Une armée de moutons dirigée par un lion peut vaincre une armée de lions dirigée par un mouton. - Proverbe ghanéen
UMagis Philosophat Saint Paul
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from UMagis Philosophat Saint Paul, College & University, Ambanidia.
20/02/2024
09/02/2024
HAFATRY NY RAY MASINA HO AN’NY KAREMY 2024
Tantanan’Andriamanitra mankany amin’ny fahafahana amin’ny alalan’ny famakivakiana ny tany efitra isika.
Ry rahalahy sy anabavy malala!
Rehefa maneho ny tenany ny Andriamanitsika dia manambara fahafahana : « Izaho no Tompo Adriamanitrao, Izay namoaka anao avy any amin’ny tany Ejipta, avy any amin’ny toeram-panandevozana” (Eks 20,2). Toy izany no fiantombohan’ny fanomezana ny Didy folo nomena an’i Môizy tany an-tendrombohitra Sinay. Fantatry ny vahoaka tsara hoe inona ilay fifindrana resahin’Andriamanitra: mbola miraikitra ao amin’ny tenany hatrany ny zavanolalovana tamin’ny fanandevozana. Nandray toro-marika folo izy ireo tany antany efitra izay toy ny lalana hizorana mankany amin’ny fahafahana. Antsointsika hoe “didin’Andriamanitra” izany, mba hilazana ny herin’ny fitiavana
nanabeazan’Andriamanitra ny vahoakany. Noho izany dia antso mafy ho amin’ny fahafahana izy io. Tsy azo lazaina ho zava-nandalo fotsiny satria mihamatotra eny am-pandehanana. Tahaka ny mbola nitahirizan’ny vahoaka Israely tao am-pony, tamin’izy ireo tany efitra, an’i Ejipta– matetika izy ireo araka izany no manembona ny lasa ary mimonomonona nanome tsiny ny lanitra sy i Môizy –dia
toy izany koa, ankehitriny, no hifikiran’ny vahoakan’Andriamanitra amin’ireo fatotra mangeja tokony hialany. Tsapantsika izany rehefa tsy manam-panantenana isika na rehefa mirenireny amin’ny fiainana toy ny hoe haolo, tsy misy tany nampanantenaina mba hitodiana miaraka. Fotoanan’ny fahasoavana ny karemy, mandritra izany ny tany efitra dia toerana voalohan’ny fitiavana (jereo
Osea 2,16-17) araka izay nanambaran’i Ozea mpaminany azy.
Beazin’Andriamanitra ny vahaoakany mba hivoaka ny fanandevozana ary hanandrana ny fandalovana ny fahafatesana ho any amin’ny fiainana. Tahaka ny vady izy, mitondra antsika mankany aminy sy mibitsibitsika ao am-pontsika ny tenim-pitiavana.
Tsy hoe lalana tsy hita soritra tsy akory ny fialana amin’ny fanandevozana mankany amin’ny fahafahana. Mba ho tena azo tsapain-tanana ny karemintsika dia ny maniry hijery ny tena zava-misy no dingana atao voalohany. Rehefa nisarika an’i Môizy tamin’ilay kirihitr’ala nirehitra sy niresaka taminy ny Tompo , dia nanambara ny tenany avy hatrany ho ilay Andriamanitra mahita sy mihaino Izy: “Efa hitako tokoa ny fahorian’ny vahoakako izay any Ejipta ary henoko ny fitarainany noho ny afitsok’ireo mpamoritra azy: eny tsapako ny fijaliany. Ka hidina Aho hanafaka azy amin’ny vahohon’ny Ejiptianina, hitondra azy miakatra avy amin’ity tany ity, ho amina tany mahavokatra sy malalaka, ho any amina tany tondra-dronono aman-tantely” (Eks 3,7-8). Ary mandraka ankehitriny dia tonga any an-danitra ny tarainan’ireo havana nampahoriana. Mametra-panontaniana amin’ny tenantsika isika: henontsika koa ve ny tarainan’izy ireo? Manohina antsika ve? Mampihontsina antsika ve? Maro ny antony hanalavirantsika ny hafa, amin’ny famotehana ny fihavanana izay nampitambatra antsika samy isika tany am-piandohana. Nandritra ny diako tany