06/01/2026
✨"Koa mandehana hianareo Dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra"✨ ➖ Matio 2️⃣8️⃣ : 1️⃣9️⃣🅰️
👑 VONINAHITR'ANDRIAMANITRA IRERY IHANY
🙏 Nentina am-bavaka manokana, tamin'ny Alahady 0️⃣4️⃣ janoary 2️⃣0️⃣2️⃣6️⃣, ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitra, hirosoana amin'ny fampisiana MARAIM-BAOVAO, isan'andro eto amintsika FLM Androhibe Finoana.
🙏 Isaorana an'i , lohan'ny Fiangonana, Tompon'ny asa koa fa nataoNY tanteraka ka nanomboka santatra ny Alatsinainy 0️⃣5️⃣ janoary 2️⃣0️⃣2️⃣6️⃣ ary efa nitohy anio, ny fotoam-pivavahana, fotoam-pifohazana maraim-baovao, iantsoan'i Jesosy antsika rehetra hiasaNY sy hampahereziNY amin'ny alalan'ny TeniNY, ny Asa sy Fampaherezana, isan'andro (Alatsinainy, Talata, Alarobia, Alakamisy, Zoma, Sabotsy) miditra amin'ny 06:00 - 07:05Ora maraina, eto amintsika.
🙏 Ianao miasa fatratra sy mavesatra entana, hoy JESOSY aminao : "Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa IZAHO no hanome anareo fitsaharana." ➖ Matio 1️⃣1️⃣ : 2️⃣8️⃣