02/06/2026
🚨 Ahoana no hisafidianana prestataire événementiel azo itokisana ?
Nisy tato ho ato ny ahiahin’ny olona maro momba ny prestataire amin’ny fanomanana événement. Ary mitombina tanteraka izany, indrindra rehefa misy ny expériences mampalahelo.
Saingy misy ihany koa ireo matihanina mijoro amin'ny marina, mahitsy ary miasa am-pahatsorana eto Madagasikara, izay tena miezaka manome tolotra tsara sy manaja ny mpanjifa.
Tsy ny hampatahotra no tanjona, fa ny hanampy anao hisafidy tsara.
Ireto misy torohevitra tsotra :
✅ Mangataha hijery asa tena nataony (réalisations, portfolio) sy hevitr’ireo mpanjifa taloha anaty groupes sy ireo prestataires hafa efa niara niasa taminy.
✅ Hamarino fa tena azo ifandraisana sy fantatra ilay prestataire : raha efa ela ny nisiany dia tokony manana coordonnées fiscales izy, ary raha traiteur matihanina izy tokony manana Agrément Traiteur.
✅ Aza mandoa vola feno mialoha raha tsy misy rafitra mazava ary manaova contrat misy ny détails rehetra nifanarahana.
✅ Jereo ny fomba fifandraisany : ny matihanina dia mazava, milamina ary manaja fotoana.
✅ Raha azo atao, dia jereo mivantana ny prestation mitovy amin’izay tianao alaina.
Ny prestataire marina dia tsy manafina na inona na inona, fa faly mampiseho ny asany, ny ekipany ary ny fomba fiasany.
💛 Ary ho an’ireo efa voafitaka na niaina expérience ratsy taloha, mankahery anareo izahay. Tsy tokony hahavery fahatokisana tanteraka izany, satria mbola misy ireo olona sy mpiasa mahitsy afaka manampy anao hanatanteraka ny nofinofinao amin’ny fomba mendrika sy azo itokisana.
Izahay ato amin'i Tumbu dia manohana tsena mangarahara sy matihanina kokoa, ho tombontsoan’ny mpanjifa sy ireo mpiasa mahitsy rehetra misehatra anatin'ny événementiel.