Lampedusa dia nampifanatrehako tamin’ ny fanatontoloana ny tsy firaharahana ny fanontaniana roa izay tena mbola manan-kery hatrany amin’izao vaninandrontsika izao: “Aiza ianao?” (Jen 3,9) sy ny “Aiza ny rahalahinao?” (Jen 4,9). Ho azo tsapain-tanana ity vanim-potoanan’ny karemy ity raha toa ka, eo am-pihainoana azy ireo indray no ahafantarantsika fa mbola eo ambany fahefan’i Faraôna isika. Fahefana mandreraka antsika ary mahatonga antsika ho mafy fo. Endrika fitomboana mampisarabazana sy mangalatra ny hoavintsika izany. Voalotony ny tany sy ny rivotra ary ny rano, fa ifindran’izany koa ny fanahy. Vokany, na dia efa nanomboka tamin’ny batemy aza ny fanafahana antsika dia mitoetra tsy hay hazavaina ao amintsika ny tsiaron’ny fanandevozana. Toy ny fanintonana mankany amina fiarovana efa hita fa mamotika ny
fahafahana. Tiako hosoritana manokana, ao amin’ny tantaran’ny Eksaody, ny antsipiriany izay tsy azo atao tsinontsinona: Andriamanitra no mahita, mihetsipo ary manafaka, fa tsy Israely no nangataka izany. Noho izany, fohanan’ny Faraôna na dia ny nofinofy aza, angalariny ny lanitra, asehony fa tsy miova izao
tontolo izao izay manitsakitsaka ny fahamendrehana ary mandà ny fifandraisana tena izy. Raha atao amin’ny teny tokana dia izao: mahavita mamatotra ny tenany izy. Apetraho amintsika ny fanontaniana: Moa maniry tontolo vaovao aho? Vonona hanafaka ny tenako amin’ny tsikombakomba tranainy ve aho? Mandresy
lahatra ahy hatrany ho tsy maintsy hiampanga ny tsy fisian’ny fanantenana ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo Eveka rahalahy maro sy ireo miasa ho an’ny fandriampahalemana sy ny fahamarinana. Sakana amin’ny nofininofy ny tsy fahampian’ny fanantenana, kiaka tsy misy feo miakatra any an-danitra sy
mahakasika ny fon’Andriamanitra ary mitovy amin’ny nenin’ny fanandevozana izay nampalemy an’Israely tany an-tany efitra teo am-panakanana azy tsy handroso. Mety hifarana ny fiampitana: raha tsy izany, tsy ho afaka hanazava ny hoe maninona ny olombelona mahatratra ny tokonam-baravaran’ny fihavanana
misokatra amin’ny lafy valon’ny tany sy ireo ambaratongam-pandrosoana ara-tsiansa, ara-teknika, ara-kolontsaina ary fitsarana afaka miantoka ny fahamendreahn’ny rehetra, no miraparapa ao anatin’ny haizin’ny tsy fitoviana sy ny fifandirana. Tsy mba sasatra amintsika Andriamanitra. Andeha ny Karemy horaisintsika ho toy ny fotoana tsara hiantefan’ny Tenin’Andriamanitra amintsika indray:
“Izaho no Tompo Andriamanitrao, Izay namoaka anao avy any amin’ny tany Ejipta, avy any amin’ny toeram-panandevozana” (Eks 20,2). Fotoana fibebahana ny karemy, fotoam-pahafahana. Averimberina amintsika isan-taona isaky ny Alahady voalohany amin’ny Karemy fa i Jesoa mihitsy no notarihin’ny Fanahy Masina hankany an-tany efitra mba hotsapaina ao amin’ny fahafahany. Ho eo alohantsika sy hiaraka amintsika Izy mandritra ny efapolo andro: izy no Zanaka tonga Nofo. Mifanohitra amin’i Faraôna, tsy olona fotsiny amin’izao no ilain’Andriamanitra fa zanaka. Toerana mety hahamatotra ny fahafahantsika ka handraisana fikasana manokana mba tsy ho latsaka indray ao amin’ny fanandevozana ny tany efitra. Ho hitantsika, mandritra ny karemy, ireo fepetra vaovao momba ny fahaiza-mitsara sy ny fiaraha-miaina mitondra antsika mankamin’ny lalana tsy mbola nalehantsika mihitsy teo aloha.
