16/12/2024
SPIRITUALITE : IREO FIANGONANA 7 AO ANATINTSIKA (2)
Voasoratra ao anaty Baiboly Kristiana ireo taratasy nosoratana ho an’ireo Fiangonana 7, hitantsika ao amin’ny Apokalypsy, dia ny Fiangonana Efesosy, Smyrna, Pergamosy, Tyatira, Sardisy, Filadelfia ary Laodikia. Ireo Fiangonana 7 ireo, dia hitantsika any Azia, nefa fantaro koa fa tsy ny endrika ivelany amin’ny maha-Fiangonana azy no zava-dehibe tiana ambara eto fa izy ao anatin’ny vatantsika tsirairay avy sy ny ho entiny !
Ireo Fiangonana 7 ireo no milaza ny Chakras 7 ao anatintsika olombelona tsirairay avy, ary voasoratra ao anatin’ireo Fiangonana tsirairay avy ireo, ny Lalana tokony handalovantsika eo amin’ny fiainantsika araka ny fandrosoan’ny Fanahintsika tsirairay avy.
Ka ireto omena antsika voalohany eto ireto, no Lalana andehanantsika raha vao teraka mandra-pahatongantsika ho Ateraka indray, izany hoe isika mbola Zanak’Andriamanitra. Marihiko fa tena zava-misy izy ity ary tena misy ao anatintsika fa isika no tsy nahalala, fa tsy Finoana ivelany apetraka akory. Izany hoe, milaza ny Spiritualité ao anatintsika.
1. Fiangonana Efesosy : (Mulhadara)
Ny Fiangonana Efesosy no mampiseho ilay chakra ambany indrindra, eo ambanin’ny hazon-damosina, izay antsoina ihany koa hoe Mulhadara ary mitondra ny Tany. Efa fantatry ny manam-pahaizana tandrefana ihany fa mitondra “zavatra” izy io, saingy tsy fantany tsara raha mitondra inona marina. Ry zareo Aziatika no efa nahalala tsara azy ity an’arivo taona maro lasa izay. Tsy mahagaga koa izany isika Malagasy raha mbola vaovao amin’izy ity.
Ity Chakra ity no mitondra ny Kundalini, hahafahantsika mamoaka ilay Fanahy ao anatintsika. Ity kundalini ity ihany koa anefa no tena tian’ilay Menarana tenenina ao amin’ny Baibolintsika Kristiana, nahatonga antsika nahalala ny “Tsara sy ny Ratsy” mba hahafahantsika manokatra tsikelikely ny Fiangonana telo voalohany, raha vao nanomboka ny 3ème Dimension, araka ny tantaran’I Adama sy Eva. Raha mbola ny Fiangonana Efesosy fotsiny anefa no voasokatra, dia mbola mila mino fotsiny aloha isika! Mbola tsy mahay tsara ilay Fanahy ao anatintsika.
Inona no entin’ny Fiangonana Efesosy na Mulhadara? Amin-drizareo Aziatika, ny olona eto dia mbola tsy mahalala firy afa-tsy ny zava-misy hitan’ny maso ihany, na ny “matière” ary mbola ao anatin’ny “Fitiavan-tena” na “Egoïsme” mihitsy. Noho izany, mila ampahalalana ny olona fa ny zavatra rehetra dia avy amin’Andriamanitra na avy amin’ny Fanahy avokoa. Ny tokony hoezahantsika dia ny fahaizana tsy mampiseho loatra na miaina amin’ity “fitiavan-tena” ity izay mitondra amin’ny ratsy, fa mila miala aminy ary miezaka mandeha amin’ny zava-misy iainana marina, satria izay misy dia marina, izany hoe: “tsy mandainga”.
Voaporofo ihany koa izany fomba fijery izany ao anatin’ilay Baibolintsika Kristiana manao hoe : “Satria efa niala tamin’ilay fitiavanao voalohany hianao. Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany ; …”. Mila miala amin’ilay “Fitiavan-tena te-ho tompony” na ny fitiavana “ny ivelany” isika. Ary izany no nampianarana ny ankizy, izay hitantsika amin’ny fitaizana Kristiana, mba hahalala sahady an’Andriamanitra, mba tsy ho tia-tena fa hahay hizara sy hiara-hiaina amin’ny hafa. Ary ny faharoa dia ny hoe : “Kanefa izao no toetranao : halanao ny asan'ny Nikolaita, izay halako koa.” Inona no asan’ny Nikolaita ? Mpandainga! Noho izany, raha fehezina izy roa ireo dia, tsy tokony ho tia-tena isika, ary tsy tokony handainga fa mila mahay miaina amin’ny zavatra tena misy satria ny zava-misy no marina!
Voalaza ao anatin’ny Efesosy ihany koa anefa, araka ny voalaza ao amin’ny Baiboly manao hoe : “Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin'ny hazon'aina, izay eo amin'ny Paradisan'Andriamanitra”, dia hita fa izay maharesy, izany hoe izay miezaka ka mahasokatra ilay Menarana izay mitondra ilay Fanahy ao anaty, dia mahazo ilay Hazo faharoa na ny “Hazon’Aina”. Io Hazon’Aina io no azontsika aorian’ilay Fifohazana faharoa na ilay “Eveil de conscience”. Raha tsy tafafoha isika, ka tsy mahazo io Hazon’Aina io dia tsy tokony hanantena ny hahazo ny Paradisan’Andriamanitra.
