11/03/2023
😂😂😂 Tsinjovy ihany ny hafa rehefa mamonjy fety an, mamay zao ny andro...Merci tonton😘😍
Ity Pejy ity dia entina hizarana ny fanabeazana eto Madagasikara.
11/03/2023
😂😂😂 Tsinjovy ihany ny hafa rehefa mamonjy fety an, mamay zao ny andro...Merci tonton😘😍
16/02/2023
😅Anisan'ny tena mahafaly an'i dadabe sy bebe ny mahita ny zafikeliny rehefa tonga mitsidika azy. Rehefa elaela tsy mahita ny zafikeliny iny moa zareo dia malahelo mihitsy. Satria hono mbola tiany mihoatra ny zanany ny zafikeliny.
🤔Marina ve izany raha ny hevitrao?
📜Aza adino ny mitsika ny RAY AMANDRENY raha toa ka mifanalavitra ny toerana misy anareo.
📜Omeo fotoana ny zanakao hiresahiny sy hilalaovany miaraka amin'ny dadabe sy bebeany fa ilainy eo amin'ny fiainany izany.
Manasa anao hanaraka ny pejy Fanabeazana
12/05/2022
😎Inona teo amin'ny fiainanao no nampiasanao ireto?
🧐Mbola ilaina eo amin'ny fanabeazana ankehitriny ve ireo?
⛔Inona ny hevitrao entina hanatsarana ny fanabeazana eto Madagasikara?
🤣🤣Araho ny pejy🤣🤣
Fanabeazana
10/05/2022
Ndao hahitsy ny diso 👀🙄😅
Migeste- Mihaingo 🙏♥️
Midecouche- Tratr'andro 🙏♥️
📷 Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina.
10/05/2022
❤️Fizarana sy fanabeazana ho anao #0002
😍Mivavaha alohan'ny hivoaka ny trano.
📍Raha olona mino an'Andriamanitra ianao dia mivavaha isa-maraina alohan'ny ivoahana ny trano.
📍Tsy fantatsika izay loza mety hiseho eny andalana eny ka mangataka amin' Andriamanitra mba ho arovany. (tsy keky lalana mantsy ny devoly e!)
📍Apetrao eo ampelantanany ny dianao manontolo sy ny asanao. Ary manàna finoana fa eo akaikinao mandrakariva izy.
📍Aza adino nefa ny mitondra ambavaka ny ankohonanao sy ny hafa.
👍Araho ny pejy
Fanabeazana
09/05/2022
😍Torohevitra sy fanabeazana ho anao😍 #0001
👩🦰Mbola tsy dia fahazaran'ny vehivavy Malagasy ny fandomana tongotra rehefa amin'ny alina alohan'ny hatory.
💆♂️💆♀️Mitondra fahasalamana be ara-tsaina sy ara batana anefa ny fanaovana azy matetika, indrindra raha vehivavy manana toetra kizitina sy mora misafoaka...
💪Na tsy manana ireo akora natoro aza isika dia mety foana na rano mamay asiana sira kely + citron no handomana azy
❤️Rehefa mangatsiaka ny rano dia esorina ao ny tongotra,sady manatsara ny fikorinan'ny rà no sady manatsara ny hoditrin'ny tongotra sy ny hoho.
😎Afa-bizana ianao sady maivamaivana ery, ary afaka ataonao isan'andro rehefa alohan'ny hatory izany.
👩👩👧👦Afaka manao izany avokoa na lahy na Vavy na tanora na zaza.....
Aza adino ny mizara amin'ny hafa an😘
🌹Araho ny pejy Fanabeazana
09/05/2022
Tsena any ambanivohitra any🇲🇬
📍Anisan'ny mahafinaritra ahy ity sary ity ary misy lesona lehibe azo tsoahina.
❤️Rehefa manao zavatra iray dia manàna finoana. Tsy dia misy olona firy any amin'io toerana io nefa dia manantena hatrany ireo olona ireo fa hisy hividy ny sakafo natoany.
❤️Rehefa manana fikasana dia atomboy amin'izay eo ampelatanana aloha fa aza mitady sarotra.
❤️Ataovy ampifaliana hatrany izay ataonao.
❤️Manàna tanjona mazava.
😊Manasa hanao hanaraka ny pejy
Fanabeazana
11/04/2022
😍Iza avy ireo namanao vao mahita ity dia mahatsiaro ny fahazazana?😍
😜Mahay mandrandrana azy ve ianao?
Fahatsiarovana tsy adino...
09/04/2022
Rehefa anaty fiara fitaterana iny. 😂
08/04/2022
Ny eto amin'ny tanana 😢
08/04/2022
😢😢😢
02/02/2022
😲😲02-02-2022😯😯
🙏Raha sitrakao dia andeha isika hivavaka ho an'ny firenentsika anio alina amin'ny 22:22 ora ary hivavaka hoe : "Andriamanitra ô, arovy amin'ity Cyclone ity ny taninay, apetrakay eo ampelatananao i Madagasikara, Amen!"
🙏Misaora an'Andriamanitra fa mbola nahatratra ity andro anio ity.
🚫⬅️Andro tsy hiverina intsony no sady mahagaga.
❤️Mitadiava zavatra anakiray hanamarika anao amin'ity andro ity.