Mitaky ady izany: manambara mazava an’izany amintsika ny boky Eksaody sy ny nakana fanahy an’i Jesoa tany an-tany efitra. Mifanohitra amin’ny laingan’ny fahavalo ny feon’Andriamanitra manao hoe : “ Ianao no zanako malalako, ianao no sitrako indrindra» (Mk 1,11) sy ny hoe « Tsy hanana Andriamani-kafa eo
anatrehako ianao» (Eks 20,3). Mampatahotra kokoa noho i Faraôna ny sampy : azontsika heverina hoe feony ao amintsika izany. Afaka manao ny zavatra rehetra, fantatry ny maro, eny ambonin’ny hafa: mandre an’io fitaka io ao aminy avokoa ny olona tsirairay. Fahazaran-dratsy io. Afaka mifikitra amin’ny vola ihany koa isika, amin’ny vinavina sasany, amin’ny hevitra, amin’ny tanjona, amin’ny toerana misy antsika, amin’ny fomban-drazana, eny fa amin’ny olona sasantsasany koa. Ka toy izay ireo zavatra ireo hampandroso antsika , dia mandemy antsika aza. Toy izay ireo hampifanatona antsika dia vao mainka mampifanandrina. Saingy misy olona vaovao, vahoakan’ny madinika sy ny manetry tena izay tsy mba voasariky ny lainga. Raha mahalasa moana, jamba, marenina, na tsy mampihetsika ireo izay manompo azy ny sampy (Jereo Sal
114,4), ny mahantra am-panahy dia misokatra avy hatrany sy vonona: hery iray mangina manasitrana sy manohana an’izao tontolo izao. Fotoana hihetsehana izao, ary mandritra ny karemy, ny mihetsika dia midika hoe mijanona ihany koa. Mijanona mivavaka mba handray ny Tenin’Andriamanitra, ary mijanona tahaka ilay Samaritanina, eo anatrehan’ilay rahalahy maratra. Fitiavana tokana ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. Ny hoe aza manana andriamani-kafa dia mijanona eo anatrehan’Andriamanitra, manoloana ny hafa. Izany no ilazana hoe tsy fanazaran-tena telo samihafa tsy misy hifandraisany ny vavaka sy ny asa fihantrana ary ny fifadian-kanina fa hetsika tokana kosa milaza fisokafana, fahafahana: tapitra hatreo ny sampy manavesatra antsika, tapitra hatreo koa ny fifikirana mangeja antsika. Hifoha kosa ny fo efa trotraka sy manirery. Araka izany, mandeha miadana sy mijanona. Manetsika hery vaovao ny fibanjinana ny fiainana atoron’ny karemy antsika. Tonga mpiray tampo isika rehetra eo anatrehan’Andriamanitra, hitantsika amim-kery vaovao ny hafa: mahita namana sy mpiara-dalana isika fa tsy loza manambana sy fahavalo. Izany no nofin’Andriamanitra, tany nampanantenaina hitodiantsika rehefa mivoaka ny fanandevozana. Ny endriky ny Eglizy miara-dia izay hitantsika indray sy kolokolointsika tao
anatin'ny taona vitsivitsy izay dia manasa ny mba hahatonga ny karemy ihany koa ho fotoana handraisana fanapahan-kevitra iombonana, safidy madinika na goavana manohiriana (contre-courant) afaka manova ny fiainana andavanandron’ny olona sy ny fiainan’ny faritra: ny fahazarana mividy zavatra, ny fikolokoloana ny zavaboaary, ny fandraisana an’ireo tsy misy mpahita sy voailika.
