23/02/2023
FOMBA DIMY (5)
HAMPITONIANA NY ZAZA
Mety mitranga eo amin'ny zaza ny fihetseham-po mavesatra . Ara-dalàna izany amin'ny maha- olombelona azy .
Mety ho sorena izy ; mety ho tezitra ; manao herisetra ; mety hitomany ; sns . Izany dia vokatry ny fisehoan-javatra tsy tantiny eo amin'ny fiainany .
Adidintsika ny mampitony ny zaza araka izay azontsika atao , fa tsy vao mainka manao izay handranitra ny fikorontanany indray isika .
Raha fahatezerana na fampitahorana ohatra no asetritsika ny fahasorenan'ny zaza dia manampy trotraka ny manjo azy isika , no sady tsy hahafantatra izay anton'ny fikorontanana mahazo azy .
Ireto ary misy fomba dimy (5) azo atao hamerenana ny zaza eo amin'ny fitoniana :
1) Raisina ny zaza , dia trotroina sy fihinina tsara amin'ny sandry . Mora manampy amin'ny fampitoniana ny tomany ny famihinana amin'ny sandry .
2) Raisina ny zaza , dia entina miova toerana kely . Raha teo am-pihinanana izy no tezitra dia entina mivoaka kely maka rivotra eo an-tokontany .
3) Raisina ny zaza , dia hanaovana resaka mahafinaritra . Raha anton- javatra iray no nampitomany azy , dia tarihina hiresaka zavatra hafa mihitsy izy mba tsy hifantoka eo amin'ny olana nahasorena azy .
4) Raisina ny zaza , dia hanaovana hirahira handrotsirotsy azy . Mety ho azo atao ihany koa ny manome fitaovana azy hampiasany ny tanany , tahaka ny solaitra hosoratana na hanaovany kisarisary . Mety hanome kilalao mahavariana azy isika .
5) Raisina ny zaza , dia hanaovana tenim- pitiavana , na dia mbola tsy takany aza ny hevitr'ireny teny ireny : " Malalan'ny Neny ; tsy foin'ny Dada . " " Hendry moa ny zanako ô ! "
Mety mahita fomba hafa hampitoniana ny zaza ihany koa ianao .
Ny tsara ho fantatsika dia izao : tsy manao fanahy iniana hampikorontana antsika olon- dehibe tsy akory ny zaza , fa maneho fotsiny ihany ny fihetseham-pony sy ny olany izy .
Olona mora sambatra ny zaza ; tsy manao an- dolompo izy , fa mora manadino ny fahasorenany . Anjarantsika ny mamantatra ny ao ambadiky ny fihetseham-pony ka manampy azy hanana fitoniana .
Raoeliarijao