2. Fiangonana Smyrna : (Svadhishthana)
Ny Fiangonana Smyrna dia mampiseho ilay Chakra faharoa, mipetraka mifanitsy amin’ny foatra, izay antsoina ihany koa hoe Svadhishthana ary mitondra ny Rano. Rehefa tonga eto amin’ity Chakra faharoa ity isika dia tokony hahatsapa tena fa tokony hihetsika, hanao zavatra satria olona manana hery isika, afaka ny hiatrika ny fiainana ary tsy tokony ho kivy fa hahay handroso hatrany na inona fitsapana andalovantsika.
Voamarina ihany koa izany ao amin’ny Baiboly hoe “Aza matahotra izay hiaretanao; indro ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra hianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, …” Mila olona mazoto, tsy mora kivy Andriamanitra, ary tena hitsapa antsika mihitsy Izy. Mila vonona miatrika ny fiainana isika na inona zavatra rehetra mety mandalo. Mila “Positif” isika. Mandalo amintsika izy ity amin’ny fahatanorana iny, ka tokony hiezaka isika tanora mba tsy hiandry fotsiny, mba tsy hivadika ho olona “négatif” indray, fa hahay hihetsika, hahay hiasa, hahay hampiseho ny maha-antsika antsika, ho tena olon-dehibe atsy aoriana. Eto dia tsy mbola taitra ilay Fanahy noho izany, mbola mila hiainana eto ny “Finoana”. Nefa, mila mahay manome ny hafa ihany koa.
3. Fiangonana Pergamosy : (Manpura)
Ny Fiangonana ao Pergamosy dia mampiseho ilay Chakra fahatelo, mifanitsy amin’ny Sarakaty, na antsoina ihany koa hoe : Manpura ary mitondra ny Afo. Ny teny hoe Manpura dia entin’ny teny roa hoe “Man” izay midika hoe : “mieritreritra, mino, mandalina, mandinika, mahazo, miara-teraka, manome lanja”; sy ny teny faharoa hoe “Pura” izay midika hoe: “Feno, afa-po ary tafaray”. Misokatra izy ity rehefa manomboka mivadika ho “olon-dehibe” mahazo ny fiainana isika ary afaka mampiseho ny maha-antsika antsika.
Raha hazavaina kely ilay Manpura dia midika fa isika olombelona dia natao hahay hampitombo ny fahalalana ao anatintsika fa tsy tokony hijanona amin’izao. Miainga aloha isika avy amin’ny fahaizana mieritreritra sy mino. Nefa tsy mijanona amin’izay finoana izay fotsiny fa mahay mandinika ihany koa ary mahay mandalina mba hahazo tsara ny tena zava-misy eo amin’ny fiainana. Rehefa tena mahalala na mahay isika dia afaka hiaina amin’izay amin’ilay fiainana aorian’ny fahaterahana vaovao, mba hiara-hiaina amin’ilay Fanahy ao anatintsika ary afaka ny hanome lanja Azy ity. Aorian’ity Fahaterahana vaovao ity dia lasa ho Feno isika ary ho Afa-po satria Tafaray amin’ilay Fanahy ao anatintsika izany hoe, tafaray amin’Andriamanitra.
Hita taratra ato anaty Baiboly fa misy marina ny fampianarana tokony handalovan’ny olona tsirairay eto, izany hoe mila mianatra mba handroso sy hahazo, fa tsy mino fotsiny isika. Saingy ny olona no tsy mahay mitondra ny fampianarana tokony andehanany fa manao zavatra tsy araka ny tokony ho izy. Tsy tokony hijanona amin’ny fampianarana mba hahazo fotsiny koa anefa isika, na hahay lesona ny tantaran’ny Baiboly nefa tsy hahay hiaina marina ao anatiny, fa tokony hahay hanohy hiara-teraka na hiara-hiaina amin’ny Fanahy ao anatintsika mihitsy. Mila ezaka avy amintsika manokana izany, fa tsy tonga dia omen’Andriamanitra ny tsirairay foana rehefa mino, araka ny voalaza ao amin’ny Baiboly, manao hoe : “Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin'ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr'olona afa-tsy izay mandray azy ihany”! Izany hoe, izay maharesy na mahasokatra ilay Fanahy ao anaty, ilay Kristy ao anaty, avy amin’ny ezaka ataony, dia hahazo ilay mana miafina, ilay fahaizana tsy ananan’ny hafa satria tsy mandeha amin’ny “mémoire” intsony fa mandeha amin’ny “intelligence”, ary mahazo ihany koa ilay vato fotsy izay hisy ny anaram-baovao ho azon’ny mpandresy, satria isika ateraka indray.
Izay indrindra no maha-fahateraham-baovao azy ity na Eveil de conscience, ary izany tokoa no iainan’ny olona tonga amin’ity Eveil de conscience ity, satria manova antsika tanteraka ary hahazoantsika anaram-baovao izy ity, dia isika tafaray tanteraka amin’Andriamanitra amin’izay manomboka eto.
Rehefa tonga amin’ny “miara-teraka” isika, na “Fifohazana” na “Eveil de conscience” vao tena taitra ilay Fanahy ao anatintsika ary manomboka eto dia afaka hikambana tsikelikely Aminy, na ilay “Kristy” ao anaty, na ilay “Moi supérieur” amin’izay ilay “Moi inférieur” na ilay “Personnalité” izay mbola nandeha irery teo aloha, ka ho iray ihany izy roroa.
Nolazaina isika fa mbola Zanak’Andriamanitra satria mbola tsy feno, tsy afa-po ary tsy tafaray Aminy. Rehefa feno kosa isika, rehefa mitambatra ilay Moi inférieur sy ilay Kristy ao anatintsika dia mihamivadika tsikelikely ho Andriamanitra amin’izay isika. Izay no hojerentsika amin’ny Fiangonana 4 ambiny, izay efa ao anatintsika ihany.
NORO KRISTY
15/12/2024
14/12/2024
13/12/2024
12/12/2024
11/12/2024