09/05/2023
1980-2023, feno 43 taona ny Kung Fu nentin'i Grand Maitre Pierre Mizael teto Madagasikara 🇲🇬, nanafatra izy ny février 1984 hoe: "raha misy OLONA MILA VONJY aminao, aza roahina izy fa lasa double indray ny TROSANAO"
Ho fankalazana ny faha 43 taona dia Io hafatra io no niombonan'izy ireo hotanterahan'ireo mpikatroka Kung Fu tsy hankanavaka izany hoe na ireo mpianany nampianariny mivantana na ireo mpianatra nampianarin'ny mpianany taty aorian'ny 1985 tamin'ity androany 06 mai 2023 ity ka nanomezan'izy ireo Ra❣️ hoan'ireo marary MILA VONJY tamin’ny faritra maro manerana ny Nosy, ohatra iray ny avy tao Beloha Faritra Androy.
Nitarika ny teto Analamanga, izay natao tao amin'ny HJRA Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, ireo zokibe SP Jeremie, SP Hubert, SH Donna, SH Mamy Tidahy, Maître Dr Delphine mpianatry Grand Maître Pierre Mizael sy i Grand Maitre Avoko zanaka lahamimatoa Grand Maitre Pierre Mizael no Filohan'ny FEDERATION MALAGASY DE KUNG FU WISA (F.M.K.F.W ) ankehitriny niaraka tamin'ny Birao ary ireo SI-LOU-CHE marobe sy ireo Loholona Wisa.