08/07/2022
Mandraisa anjara e!
🎉Ny Fifaninanana Famoronana « Ny omaly sy ny ampitson’ny fifandraisana eo amin’i Chine sy i Madagasikara, izay tonga eo amin’ny faha-50 taona nisiany » dia miandry ny fandraisanao anjara!
Amin’izao fankalazana ny faha-50 taona nisian’ny fifandraisana ara-diplomatika teo amin’i Chine sy i Madagasikara, ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny malagasy, ny masoivohon’i Chine eto Madagasikara, ary ny vondrona TV Plus Madagascar (antsoina hoe « Mpikarakara ») dia mikarakara ny Fifaninanana Famoronana 2022 mitondra ny lohahevitra hoe " Ny omaly sy ny ampitson’ny fifandraisana eo amin’i Chine sy i Madagasikara, izay tonga eo amin’ny faha-50 taona nisiany " mba hampiroboroboana ny fifanakalozana ara-pirahalahiana eo amin'i Chine sy i Madagasikara ary koa ny fifankahazoana eo amin'ny samy Sinoa sy Malagasy.
I. Vanim-potoana fidirana
Manomboka anio ka hatramin’ny faran’ny volana aogositra 2022.
II. Fomba fandraisana anjara
Afaka mandefa ny asanao amin'ny mailaka ianao [email protected], Ampirahina amin’ny taratasy fisoratana anarana feno misy famelabelarana amin'ny teny miisa 500 fara-fahabetsany mikasika ny sangan’asanao. Ny mailaka alefanao dia tokony ahitana ny Anaranao-sokajy-Lohateny mba hiavaka amin'ny hafa rehetra (amin'ny teny sinoa, frantsay na malagasy ihany) (Ex: RAKOTOJean-Image-Fosa&Dragon).
Ny sangan’asa natolotra dia hosokajiana ho sokajy roa dia ny Sokajy sary sy ny horonan-tsary fohy. Ny sary pika, ny sary tanana ary ny sary hosodoko (afa-tsy ny fanambarambarana sary) dia hosokajiana ao amin'ny sokajy sary. Ny horonantsarimihetsika fohy sy ny “film d’animation” (halavany: 5 minitra) ao amin'ny sokajy horonan-tsary Fohy.
Ny sangan’asa dia tokony ahitana singa avy any Chine sy/na Madagasikara, maneho ny fifanakalozam-pirahalahiana eo amin’i Chine sy i Madagasikara, maneho ny vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Sinoa sy Malagasy nandritra ny dimampolo taona, na ny eritreritra ny mety ho fiaraha-miasa eo amin’ny Sinoa sy Malagasy amin'ny ho avy.
III. Fepetra fandraisana anjara
a. Ny mpandray anjara dia afaka miditra amin'ny anaran'ny olona iray, na vondrona iray, na fianarana sns. Ny mpandray anjara tsirairay dia afaka manolotra asa roa ho an'ny sokajy tsirairay;
b. Tokony ho mihoatra ny 1MB ary latsaky ny 20MB amin'ny endrika JPG na PDF ny haben'ny sangan'asan'ny sokajy sary. Ny sangan'asa sokajy horonantsary fohy dia tsy maintsy 720P farafahakeliny ary amin'ny endrika MP4;
c. Tsy ekena ny fangalan-tahaka ary ny mpandray anjara no tokony ho mpamorona ny sangan’asany. Ny mpandray anjara izay manolotra sangan’asa efa navoaka dia tsy maintsy manaporofo fa izy no mpamorona io sangan’asa io;
d. Ny asa dia tsy tokony ahitana singa mamoafady, herisetra, fanavakavahana ara-poko na singa tsy manaraka ny lalàna voafaritra ao amin’ny lalàn'i Chine sy i Madagasikara;
e. Ny asa dia tsy tokony ahitana singa dokam-barotra, toy ny logos, anarana na rohy tranonkala. Ny fototry ny asa dia tsy tokony ahitana dokam-barotra;
f. Angatahina ny mpandray anjara mba hitahiry ny rakitra tany am-boalohany mba ho porofo maha-tompon’ny sangan’asa azy mandritra ny fanamarinana ataon'ny mpikarakara;
IV. Loka
Loka voalohany: Mpandresy 2 (iray ho an'ny sokajy sary, iray ho an'ny sokajy horonantsary fohy), ho an'ny tsirairay mpandresy : solosaina Huawei ;
Loka faharoa: Mpandresy 4 (roa ho an'ny sokajy sary, roa ho an'ny sokajy video fohy), ho an'ny tsirairay mpandresy : finday Xiaomi ;
Loka fahatelo: Mpandresy 6 (telo ho an'ny sokajy sary, telo ho an'ny sokajy horonantsary fohy), samy manana famantaranandro Huawei Watch;
Loka sangan’asa malaza: 10 ny mpandresy, voafaritra araka ny “J'aime” an'ireo sangan’asa voafantina navoaka tao amin'ny pejy ofisialin'ny Masoivohon'i Chine eto Madagasikara ao amin'ny Facebook (). Fonosana iray misy “enceinte Bluetooth” sy “écouteurs sports” Huawei.
