | Catégorie | Stock initial | Prix unitaire | Stock minimum | Fournisseur | Date d'entrée
✅ 2. Ajouter des formules
Tanjona: Mampiasa formules automatiques mba hanaovana kajy hiova ho azy (ex: stock total, valeur du stock, sns.)
Formules manan-danja:
• Valeur du stock : Totalim-bidin'ny vokatra rehetra
• Stock total : Totalin'ny vokatra rehetra
✅ 3. Créer un tableau de mouvements de stock
Tanjona: Manara-maso ny fidirana sy fivoahan'ny vokatra (entrées/sorties)
Structure du tableau: Date | Code produit | Nom du produit | Type de mouvement | Quantité | Remarques
• Type de mouvement: "Entrée" na "Sortie"
• Ity tableau ity dia ahafahana manara-maso ny fiovaovan’ny tahiry tsirairay.
✅ 4. Mettre à jour le stock automatiquement
Tanjona: Rehefa misy entreer/sortie vaovao, dia miova ho azy ny stock amin'ny tableau de base.
Fahaiza-manao sy fikirakirana azo atao:
• Mampiasa SOMME CONDITIONNELLE na tableau croisé dynamique (pivot table) hahafahana mahazo rapport-ny "Entrées" sy "Sorties".
• Formule stock final: Stock initial + Somme(Entrées) - Somme(Sorties)
✅ 5. Visualiser et analyser les données (manao Dashboard : tableau de bord)
Tanjona: Ahitana tsara amin’ny endrika graphique sy statistiques ny toetry ny stock.
Fahaiza-manao sy fikirakirana azo atao:
• Graphiques (Histogramme, ligne): Hanehoana ny évolution-ny stock
• Tableaux croisés dynamiques (Pivot Tables): Manao regroupement par produit, fournisseur, na catégorie.
• Mise en forme conditionnelle: Ahafahana manavaka visuellement ny stock ambany loatra na avo loatra.
✅ 6. Gérer les alertes de stock
Tanjona: Fampahafantarana raha ambany noho ny tahiry farany ambany (stock minimum) ny commandes.
Fanao matetika:
• Ampiana colone “Stock minimum” amin'ny tableau de base.
• Mampiasa formule logique (FONCTION SI) hahafahana manao RUPTURE na OK ny ao amin’ny stock
• Mampiasa mise en forme conditionnelle:
• Raha "Rupture", miloko mena ilay cellule, raha OK kosa dia mijanona ho cellule "vide" na soratana araka izay tiana.
• Aza hadino ny mampiasa liste déroulante (validation des données) ho an'ny Type de mouvement (Entrée/Sortie)
• Azonao asiana bouton macro koa raha tiana ho semi-automatique.
Izay aloha no torohevitra fohy azonao ampiarina raha hamorona GESTION DES STOCKS amin'ny EXCEL ianao.
Izahay ihany koa dia afaka mamorona azy araka ny filanao, ary manao ny asa famoronana logiciel toy ny : Gestion, Vente, Stock, Facturation, Gestionnaire de mots de passe, Gestion de rendez vous, sns...
[ ] Famoronana amin’ny EXCEL, ACCESS, Python (rendu : .EXE)
Raha mahaliana anao dia aza misalasala mandefa hafatra miafina na mandefasa mail amin’ny : [email protected]