Teny Fototra Nanoratana ny Baiboly

Teny Fototra Nanoratana ny Baiboly Pejy natao hamakafakana ny teny fototra nanoranana ny Soratra Masina.

Anisan’ny logiciel fampiasan’ny teôlôjiana ny logos. Tena manampy be amin’ny fikirakirana teny Hebreo sy Aramaika ary Gr...
05/02/2022

Anisan’ny logiciel fampiasan’ny teôlôjiana ny logos. Tena manampy be amin’ny fikirakirana teny Hebreo sy Aramaika ary Grika izy io.

Saingy tsy tokony hiantehitra aminy ny mpianatra vao manomboka mianatra teny fototra.

Velomy ny Asanao, eo anivon’ny taona, TOMPO Ô (Habakôka 3:2)יְהוָ֗ה פָּֽעָלְךָ֙ בְּקֶ֤רֶב שָׁנִים֙ חַיֵּ֔יהוּInona ny to...
03/01/2022

Velomy ny Asanao, eo anivon’ny taona, TOMPO Ô (Habakôka 3:2)
יְהוָ֗ה פָּֽעָלְךָ֙ בְּקֶ֤רֶב שָׁנִים֙ חַיֵּ֔יהוּ

Inona ny tokony hataontsika ao anatin’izao fotoan-tsarotra tahaka ny lalovantsika Malagasy ankehitriny izao? Mety tsy nalehan’ny saintsika loatra angamba saingy azontsika anatsoahana lesona ny nambaran’i Habakôka Mpaminany raha nilazan’Andriamanitra izy fa hanafay ny olony ka handefa azy ireo ho babo any Babylôna. Tsy milaza aho sanatria ny vava hoe famaizan’Andriamanitra tahaka ny fahababoana tany Babylôna akory ny valan’aretina Coronavirus. Aleoko mailo sao ny teny tsy voahevitro no ho entin-kitenenan-dratsy ny anaran’Andriamanitro. Ny toe-po sy ny vavaka ao anatin’ny fotoan-tsarotra nataon’i Habakôka dia azontsika ampiharina hatrany:

#1 TOMPO O, Mijery akaiky ny lazanao aho!
Voalohany dia miaiky izany mpaminany izany fa nahare ny lazan’Andrimanitra izy ka dia natahotra an’Andrimananitra (i.e., tsy nohorohoro akory fa nanaja Azy). Ny tian-kambara eto dia avy amin’ny famakiana ny Soratra Masina (ohatra Genesisy sy Eksôdôsy) no nahazon’i Habakôka marimarina fa tena mpanjaka-mpiady mahery Andrimanitra raha nahary izao tontolo izao sy nanafaka ny Israelita tany Egypta. Tsy hay tohaina Andrimanitra ka mampihorohoro eny na dia ny tendrombohitra izay noheverin’ny saina ho nihontsona mihitsy aza nandritry ny taon-jato maro. Noho izany, vakio ny asam-panavotana nataony raha nifanandrina tamin’i Farao izay fa tokony hahatonga anao tena hitsaoka sy hanaja Azy izany.
Efa renao va ny lazam-panafahana nataon’Andriamanitra ho anao tamin’ny alalan’ny fahafatesan’i Kristy teo ambony hazofijaliana? Aza adino fa herin’Andriamanitra hamonjena izay mino izany (Rômana 1:16). Aoka ary ianao fa tsy hanao rano raraka an-tany ny famonjena anao. Raha azonao an-tsaina fa raha ny otanao (izay mahery noho ny COVID-19) aza resiny dia tsy hatahotra ny fahavalo hafa ianao.

#2 TOMPO Ô, Velomy ny asanao!
Faharoa dia mangataka i Habakôka mba «hameloman’Andrimanitra ny asany eo anivon’ireo taona maro». Mety mijery mialoha ny hanjo amin’izany fahababoana ho avy izany ingahy Habakôka. Fantany fa tena zava-doza izany (tsy mifaditrovana ny Kaldeana na Babylôniana araky ny fanoritsoritana ny habibian’izy ireo ao amin’ny Habakôka 1-2). Ny famelomana dia fanavaozana na famerenana indray ny nataon’Andrimanitra tany Egypta raha nanafaka ny Israelita Izy. Ny famelomana koa dia midika fanantenana indray. Ho maro ireo taona ireo, saingy mahatoky i Habakôka fa hanao eksôdôsy vao indray ny Tompo hampody ny olony avy any Babylôna ho any Kanàna. Mangataha amin’Andriamanitra ary mba hamerenany indray ny asam-panafahana izay nataony. Tompo nandresy ny Egyptiana no ivavahanao hanafaka anao amin’ny valan’aretina Coronavirus!
Koa dia mangataha ny Fanahy Masina ianao hampiseho ny tena asan’Andriamanitra Mpamonjy sy Mpiaro anao isan’andro. Mora «maty» ao am-po ny soa nataon’ny Tompo anao rehefa mandalo zava-tsarotra toy izao. Mivavaha mba hiasan’ilay Fanahy Masina efa nanangana anao tamin’ny maty mba hamelona ny fahagagana rehetra ao am-ponao mandrakariva.