V. Fifidianana sy fanomezana loka
Fifantenana: Manomboka ny 1 ka hatramin'ny 25 septambra 2022
a. Hifidy sy hamaritra ny mpandresy voalohany sy faharoa ary fahatelo amin’ireo sangan’asa ireo ny mpitsara mialohan’ny 18 septambra.
b. Amin'ny 17 septambra, ny pejy Facebook ofisialin'ny Masoivoho no hamoaka ireo sangan’asa voafantin'ny mpitsara. Araka ny isan’ny “J’aime” azon’ny sangan’asa iray ao amin’ny pejy Facebook-n’ny Masoivoho no hamaritana ireo folo mpandresy hatramin’ny misasakalina ny 25 septambra. Tsy voafaritry ny sokajy voafidy hahazo ny loka goavana, ary mety ho efa mpandresy amin'ny loka hafa koa ny mpandresy amin'ny loka malaza.
c. Amin’ny faran’ny volana septambra 2022 ny lanonana mari-pankasitrahana ka hampahafantarina amin’ny alalan’ny TV Plus Madagascar sy ny pejy Facebook-n’ny Masoivohon’i Chine eto Madagasikara ny lisitry ny mpandresy. Aorian’ny lanonana dia havoaka amin’ny alalan’ny TV Plus Madagascar sy ny pejy Facebook-n’ny Masoivohon’i Chine eto Madagasikara ny sanganasan’ireo mpandresy.
VI. Copyright
a. Ny mpandray anjara dia tsy maintsy manana copyright feno amin'ny asa natolotra;
b. Raha misy fifandirana noho ny zon'ny mpamorona ny vontoatiny, mozika, marika, na mifandraika amin'ny laza, na zo sy tombontsoa ara-dalàna hafa, ny vokany sy ny fatiantoka dia ho an'ny mpandray anjara.
c. Ny mpikarakara dia manan-jo hanova, mizara, mampiranty, mamoaka, mampahafantatra amin’ny endrika rehetra ny sangan’asa voafantina. Ny mpikarakara dia hanome voninahitra ny mpamorona rehefa mampiasa ny asa natolotra. Ny mpandray anjara rehefa mandray anjara dia manome avy hatrany alalana ny mpikarakara hampiasa (fa tsy hitaky tambiny) ny sangan’asany ;
d. Ny mpikarakara no mamaritra ny fitsipika mifehy ity hetsika ity.
--------------------------------------------------------------
🎉Le Concours de Créativité « Le Passé et le futur : le cinquantenaire des relations sino-malagasy » attend votre participation !
À l’occasion du 50e anniversaire de l’établissement des relations diplomatiques entre sino-malagasy, l’Ambassade de Chine à Madagascar et TV Plus Madagascar (ci-après appelé « organisateur ») sont contents de lancer le Concours de Créativité « Le Passé et le futur : le cinquantenaire des relations sino-malagasy » pour promouvoir les échanges amicaux entre la Chine et Madagascar ainsi que la compréhension mutuelle entre les peuples Chinois et Malagasy.
I. Période de participation
À partir d’aujourd’hui jusqu’à fin août.
II. Façon de participation
Vous pourriez soumettre vos œuvres par e-mail au [email protected], en joignant également la fiche d’inscription remplie contenant une présentation en 500 mots maximum de l’œuvre. L’objet du mail devrait contenir votre Nom-Catégorie-Titre pour qu’il soit distinctif de tous les autres (uniquement en chinois, français ou malagasy) (Ex : RAKOTOJean-Image-Fosa&Dragon).
