02/05/2026
Ny volana Martsa dia natokana ho an’ny fanamarihana sy fankalazana ny teny frantsay sy ny Frankofonia. Amin’izany indrindra no nanatanterahana hetsika isan-karazany, toy ny lalao sy fifaninanana mifandraika amin’ny teny frantsay, izay natokana ho an’ny ankizy sy ny tanora.
Notanterahina androany ny fanomezana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpandresy sy mendrika tamin’ireo fifaninanana ireo.
Nomem-boninahitra tamin’ny fanotronan’Andriamatoa solombavambahoaka Tiana Razafimahefa sy ny vadiny izany fotoana izany. Izy mivady ihany koa no nitarika ny fanolorana ny loka sy mari-pankasitrahana ho an’ireo mpandray anjara.
Ankoatra ireo boky natolotry ny Alliance Française, dia nisy ihany koa ny fanomezana fanampiny maro sy ranom-boankazo ho an'ny ankizy sy ny mpanotrona ny fotoana natolotr’Andriamatoa solombavambahoaka. Koa atolotra azy ny fisaorana sy fankasitrahana manokana.
Isaorana manokana ihany koa ny orinasa Socolait tamin’ny fanomezana yaourts ho an’ny ankizy, ary Andriamatoa Stephano (La Pineta) tamin’ny fanolorana ody am-bavafo ho azy ireo.
-----------------------------------------------------------------------
Le mois de mars est consacré à la célébration de la langue française et de la Francophonie. À cette occasion, diverses activités, notamment des jeux et des concours portant sur la langue française, ont été organisées au profit des enfants et des jeunes.
La remise des prix aux lauréats desdits concours s’est tenue ce jour.
Cette cérémonie a été honorée par la présence de Monsieur le député Tiana RAZAFIMAHEFA et de son épouse, qui ont également procédé à la remise des distinctions aux participants.
Outre les ouvrages offerts par l’Alliance Française, des lots supplémentaires ainsi que des boissons ont été gracieusement remis par Monsieur le Député. Qu’il en soit ici vivement remercié.
Des remerciements sont également adressés à l’entreprise Socolait pour les yaourts offerts aux enfants, ainsi qu’à Monsieur Stephano (La Pineta) pour les amuses bouches.