#3 TOMPO Ô, Mamindra fo!
Farany dia mangataka i Habakôka mba hahatsiarovan’Andrimanitra hamindra fo hatrany na dia ao anatin’ny fahatezerany aza Izy. Araka ny voalaza teo ambony dia fahatezeran’Andrimanitra ny fahababoana. Tsy afaka mitompo teny fantatra isika fa fahatezeran’Andriamanitra mihatra ny Coronavirus saingy amin’ny ankapobeny dia tezitra amin’ny mpanao ratsy sy tsy miraharaha Azy ny Tompo. Ny matoanteny izay nadika ho «mamindra fo» (Hebreo rahem) dia tsy voatery ho vokatry ny fahatezerana foana fa fihetseham-po ananan’ny reny iray raha manoloana ny zanany izy. Azontsika atao hatrany ny mangataka ny famindram-po avy amin’Andriamanitra mba ahatonga ny «fon’Andriamanitra» tena ho ontsa sy hangoraka antsika. Ontsa amin’ny fahorian’ny zanany Andriamanitra Ray. Izy dia Ray manana fon-dreny. Na dia tsy azonao aza ny antony amelany izao aretina sy ny voka-dratsin’izany eo amin’ny fiaraha-monina dia aza adino fa antra anao Izy ary tsy marikoriko ny fahorianao fa tena mihaino tokoa raha mitaraina Aminy ianao (Salamo 22:24).

Asa 20:35 Ny Tena Fahasambarana Aleo aloha aho somary hitoriteny kely. Hoy ny Asa 20:35 (NA27) hoe, “πάντα ὑπέδειξα υ...
02/23/2022

Asa 20:35 Ny Tena Fahasambarana

Aleo aloha aho somary hitoriteny kely. Hoy ny Asa 20:35 (NA27) hoe, “πάντα ὑπέδειξα ὑμῖν ὅτι οὕτως κοπιῶντας δεῖ ἀντιλαμβάνεσθαι τῶν ἀσθενούντων, μνημονεύειν τε τῶν λόγων τοῦ κυρίου Ἰησοῦ ὅτι αὐτὸς εἶπεν· Μακάριόν ἐστιν μᾶλλον διδόναι ἢ λαμβάνειν.”

Azo adiaka malalaka hoe, “Efa noporofoiko taminareo tamin’ny fomba rehetra fa tsy maintsy mikely soroka tahaka izany isika mba hanampy ireo malemy, miverina ao an-tsaina ireo Tenin’ny Tompo Jesosy manao hoe, ‘Mahasambatra lavitra ny manome noho ny mandray.’”

Tsy maintsy niasa mafy i Paoly mba hampandehanany ny fitoriana filazantsara nataony. Tsy asa fampianarana (Raby mantsy izy) na asa “birao” anefa fa asa-tanana. Eto koa izy dia milaza fa niasa mafy izy mba nahafahany nanampy ireo malemy (mahantra) satria resy lahatra izy fa mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray. Tsy hitantsika ao amin’ny filazantsara io tenin’i Jesôsy io. Raha nisy toerana tena tsara tokony nisehoany dia teo amin’ny toriteny tao an-tendrombohitra (Mat 5).

Mety taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty ve no nitenenany izany tamin’i Paoly (azo heverina, saingy tsy azo itompoan-teny fantatra)? Tena zava-dehibe io satria hafatra farany nataon’i Paoly izany tamin’ny fotoana nanaovany veloma farany ny loholona tany Efesosy.

Resy lahatra ve ianao fa mahasambatra kokoa noho ny mandray ny manome? Aleo hianatra ny Tompo isika izay tena tia manome ka ny ainy mihitsy aza no natolony.

Wāʾōmar lāhem lǝmî zāhāb hitpārāqû wayyittǝnû-lî wāʾašlikēhû bāʾēš wayyēṣēʾ hāʿēgel hazzêDia noteniko izy ireo hoe, "Eso...
02/20/2022

Wāʾōmar lāhem lǝmî zāhāb hitpārāqû wayyittǝnû-lî wāʾašlikēhû bāʾēš wayyēṣēʾ hāʿēgel hazzê

Dia noteniko izy ireo hoe, "Esory ny volamena eny aminareo dia omeo ahy. Rehefa natsipiko tao anaty afo ilay izy dia io zanak'omby io no nivoaka" (Eks. 32:24).

Fa angaha moa tsy nampiasa fitaovana (Heb. baḥereṭ) ianao ry ingahy Aharaona (araka ny andininy 4)?

Tandremo ry mpitarika fiangonana fa mbola misy ankehitriny ny vahoaka mangetaheta harena sy volamena sy ny andriamanitra hitamaso! Dia voatery hamoron-dainga marivo tototra eo ianao rehefa tonga ny ankamoaka.

