20/11/2022
Salama ry vahoaka malagasy hizara an'ito affiche ito 🔥🔥🔥
🎤 Slam National 13ème édition
💥 24 novembre 2022 au 03 décembre 2022
🇲🇬 Antananarivo
Des invitées venant de 🇫🇷 et 🇩🇪
Asio tabataba be !!!
Isaorana sahady ireo mpiara-miombon'antoka sy ireo mpiara-misalahy ary ireo mpiara-miasa rehetra 🥰
Ifm Madagascar
Goethe-Zentrum Antananarivo/CGM
Direction des Arts, Culture et Vie Communautaire de la CUA
Ambassade de France à Madagascar
Le réseau des Alliances Françaises et Alliance française d'Antananarivo
Ambassade d'Allemagne Antananarivo
MVola
DAAD Lektorat Madagascar
ADMC CRAAM
IKMalagasy - Ivon-toeran'ny Kolontsaina Malagasy
Manda Spring
LIFT / Language Institute Field and Tourism
Ferme d'Ambohimanga
Rencontres du Film Court Madagasikara
Sandix
Tana-Jacaranda Guesthouse
Le garage
et bien d'autres encore...
© illustration credits : Why
13/11/2022
Mirary tontolo andro mahafinaritra ho antsika tsirairay avy :)
Iza avy no namako hikarakara zaridaina anio? Raha manana torohevitra mahasoa dia mba zarazarao :) mankasitraka indrindra.
13/11/2022
🇫🇷 Après plusieurs tentatives infructueuses de récupération du droit d'administration de ma page Ferme d'Ambohimanga, je me suis résigné à créer cette nouvelle page
https://www.facebook.com/profile.php?id=100087611777087
Je vous invite à partager celle ci au plus grand nombre 🙏
À très bientôt pour de nouvelles publications, en attendant prenez soin de vous...et de la Terre 😉
🇲🇬 Volana vitsivitsy izay dia nisy tsy valahara "ni-pirate" ny pejiko Ferme d'Ambohimanga. Natao ny ezaka rehetra hamahana ny olana hiverenan'ny "droit d'administration" saingy indrisy...
Sokafako ity pejy vaovao manaraka ity hanohizana ny fifampizaràna:
https://www.facebook.com/profile.php?id=100087611777087
Manàsa anao ary hanaraka sy hizara izany @ manodidina anao 🙏
Mankasitraka indrindra tompoko ary mirary soa ho anao 😊
28/07/2022
🇲🇬 Namana isany, mbola maro ianareo no miantso @ laharana finday +261 34 98 862 26, ny laharana finday misoratra eo @ pejy ihany no hafahana mifandray na ny mailaka [email protected] Misaotra indrindra.
🇫🇷 Chers permapotes, vous êtes encore nombreux à nous appeler sur le +261 34 98 862 26, nous vous informons que nous sommes seulement joignable sur le numéro affiché sur la page dorénavant ou par courriel [email protected] car cette personne ne fait plus partie de notre structure. Merci.
26/07/2022
Fantaro ary: NY TELO LAFIN’NY FAHOMBIAZANA ARA-PAMBOLENA na ny TRIANGLE DE LA REUSSITE AGRICOLE
Mila manao kajy rehefa mamboly.
1-NY RANO TSARA TANTANA
Ampiasao daholo ny teknika rehetra hahafahana mitsitsy rano toy ny fampiasana rakotra, “arrosage goute à goute”, fampiasana “Oya”, sns
Ezahina fehezina hatrany ambony no midina ny rano, toy ny hoe:
Fanamboarana tatatra fiarovana sy tatatra fitsihifan-drano manaraka ny tsipika mirahaabo mba hanakanana ny fandehanany rano sy itaherizana rano
Fambolen-kazo manodidina ny loharano
Fanajàna ny fitatarana ny rano mankany amin’ny tanimboly
Asa fikolokoloana isan-tokony
Sns
2-NY MASOMBOLY VOAFANTINA
Mba hahazoana vokatra tsara dia mampiasà masomboly voafantina sy voamarina. Manantona ireo ivon-toerana mpamokatra masomboly toy ny FOFIFA, FIFAMANOR, CEFFEL...
Raha ianao ihany no mamokatra ny masomboly dia safidio izay vokatra salama tsara sy matanjaka hangalàna masomboly. Soloy ny masombolinao rehefa nihodina telo taona taorian’ny nambolena azy.
3-NY ZEZIKA AMPY TSARA
Ny zezika ampy tsara dia zezika ahitàna ireo tsiro rehetra entina hamelomana ny voly. Telo amin’izy ireo no tena miasa betsaka (N, P, K), fa ny sisa kosa, izay tsiro madinika, miasa amin’ny fatra kely dia kely, kanefa tena manana ny anjara asany miaraka amin’iretsy singa telo voalohany.
Ny tsiro N (azota): miasa amin’ny fanamaitsoana sy ny famoazana
Ny tsiro P (fosfora): miasa amin’ny fahamatoran’ny tenan’ny voly ary miditra amin’ny famoazana koa
Ny tsiro K (potasy): miasa indrindra amin’ny fahamasahan’ny vokatra.
Ampy tsara ny zezika rehefa voahaja ireo fatran-jezika arakaraky ny voly atao.
Manana endrika maro izay zezika izay toy ny zezi-pahitra, ny komposta, ny rakotra maty, ny zezika ranony.
Antsaha
10/07/2022
Gain d'air pur grâce à ces plantes dépolluantes ! 🌬️