09/05/2026
📢 CONFÉRENCE DE DÉBAT – ADY AMIN’NY KOLIKOLY AMIN’NY FANADINAM-PANJAKANA
Nofaranana tao Fort-Dauphin, Faritra Anôsy, ny “conférence de débat” nokarakarain’ny fikambanana Nofy i Androy, izay notanterahina ny 06 Mey 2026 tao amin’ny Chez Rosii Iaboloha.
Tanteraka soa aman-tsara ny hetsika, ary nahitana fifanakalozan-kevitra, fandrosoana vahaolana, ka nahafahan’ny rehetra nandray lesona sy naneho hevitra momba ny ady amin’ny kolikoly mandritra ny fanadinam-panjakana.
Nanatrika izany ireo tompon’andraikitra sy mpiara-miombon’antoka maro, isan’izany:
Ny Inspecteur de Police
Ny solontena avy amin’ny Gendarmerie
Ny Adjointe au Préfet
Ny solontena avy amin’ny Région Anôsy
Ny DREN sy ny CISCO ary ireo mpiara-miasa aminy
Ireo Chef ZAP
Ireo Proviseur sy Directeur d’école (miankina sy tsy miankina)
Mpampianatra avy amin’ny Université
Ireo Ray aman-dReny To-teny manerana ny Faritra AnĂ´sy
Mpampianatra sy mpianatra maro, indrindra ireo bacheliers
Ary ireo filohan’ny association samihafa.
Isan’ny mpanatrika : 106
Autorités : 25
Mpampianatra : 27
Mpianatra : 42
Ray aman-dReny To-teny : 12
Tanjona :
Hanomezana lanja ny fampia arana, miorina amin’ny rariny sy fahamendrehana.
Hampahafantatra ny voka-dratsin’ ny kolikoly amin’ny fanadinana
Hanabe sy hanentana ny tanora ho tompon’andraikitra amin’ny hoaviny.
Andao hiara-hientana!
Ho an’ny fanabeazana madio sy mendrika ho an’ny taranaka.
08/05/2026
📢 Anisan’ny andraikitra sahanin’ny Nofy i Androy ihany koa ny fanabeazana sy fanofanana ny ankizy ary tanora ho lasa mpandraharaha afaka mandray anjara amin’ny fampandrosoana.
Noho izany dia nandray anjara tamin’ilay hetsika :
“Quelle est la valeur de l’idée dans l’entrepreneuriat ?”
ny Coordonnatrice Nationale-n’ny Nofy i Androy, Ramatoa Rindra Razafindratsimba, izay notontosaina teto Ambovombe ny 08 Mai 2026.
✨ Mino izahay fa ny hevitra tsara sy ny fahalalana dia fototry ny fahombiazana.
https://www.facebook.com/share/p/1EGGF8yXMz/?mibextid=wwXIfr
06/05/2026
📢 CONFÉRENCE ÉDUCATIVE
🚫 ADY AMIN’NY KOLIKOLY MANDRITRA NY FANADINANA
🎓 Ny fikambanana Nofy i Androy dia manasa am-panajana ireo :
Mpanabe, Ray aman-dReny, Tompon’andraikitra ary Mpianatra rehetra
hanatrika fihaonana lehibe hiadiana amin’ny kolikoly amin’ny fanadinana.
📍 Toerana sy Daty
đź“… 06 Mai 2026
📌 Fort-Dauphin
🏠Ao amin’ny : Chez Rosii Iaboloha
đź•’ Ora : 14h00
🗣️ Lohahevitra
“Ia ty handimbe maray aman-kerone ?”
🎯 Tanjona
✔️ Hampivelatra ny fahitsiana sy ny soatoavina (éthique)
✔️ Hanamafy ny fahamarinan-toetra ara-pianarana (intégrité académique)
✔️ Hamporisika fanadinana madio sy tsy misy hosoka
✔️ Hampahatsiahy fa ny fahombiazana tena izy dia avy amin’ny ezaka sy faharetana
✊ Antso ho amin’ny fihetsika
Andao hiara-hijoro isika,
hiaro ny fahamarinana sy ny hoavin’ny taranaka !
✨ Ho an’ny fanabeazana mendrika :
đźš« Atsaharo ny kolikoly
✔️ Fanadinana mangarahara sy ara-drariny
✔️ Fanadinana madio, tsy misy hosoka
✔️ Fanombanana mifototra amin’ny fahaiza-manao marina
✔️ Rafitra fanadinana azo itokisana sy mitombina
✔️ Fahombiazana azo amin’ny ezaka fa tsy amin’ny fitaka
04/05/2026
📢 NOFY I ANDROY ÉCOLE
🎓 FANADINANA EPS BEPC 2026
Tonga niatrika am-pahavitrihana sy fahavononana tanteraka ny fanadinana “EPS BEPC” ireo ankizy vavy mpianatra ato amin’ny Sekoly Nofy i Androy, androany 04 Mai 2026, izay notanterahina teny amin’ny Lycée Ambovombe.