Manasa ny ankohonam-piainana kristianina isanisany aho mba hanao an’izany: manome ny mpino fotoana mba handinihany indray ny fomba fiainany; mifanome fotoana mba hijerena ny fisian’izy ireo ao amin’ny faritra sy ny fandraisan’izy ireo andraikitra hanatsara an’izany. Loza raha toa ka mitovy amin’ilay nampalahelo an’i Jesoa ny fibebahana krsitianina. Miteny amintsika izy manao hoe: “Ary rehefa mifady hanina ianareo, dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy, izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan’ny olona fa mifady izy” (Mt 6, 16). Ny mifanohitra amin’izany aoka ny hafaliana no ho hita eny amin’ny endrika aoka ho heno ny hanitry ny fahafahana, ho hafahana ny fitiavana izay manavao ny zavatra rehetra, manomboka amin’ny
kely indrindra sy ireo akaiky indrindra. Azo atao any amin’ny ankohonampiainana kristianina rehetra izany. Raha toa ka ho karemim-pibebahana ity karemy ity, dia hahita fiovana lehibe amin’ny toe-tsaina tia mamorona ny olombelona izay very: maraim-baovaon’ny fanantenana. Te hiteny aminareo an’izay nolazaiko tamin’ireo tanora nihaona tamiko tany Lisbonne tamin’ny taon-dasa aho: “Mitadiava ary marisiha, mitadiava ary marisiha. Goavana ny fanamby amin’izao kihon-dalan’ny tantara izao, ary mampijaly ny fitarainana. Miatrika ny ady lehibe fahatelo mitsitokotoko isika. Andeha isika hirisika hisaina hoe tsy miady aina isika fa ny mifanohitra amin’izany aza, ao anaty fiterahana; tsy ao amin’ny farany fa eo amin’ny fiantombohan’ny fampisehoana goavana. Mila herim-po ny mieritreritra an’izany”. (Fihaonana tamin’ny tanora eny amin’ny anjery manontolo, 3 aogositra 2023). Izay ilay fahasahian’ny fibebahana, fanalana amin’ny fanandevozana. Mitazona ny tanan’ ity “zazavavikely fanantenana” ity ny finoana sy ny fitiavana. Mampianatra azy hamindra izy ireo ary izy kosa amin’izany dia mitarika azy ireo eo aloha.
Mitso-drano anareo sy ny lalan-kizoranareo mandritra ny karemy aho.
Rôma, Md Jean-de-Latran, ny 3 Desambra 2023, alahady voalohany
amin’ny Fiaviana
09/02/2024
Unis dans la prière, ordination de nos compagnons jésuites dans le diaconat à Nairobi, samedi 10 février dont deux malgaches.
https://www.youtube.com/watch?v=95g_Dpk8S84
18/03/2023
Une spiritualité sans Dieu...
« Nous sommes prisonniers de l'avenir et de nos rêves : à force d'attendre des lendemains qui chantent, nous perdons la seule vie réelle, qui est d'aujourd'hui. "Ainsi nous ne vivons jamais, disait Pascal, nous espérons de vivre". C'est le piège des religions, avec ou sans Dieu : l'espoir est l'opium du peuple. Pourtant il faut vivre et lutter : monter "à l'assaut du ciel", même si ce ciel n' existe pas. Tel est le défi aujourd'hui du matérialisme philosophique, tel qu'Icare a paru pouvoir le symboliser. Matérialisme ascendant, donc. Il s'agit d'être athée sans être indigne. Il nous faut pour cela inventer - ou réinventer - une sagesse sans mystification ni lâcheté : une sagesse du désespoir. Ici, maintenant : une sagesse pour notre temps. »
1993 - André Comte-Sponville - Une spiritualité sans Dieu « Nous sommes prisonniers de l'avenir et de nos rêves : à force d'attendre des lendemains qui chantent, nous perdons la seule vie réelle, qui est d'aujourd'h...
02/02/2023
La foulosophie ...
"pourquoi la vie ne vit pas? pourquoi vit-on pour mourir? pourquoi la mort ne meurt pas? pourquoi la mort vit?
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Category
Culinary Team
Attire
Telephone
Address
Ambanidia
101