23/08/2026
بِسْمِ اللهِ الرَّحْمٰنِ الرَّحِيمِ
﴿إِنَّا لِلَّهِ وَإِنَّا إِلَيْهِ رَاجِعُونَ﴾😭😭
Amin’ny fo feno alahelo sy fahoriana no anehoanay, izahay mpianatra avy any Madagasikara eto Irak — الطلبة من مدغشقر في العراق, ny fiononana sy fiaraha-miory amin’ny fianakavian’ny Sheikh Baqir Abd Al-Muhsin (رحمه الله تعالى), ny havany, ireo mpianany ary ireo rehetra tia sy manaja azy.
Malahelo izahay noho ny fahalasanan’ny mpampianatra hajaina, manam-pahaizana, mpanabe tso-po ary mpanompon’ny fahalalana. Navelany teo amin’ireo mpianany sy tao amin’ny tontolon’ny fampianarana ny lova sarobidy tamin’ny fahalalana sy ny fanabeazana.
Ny fahalalana nampianariny, ny torohevitra nomeny ary ny ezaka rehetra nataony tamin’ny fanabeazana ireo mpianatra dia ho fahatsiarovana tsara sy sadaqah jariyah (صدقة جارية) ho azy, ary enga anie Allah تعالى hanome azy valisoa tsy tapaka noho izany.
🤲 Mangataka amin’i Allah تعالى izahay mba hamindra fo aminy, hamela ny helony, hanandratra ny toerany any amin’ny toerana ambony, ary hampiaraka azy amin’i Muhammad ﷺ sy ny Ahl al-Bayt (عليهم السلام).
Enga anie koa Allah تعالى hanome faharetana sy hery ho an’ny fianakaviany, ny havany, ireo mpianany ary ireo rehetra tia sy manaja azy.
رحم الله أستاذنا الشيخ باقر عبد المحسن رحمة الأبرار
Enga anie Allah hamindra fo amin’ilay mpampianatra hajaintsika, Sheikh Baqir Abd Al-Muhsin, ary hamaly soa azy noho ny asa soa sy ny fahalalana navelany.
🕊️ اللهم اغفر له وارحمه واسكنه فسيح جناتك
ا
Students From Madagascar in Irak الطلبة من مدغشقر في العراق
Mpianatra Zaman Mpianatra