đź’Ş Naneho herim-po, faharetana ary finiavana izy ireo nandritra ny fanadinana, ka maneho sahady ny ezaka sy fanomanana nataony.
🙏 Mirary fahombiazana hatrany ho anareo rehetra, ary mankahery anareo hanohy hanome ny tsara indrindra hatrany!
Nofy i Androy
“Studying For Success and Progress – Mianatse Mba Ho Tafita Sady Tafakatse”
02/05/2026
📢 NOFY I ANDROY ÉCOLE
🎓 FIZARANA CONVOCATION – ÉPREUVE EPS BEPC 2026
Hotanterahina amin’ny Alatsinainy 04 Mai 2026 ny fanadinana EPS BEPC, dingana iray lehibe ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana.
Efa notanterahina ny fizarana convocation ho an’ireo mpianatra ato amin’ny Nofy i Androy École, izay hiatrika izany fanadinana izany.
23 ireo mpianatra kilasy 3ème ato amin’ny Nofy i Androy no hiatrika ny épreuve EPS amin’ity taona 2026 ity.
Mirary fahombiazana sy fahasalamana ho an’izy rehetra amin’izao dingana manan-danja izao.
Mankahery anareo hatrany izahay mba hanome ny tsara indrindra!
“Studying For Success and Progress – Mianatse Mba Ho Tafita Sady Tafakatse”
01/05/2026
🇺🇸Athough managing and finding revenue streams for Nofy i Androy is challenging, it truly makes us happy when the students are thankful. Knowing they will become somebody one day keeps us going.
❤️Go NiA❤️
🇲🇬Mba faly ery rehefa mahazo MP avy amin’ny mpianatra Nofy i Androy toy izao. Faly satria na mafy aza ny fitadiavambola hiantohana mpianatra efa ho 800 sy staff 92 dia velombolo izahay rehefa mahay mankasitraka ny mpianatra misitraka ny fanampiana, ary inoanay fa hanana anjara toerana lehibe eo anivon’ny fiarahamonina izireo.
❤️Alefa NiA❤️
30/04/2026
📢 CONFÉRENCE ÉDUCATIVE
🚫 ADY AMIN’NY KOLIKOLY AMIN’NY FANADINAM-PANJAKANA
Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Nofy i Androy amin’ny fanabeazana madio sy mangarahara.
Notanterahina soa aman-tsara ny « conférence-débat » hiadiana amin’ny kolikoly mandritra ny fanadinam-panjakana, izay natao teto Bezaha, Distrikan’i Betioky Atsimo, ny 25 Aprily 2026, tao amin’ny Restaurant Belle Marie.
👥 Fandraisana anjara
Nandray anjara mavitrika tamin’izany ireo:
• Solontenan’ny CISCO (Chef ZAP)
• Mpampianatra
• Mpianatra
• Ray aman-dreny
AMPEAGNE AUTORITÉS LOCALES ILAE REY TOY.
👉 Maneho izany fa iaraha-mientana ny ady amin’ny kolikoly, satria olana iombonana izy io.
🗣️ Lohahevitra (Thèmes)
• “Stylo fangaly ay anito.”
• “Ia ty handimbe maray aman-kerone ?”
• “Mianatse mba hahay, fa tsy mianatse mba ho afa-pagnadignagne avao.”
📊 Isan’ny mpanatrika
• Autorités : …
• Mpampianatra : …
• Mpianatra : …
• Ray aman-dReny : …
🎯 Tanjona
Hampihenana sy hanafoanana ny kolikoly amin’ny fanadinam-panjakana, mba hiantohana:
• ny fahamarinana
• ny mangarahara
• ary ny kalitaon’ny fanabeazana
🙏 Isaorana manokana ireo tompon’andraikitra rehetra sy ny mpanatrika, izay nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ity hetsika ity.
✊ Aoka isika hiara-hijoro amin’ny:
✔️ fanabeazana madio
✔️ fanabeazana miorina amin’ny fahamarinana
👉 Satria ny fanabeazana tsara no antoky ny hoavy mamiratra.
23/04/2026
📢 CONFÉRENCE ÉDUCATIVE
🚫 ADY AMIN’NY KOLIKOLY MANDRITRA NY FANADINANA
🎓 Ny fikambanana Nofy i Androy dia manasa am-panajana ireo :
Mpanabe, Ray aman-dReny, Tompon’andraikitra ary Mpianatra rehetra
hanatrika fihaonana lehibe hiadiana amin’ny kolikoly amin’ny fanadinana.
📍 Toerana sy Daty
đź“… 25 Avril 2026
📌 Bezaha
🏠Ao amin’ny : Belle Marie
đź•’ Ora : 14h00
🗣️ Lohahevitra
“Ia ty handimbe maray aman-kerone ?”