Les œuvres soumises seront classifiées en deux catégories, soit Catégorie d’image et Catégorie de vidéo courte. La photographie, le dessin et la peinture (sauf l’assemblage d’images) seront classées dans la Catégorie d’image. L’animation et la vidéo courte (durée au maximum : 5 minutes) dans la Catégorie de vidéo courte.
Les œuvres devraient contenir des éléments de Chine et/ou de Madagascar, refléter les échanges amicaux Chine-Madagascar, présenter les fruits de coopération sino-malagasy durant les cinquante années ou l’imagination de la coopération sino-malagasy possible dans le futur.
III. Conditions de participation
a. Les participants peuvent s’inscrire au nom de l’individu, de groupes ou d’institutions, etc., chaque participant peut soumettre jusqu’à deux œuvres pour chaque catégorie ;
b. La taille des œuvres de Catégorie d’image doit être plus de 1 Mo et inférieures à 20 Mo au format JPG ou PDF. Les œuvres de Catégorie de vidéo courte doit être d’au moins 720P et au format MP4;
c. Aucun plagiat n’est accepté et le participant devrait être l’auteur de l’œuvre. Le participant qui soumet une œuvre déjà publiée doivent prouver qu’il est l’auteur de cette œuvre ;
d. L’œuvre ne doit comprendre aucun élément de la pornographie, de la violence, de la discrimination raciale ou d’autres éléments illicites selon les lois de la Chine et de Madagascar ;
e. L’œuvre ne doit comprendre aucun élément publicitaire, tel que des logos, des noms ou des liens de site Web. L’arrière-plan de l’œuvre ne doit comprendre aucune publicité ;
f. Les participants sont priés d’enregistrer eux-mêmes les fichiers originaux afin de les fournir lors de la vérification par l’organisateur ;
IV. Prix et lots
Premier prix : 2 gagnants (un pour Catégorie d’image, un pour Catégorie de vidéo courte), pour chacun un ordinateur portable Huawei ;
Deuxième prix : 4 gagnants (deux pour Catégorie d’image, deux pour Catégorie de vidéo courte), pour chacun un téléphone portable Xiaomi ;
Troisième prix : 6 gagnants (trois pour Catégorie d’image, trois pour Catégorie de vidéo courte), pour chacun une montre intelligente Huawei Watch ;
Prix de popularité : 10 gagnants, déterminés selon les Likes des œuvres présélectionnées postées sur la page officielle de l’Ambassade de Chine à Madagascar sur Facebook (). Pour chacun un pack d’enceinte Bluetooth et écouteurs sports Huawei.
V. Sélection et Remise des prix
Sélection : Du 1er au 25 septembre 2022
a. Le jury sélectionnera et déterminera le Premier, deuxième et troisième prix des œuvres avant le 18 septembre.
b. Le 17 septembre, la page Facebook officielle de l’Ambassade postera les œuvres présélectionnées par le jury. Les dix gagnants sont déterminés en fonction du nombre de Likes de leur œuvre sur la page Facebook de l’Ambassade jusqu’à minuit du 25 septembre. Le Prix de popularité n’est pas déterminé selon la catégorie d’œuvre, et un gagnant de l’autre prix peuvent être également le lauréat du Prix de popularité.
c. Une cérémonie de remise des prix aura lieu vers fin septembre et la liste des gagnants sera annoncée via TV Plus Madagascar et la page Facebook de l’Ambassade de Chine à Madagascar. Après la cérémonie, les œuvres des gagnants seront publiées via TV Plus Madagascar et la page Facebook de l’Ambassade de Chine à Madagascar.
VI. Droits d’auteur
a. Les participants doivent posséder l'intégralité des droits d’auteur de l’œuvre soumise ;
b. Si un litige survient en raison des droits d’auteur du contenu, de la musique, d'une marque commerciale, ou liés à la réputation, ou de tout autre droit et intérêt légaux, les conséquences et les pertes seront à la charge de participant ayant soumis la vidéo ;
c. L’organisateur a le droit d’éditer, de diffuser, d'exposer, de publier, de recommander et de procéder à toutes autres formes de promotion et de publicité des œuvres sélectionnées. L’organisateur créditera l’auteur lors de l’utilisation des œuvres soumises. Les participants autorisent l’organisateur à utiliser les droits de propriété intellectuelle (mais non à revendiquer leur paternité) de leurs œuvres lorsqu'ils soumettent leurs contributions ;
d. Le droit d’interprétation final de cet événement appartient à l’organisateur.