TourDalaotra

TourDalaotra Spécialisé dans le Tourisme ; Le Développement Local et l'Agriculture, bientôt dans l’ HÔTELLERIE

Tourisme durable ; Développement Local et Agriculture responsable

📢 FIANTSOANA FIVORIANA HO AN’NY MPANDRAHARAHA AMIN’NY FIZAHANTANYNy Chambre de Commerce et de l’Industrie Alaotra Mangor...
22/03/2026

📢 FIANTSOANA FIVORIANA HO AN’NY MPANDRAHARAHA AMIN’NY FIZAHANTANY

Ny Chambre de Commerce et de l’Industrie Alaotra Mangoro (CCI ALMAN) dia manasa ireo mpandraharaha rehetra misehatra amin’ny fizahantany eto amin’ny faritra, toy ny :

👉 Guide touristique
👉 Mpandraharaha hôtel fandraisam-bahiny,
👉 Mpandraharaha trano fisakafoanana
👉 Mpampanofa fiara.

📌 Tanjon’ny fivoriana :
* Hanangonana soso-kevitra hanatsarana ny sehatry ny fizahantany
* Handraisana ny fitarainana sy olana sedrain’ny mpisehatra
* Hifampizarana hevitra sy hitadiavana vahaolana maharitra

📍 Toerana : Efi-trano fivorian'ny Chambre de Commerce Ambatondrazaka
📅 Daty : Talata 24 Martsa 2026
🕘 Ora : 09 ora maraina

✨ Zava-dehibe ny fandraisan’anjaranareo tsirairay amin’ny fampandrosoana ny fizahantany eto amin’ny Faritra.

➡️ Tongava maro!

07/02/2026

🌾 RESAKA VIDIM-BARY : OLANA SY VAHAOLANA 🌾
Mitaraina ireo mpisehatra ara-bary aty Antsihanaka, satria ambany lavitra noho ny mahazatra amin’ny vanimpotoanam-pahavaratra isan-taona ny vidim-bary.
👉 750 Ariary ny kapoaka amin’izao fotoana izao an-tanàna
Any Andrenivohitra anefa, mitaraina ny mpanjifa satria lafo loatra ny vary, fa 950 Ariary ny kapoaka ny varin’Antsihanaka.
🔎 Midika izany fa ireo mpanelanelana no mahazo tombony betsaka be :
💰 200 Ariary isaky ny kapoaka
💰 550 Ariary isaky ny kilao (rehefa esorina ny frais sy ristourne izay 200 Ariary )
💰 550 000 Ariary ny tombony amin’ny varifotsy iray taonina 👉 Volabe tokoa izany !
✅ VAHAOLANA VOALOHANY (haingana sy mahomby)
Ny Entrepreneuriat Social et Solidaire no iray amin’ireo vahaolana tena ilaina.
🔹 Ireo vondrona mpisehatra ara-bary ao anatin’ny Commune iray dia :
Mamantatra mazava ny habetsahan’ny stock misy aminjareo
Mitady fiarahamiasa mivantana amin’ny Fokontany iray aty Andrenivohitra ka Mivarotra mivantana ny varifotsy amin’ny mpanjinjara madinika ( Épicerie ) mba tsy mandalo mpanelanelana maro intsony.
✅ VAHAOLANA FAHAROA (maharitra sy stratejika)
Ny Chambre de Commerce et de l’Industrie (CCI) Alaotra Mangoro dia afaka :
Mangataka fiarahamiasa amin’ny CCI Analamanga na CCI Antsinanana mba hamory maika ireo mpandraharaha ara-bary sy ireo maniry hisehatra amin’ny vary
Mampahafantatra fa mitobaka ny vary any Antsihanaka izao
📈 Rehefa mihazakazaka manangona any ireo mpandraharaha avy Andrenivohitra, dia :
Mitombo ny isan’ny mpividy
Misy fifaninanana ara-barotra
Miakatra ho azy ny vidim-bary, ka mahasoa ny mpamokatra
✊ 📢 Zarao ity raha mankasitraka vahaolana fa tsy fitarainana fotsiny !

Vita soamantsara ny Taona 2025Ho taona Zina sy feno fahombiazana ho antsika rehetra anie ity Taona 2026 ity
01/01/2026

Vita soamantsara ny Taona 2025
Ho taona Zina sy feno fahombiazana ho antsika rehetra anie ity Taona 2026 ity

Les Merveilles de la Région ITASYAmpefy et ses environs.
07/12/2025

Les Merveilles de la Région ITASY
Ampefy et ses environs.

Lasa aloha ny Saint Valentin an'ireto...
23/11/2025

Lasa aloha ny Saint Valentin an'ireto...

13/11/2025

Africa Vibes

Mandalo any Afrika Atsimo Johannesburg ny Mpamorona ny TOURDALAOTRA, sady mikatsaka fiarahamiasa ho fampivoarana ny Tano...
12/11/2025

Mandalo any Afrika Atsimo Johannesburg ny Mpamorona ny TOURDALAOTRA, sady mikatsaka fiarahamiasa ho fampivoarana ny Tanora Malagasy, Fianarana any ampitandranomasina sy Fanondranana vokatrin'ny Tanora Malagasy 🇲🇬 manerana ny Continent Africain no anombohana.

Efa hikatona izy ity....Ilaina ny Fikatonany mba ahatsara ny kalitao sy hampateza ny seha-piharina   aty Antsihanaka
19/10/2025

Efa hikatona izy ity....
Ilaina ny Fikatonany mba ahatsara ny kalitao sy hampateza ny seha-piharina aty Antsihanaka

Tongasoa eto amin’ny Renivohitrin'ny Kominina   isika, Anatin’ny Distrika Tsaratanàna, Faritra BETSIBOKA,  Faritany MAHA...
02/10/2025

Tongasoa eto amin’ny Renivohitrin'ny Kominina isika, Anatin’ny Distrika Tsaratanàna, Faritra BETSIBOKA, Faritany MAHAJANGA.
Toerana manankarena Volamena sy Harena ankibon'ny Tany ary Betsaka Omby

01/10/2025

Fankasitrahana be ho an'ireto mpankafy be ny Pejy! Fetra Rabeharimanana, Manitr'hasina Dina Noromalala, H'niaina Rabezatovo, Dadani Jerry

Miketrika nahandro amin'ny Afo Kitay 🔥🔥🔥
30/09/2025

Miketrika nahandro amin'ny Afo Kitay 🔥🔥🔥

Commune Rurale TANAMBAO BESAKAY District AMBATONDRAZAKA
16/09/2025

Commune Rurale TANAMBAO BESAKAY
District AMBATONDRAZAKA

Address

Lot 18120
Ambatondrazaka

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when TourDalaotra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The School

Send a message to TourDalaotra:

Shortcuts

Share