🎯 Tanjona
✔️ Hampivelatra ny fahitsiana sy ny soatoavina (éthique)
✔️ Hanamafy ny integrité académique
✔️ Hamporisika fanadinana tsy misy hosoka
✔️ Hampahatsiahy fa ny fahombiazana tena izy dia avy amin’ny ezaka
✊ Antso ho amin’ny fihetsika
Andao hiara-hijoro isika,
hiaro ny fahamarinana sy ny hoavin’ny taranaka !
✨ Ho an’ny fanabeazana mendrika :
đźš« Atsaharo ny kolikoly
✔️ Fanadinana mangarahara sy mifototra amin’ny fahamarinana
22/04/2026
📢 CONFÉRENCE ÉDUCATIVE – ADY AMIN’NY KOLIKOLY AMIN’NY FANADINAM-PANJAKANA.
Mitohy hatrany ny ezaka. Notanterahina soa aman-tsara indray ny “conférence-débat” hiadiana amin’ny kolikoly mandritra ny fanadinam-panjakana, nokarakarain’ny fikambanana Nofy i Androy, tao amin’ny Distrikan’i Beloha Androy, ny 22 Aprily 2026.
Nanatrika izany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy mpiara-miombon’antoka, porofo fa iaraha-mientana ny ady amin’ny kolikoly.
Mino sy manantena izahay fa hisy vokatra azo tsapain-tanana ny hetsika izay natao.
Ankasitrahana manokana ireo tompon’andraikitra, izay tonga nanatrika izany.
Anisan’izany:
Chef District Beloha
Président ny Université Anjombankilala Androy (UAA)
Solontenan’ny CISCO (Chef ZAP)
Proviseur Lycée Beloha
Formateur CFP
Mpampianatra, mpianatra ary ray aman-dreny
🗣️ Lohahevitra (Thème)
“Stylo fangaly ay anito.”
“Ia ty handimbe maray aman-kerone ?”
“Mianatse mba hahay, fa tsy mianatse mba ho afa-pagnadignagne avao.”
👥 Isan’ny mpanatrika:
Autorités : 09
Mpampianatra : 04
Mpianatra : 23
Ray aman-dReny : 14
🎯 Tanjona
Hampihenana ny kolikoly amin’ny fanadinam-panjakana, izay manimba ny vali-panadinana sy ny hoavin’ny taranaka.
✊ Aoka isika hiara-hijoro!
Ho fanabeazana madio, mangarahara ary manome lanja ny fahalalana marina, antoky ny hoavy tsaratsara kokoa.
21/04/2026
📢 CONFÉRENCE ÉDUCATIVE
🚫 ADY AMIN’NY KOLIKOLY MANDRITRA NY FANADINANA
🎓 Nofy i Androy dia manasa am-panajana ireo :
Mpanabe, Ray aman-dReny, Tompon’andraikitra ary Mpianatra rehetra
hanatrika fihaonana lehibe hiadiana amin’ny kolikoly amin’ny fanadinana.
📍 Toerana sy Daty
đź“… 22 Avril 2026
📌 Beloha – Andaboly
🏠Ao amin’ny : Gouter Délice
đź•’ Ora : 14h00
🗣️ Lohahevitra
“Ia ty handimbe maray aman-kerone ?”
🎯 Tanjona
✔️ Hampivelatra ny fahitsiana sy ny soatoavina (éthique)
✔️ Hanamafy ny integrité académique
✔️ Hamporisika fanadinana madio, tsy misy hosoka
✔️ Hampahatsiahy fa ny fahombiazana tena izy dia avy amin’ny ezaka
✊ Antso ho amin’ny fihetsika
Andao hiara-hijoro isika,
hiaro ny fahamarinana sy ny hoavin’ny taranaka !
✨ Ho an’ny fanabeazana mendrika sy marina :
đźš« Tsy misy kolikoly
✔️ Fanadinana madio sy ara-drariny
20/04/2026
INTERNAT - Nofy i Androy
SAMBETIANA Florence “bénéficiaire” ato amin’ny Nofy i Androy, “universitaire” mpianatra any Antsirabe, “3ème année en soins infirmiers “ao amin’ny SEFAM (Sekoly Fanomana Mpitsabo).
Nisy fotoana izy nitsidika ny internat ato amin’ny Nofy I Androy ka nizara tamin’ireo ankizy vavy mipetraka ao ny traikefany, indrindra momba ny “discipline” izay manampy azy amin’ny fianarany sy ny fiainany andavanandro.
Nisy fifampizarana sy fifanakalozana ary indrindra fampaherezana, izay nanampy ireo ankizy hahazo hery sy hanamafy ny tanjony amin’ny fianarana.
📌 Marihina fa 21 ireo ankizy vavy tezaina sy tohanana ao amin’ny Internat Nofy i Androy.
🙏 Misaotra betsaka an’i SAMBETIANA Florence tamin’ny fizarana sy ny fanoloran-tenany.