Ecole Théologique ADD Madagascar

Ecole Théologique ADD Madagascar

Share

Manofana mpitarika vonona hanompo mba hanatratra ireo firenena miaraka amin'ny herin'ny Fanahy Masina

31/05/2025

31/05/25
Deraina ny Tompo🙏
🔸Anio no fotoana lehibe famoahana ireo mpianatra nahavita tsara ny telo taona fianarana teto amin'ny Ecole Théologique ADD Madagascar
🔸Andiany faha-36 ahitana mpianatra 33 lahy sy vavy vita fiofanana misalitra ny anarana hoe: "Mpanompo Vonona hoamin'ny Irak'i Kristy"

29/10/2024

"FOTOANA IFANAOVANA AMIN'I JESOSY"
Seminera manokana iarahana amin'i Docteur Gavin Williams sy Glenda vadiny avy any Australia,
✅Hanasana antsika Pasteur Assemblée de Dieu rehetra miaraka amin'ny vadiny avy
✅Ny Talata 29- Alarobia 30- Alakamisy 31 Oktobra-Zoma 01 Novambra 2024
✅Isan'andro manomboka amin'ny 02 ora tolakandro ka hatramin'ny 03ora sy fahefany.
⛪Toerana: Ecole Théologique ADD Madagascar Alakamisy Anosiala

Manantena hihaona aminao


29/07/2024

FILAZANA
Fitsapana hidirana Taona voalohany (1ère Année) eto amin'ny Ecole Théologique ADD Madagascar
🔸Daty: Alakamisy 01 Aogositra @ 8 ora
🔸Toerana: ADD ANOSIBE

⚠️Zavatra mila homanin'ny mpiadina:
✅Taratasy fanamarinana avy @ mpitandrina ✅Taratasy fenoin'ny mpiadina (Afaka alaina ao Anosibe)
✅Photocopie CIN na kopia nahaterahana
✅Acte de mariage raha efa manambady
✅Visite médicale avy @ dokotera
✅Photocopie diplôme na filazam-pahaizana
✅2.000 ar hanaovana photocopie.
🚩Entina amin'io fotoana io ireo dossier ilaina ireo.


14/06/2024

🎥Interview Pst Rija Mamy Be Arthur Lala
🔸Filohan'ny Filankevi-pitantanana ny Fiangonana Assemblée de Dieu eto Madagasikara
🔸Filohan'ny Filankevi-pitantanana ny Ecole Théologique ADD Madagascar

©️Sary Viva - TVM

Photos from Ecole Théologique ADD Madagascar's post 14/06/2024

🎊SORTIE DE PROMOTION 2024🎊
📸Fotoana mamy feno ny Fanatrehan'Andriamanitra
Ecole Théologique Alakamisy Anosiala

🙏Arahabaina ny Andiany faha-35: "MPANOMPO MAHATOKY": Mivavaka sy mitsodrano anareo izahay hahomby amin'izay niantsoan'ny Tompo anareo, omban'ny herin'ny Fanahy Masina, arahana famantarana sy fahagagana.
✅Isaorana ireo manam-pahefana, manam-boninahitra isan'ambaratonga miaramila sy sivily tonga nanome voninahitra
✅Isaorana ireo Misionera rehetra nanome tonga nanotrona, singanina manokana amin'izany ny vahiny avy any Texas Etazonia, Rev. Irby McKnight (mivady) nitondra ny hafatr'Andriamanitra
✅Isaorana ny Filankevim-pitantanana ny Fiangonana Assemblée de Dieu eto Madagasikara izay tarihin'ny Filoha Rija Mamy Be Arthur Lala
✅Isaorana ireo mpitandrina isam-piangonana voasolotena ny Nosy
✅Isaorana ireo mpitarika ny fiangonana rahavavy tonga nanotrona
✅Isaorana ny fiangonana tonga nanotrona maro dia maro
✅Isaorana ny ankohonana sy ny fianakavian'ny mpianatra nahavita ny fianarana
🙏Omena fankasitrahana feno ny Komitim-pitantanana ny Ecole Théologique ADD Madagascar sy ny Tale Docteur James Thacker ary ireo mpampianatra sy mpiaramiasa rehetra

🙏An'Andriamanitra irery ny Voninahitra mandrakizay!

03/06/2024

🎊SORTIE DE PROMOTION 2024🎊
Andiany faha-35: "MPANOMPO MAHATOKY"
Asabotsy 08 Jona 2024
Manomboka @ 09:00 maraina
Ecole Théologique Alakamisy Anosiala

✅Hanasana ny fiangonana rehetra
✅Hanasana ireo mpitandrina isam-piangonana manerana ny Nosy

16/05/2024

MANA ISAN'ANDRO
“Misy mahafoy, nefa mitombofanana ihany; Ary misy fatra-pahihitra loatra, nefa tongamalahelo ihany.”
Ohabolana 11:24

07/03/2024

MANA ISAN'ANDRO
Eny, harem-be tokoa ny fivavahana ho an’ny olona mahay mianina amin’izay ananany.
1Timoty 6:6

Photos from Ecole Théologique ADD Madagascar's post 29/02/2024

28/02/24
Nanatanteraka ny Famangiana fahoriana ny mpianatra avy amin'ny kilasy telo ho mariky ny fiaraha-miory amin'ny fianakavian'ny Mpampianatra Misionera Jay Rostorfer noho ny fahalasan'ny reniny niteraka azy.

Mahaiza mihonona tompoko

28/02/2024

MANA ISAN'ANDRO
Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika Aminy.
1Jaona 5:15

22/02/2024

MANA ISAN'ANDRO:
Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy.
Jakoba 1:12

12/02/2024

MANA ISAN'ANDRO:
Maro ny fahorian'ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany.
Salamo 34:19

Want your school to be the top-listed School/college in Ambohidratrimo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Website

Address


ANOSIALA
Ambohidratrimo
105

Opening Hours

Tuesday 08:00 - 16:00
Wednesday 08:00 - 16:00
Thursday 08:00 - 16:00
Friday 08:00 - 16:00