13/06/2025
Fotoanan'ny firehetana mamaivay
🔆 Efa mamaraparana ny asany Ny Ray, izay nolazainy tsy maintsy TO sy TANTERAKA,
🔆 Betsaka izay nolazainy no efa hitantsika fa niseho, raha tsy hitanisa afa-tsy ireto vitsivitsy ireto; ny fampodiany ny Israely olony avy amin'ny fahababoana, fitsanganan'ny firenena Israely indray, ny lamin'asa rehetra mahakasika ny fananganana fanintelony ny tempoly eo Jerosalema, ny aviavy manaroka, ireo voalazan'ny Matio 24, Lioka 21, Marka 13: areti-mandringana, ny horohoron-tany, ny ady sy filazana ady sy ny sisa;
➡Mamaraparana hoy aho satria dia efa niroso tamin'ny Voalazan'i Jeremia 49 isika ary eo amin'izay mahakasika indrindra an'i Elama isika izao;
🔆 Io famotehana an'i Elama io no mitondra antsika amin'ny adin'i Goga sy Magoga, izay famotehana indray an'i Israely saingy tsy ho tanteraka satria hiditra an-tsehatra Ny Ray ka Izy mihitsy no hanakana ny ady, hamono sy handrava ireo tafika LEHIBE tarihin'i Goga avy ao Magoga;
SATRIA, "HENOY TSARA" : RAHA TSY TAFIOMANA AMIN'IZAO FOTOANA IZAO IANAO, DIA HO TAVELA AO AMIN'NY , izay aharitra 7 taona eo ho eo, 1260 andro, miampy fetr'andro 1 (taona 1) sy fetr'andro 2 (taona 2) ary antsasaky ny fetr'andro (tapa-taona), tsara ny manamarika tsy fanisana taona gregoriana io, voalaza fa nohafohezina io andro fahoriana lehibe io.
➡Averiko tsara fa raha tsy tafiomana izao ianao dia ho tavela, satria ho tapitra ny fotoanan'ny FANAHY MASINA na ny fotoanan'ny FAHASOAVANA, tsy maintsy izao ka mandra-pahatapitr'io adin'i Goga io isika no MIREHITRA BE, raha tsy izay dia tsy ho alain'i Kristy ary hanendry ny fahatezerana.
🔆 Ahoana ilay hoe FIREHETANA, ahoana ilay hoe MIREHITRA MAMAIVAY?
🔴 Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny là lako ny teninao Salamo 119, 105
🔴 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. Jaona 6, 54
🔴 Raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona sy misotro ny rà ny ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo. Jaona 6, 53
🔴 Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana Jaona 5, 12
🔴 Manoroha ny Zanaka, fandrao ho tezitra Izy, ka ho very eny an-dà lana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy. Salamo 2, 12
🔅 Tsy maintsy mirehitra isika, mila atao mazava be ilay Fanilo, tsy mety mazava anefa io raha tsy ny TENIN'ANDRIAMANITRA irery ihany, Jesoa no tenin'Andriamanitra, MILA HOHANINTSIKA NY TENANY, SOTROINTSIKA NY RANY,
Mila mihinana sy misotro ny Tenin'Andriamanitra isika, sady tsy kely fa tena mihinana sy misotro be mihitsy, mila FENOINA NY FANAHY.
🔆 ATAOVY IZAY AMPIREHITRA MAMAIVAY anao, mba ho hitan'ny Anjely rehefa hp eo amin'ny rahon'ny lanitra Jeso, raha tsy izany dia ho tavela amin'io FAHORIANA LEHIBE 7 taona io ianao, nefa tena MAFY tena MAFY io, fahoriana tsy mbola nisy hatrizay no sady tsy hisy intsony.
🔵 SAMIA ARY MIOMANA, SAMIA MIHINANA SY MISOTRO NY TENIN'ANDRIAMANITRA, tena "abondamment" hoy ny fiteny frantsay, arak'izay tratra be indrindra na hoe "maximum", tsy androany ihany fa isanandro mandra-pihaviny.
, Izay vonona no mandeha
fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lo intsony, ary isika hovana
1Korintiana 15, 52
Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin'i Kristy no hitsangana aloha; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika.
1Tesaloniana 4, 16 - 17
FIADANANA