Nisy mpitandrina tafaresaka tamiko tao amin’ny messenger mikasika ny aoriste.Aza adino fa efa voadika amin’ny teny Frant...
02/17/2022

Nisy mpitandrina tafaresaka tamiko tao amin’ny messenger mikasika ny aoriste.
Aza adino fa efa voadika amin’ny teny Frantsay ny référence nosoratan’i Daniel Wallace avy ao amin’ny DTS. Indro ary ny santionany (aoriste).

Jakoba 3:5bNA 27: Ἰδοὺ ἡλίκον πῦρ ἡλίκην ὕλην ἀνάπτειJereo – kely – afo – lehibe – ala – mandrehitra. Dikanteniko: Jereo...
02/15/2022

Jakoba 3:5b

NA 27: Ἰδοὺ ἡλίκον πῦρ ἡλίκην ὕλην ἀνάπτει
Jereo – kely – afo – lehibe – ala – mandrehitra.
Dikanteniko: Jereo! Mandehitra ala midadasika ny afo kely.

Milalao feo i Jakoba eto, ny feo helik, helik, hulen no asongadina eto amin’ny fampiasana voambolana tsy mahazatra loatra. Raha tsy diso ny fikarohana nataoko dia i Jakoba ihany no msmpiasa ireo teny ireo: ἡλίκον, sy ἡλίκην, ary ὕλην. Teny hapax telo ao anatin’ny andininy iray. Toa miteny koa i Jakoba eto hoe jereo ny fampiasako ny lelako amin’ny filalaovana voanteny marevaka sy fahaiza-mandaha-teny. Ny zana-peo “he” mantsy rehefa ampiarahana amin’ny renifeo “L” dia mampivadibadika ny lela tsara.
Ny matoanteny present indicatif (ἀνάπτει: mandrehitra izy) indray dia fampiasa amin’ny ohabolana na tranga izay marina foana amin’ny fotoana rehetra.

Ny lesona tiana hambara moa dia ny fitandremana amin’ny tsy fananana fahendrena amin’ny teny izay ambarantsika. Misafidy ny handratra olona ve ianao anio sa hampahery?

Ho anao izay mpanao ny antsoina hoe critique textuelle dia aza adino fa efa NA28 (NT Grec) indray izao no nivoaka farany...
02/12/2022

Ho anao izay mpanao ny antsoina hoe critique textuelle dia aza adino fa efa NA28 (NT Grec) indray izao no nivoaka farany fa tsy iny UBS4/NA27 iny. Raha tsy ilaza afa-tsy ny apparat critique fotsiny isika dia maro kokoa ireo manuscripts vavolombelona ao amin’ny NA28.
Misy fiovana izay “lehibe” ireo epistly Katôlika noho ny fikarohana ara-tsiansa farany. Tsy manome ny heviny tahaka ny tamin’ny NA27 intsony ny mpandrafitra sy mpifantina tahaka an’i Bruce Metzger sy Matthew Black fa manome lisitra feno ny tsy fitoviana dia anjaranao ny manao ny fanapahan-kevitra!

ARAHABAINA TATRY NY FETIN’NY MPIFANKATIA E!!!!Fitiavan'Andriamanitra foana ve ny Agape?Raha mitsatoka aho dia efa naheno...
02/12/2022

ARAHABAINA TATRY NY FETIN’NY MPIFANKATIA E!!!!
Fitiavan'Andriamanitra foana ve ny Agape?
Raha mitsatoka aho dia efa naheno olona nitory momba ny fahamboniana ny fitiavana Agape amin'ny fitiavana hafa ianao. (Raha ny marina, ny tononkirantsika dia feno amin'ity antsoina hoe agape tsy manam-paharoa ity). Ireny karazana toriteny ireny matetika mampitanaka vava mihitsy satria mampiasa teny Grika be dia be. Tena miavaka ve anefa ny fitia Agape raha oharina amin’ireo fitiavana hafa? Ny valin-teniko fohy dia "Tsia!"
Ny Agape, tsy fitiavana avy amin'Andriamanitra foana, amin'ny teny Grika dia azonao atao ny milaza fa tiako (amin’ny fitia Agape) io fahotana io. Ohatra, Jaona 3:19 fa ny maizina no tian’ny [agapao] olona toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. Nitia [agapao] izao tontolo izao i Demasy ka nahafoy ahy (2 Tim 4:10).
Tsy fitiavan’olombelona foana koa akory ny filia. Andriamanitra koa dia tia [fileo] amin’ny fitiavana filia. Ohatra, (Jaona 5:20) “Fa ny Ray mitia [fileo] ny Zanaka ka mampiseho aminy izay rehetra ataony”.
Ireo teny roa ilazana ny fitiavana ireo dia mitovy hevitra ka azo ampifamadihana ny fampiasa azy. Hitanao izany fitovian-kevitra izany ao amin’ny resaka nifanaoban’i Petera sy Jesosy taorian’ny fitsanganan’ity farany tamin’ny maty. Fa hoy Jesosy: Moa tia Ahy va ianao? Ary Petera namaly hoe: Fantatrao fa tia anao aho. Raha misy mihevitra fa fitiavana roa samy hafa ireo, dia anzontsika lazaina fa tsy namaly tamin’ny fomba mahafa-po ny fanontanian’i Jesosy velively i Petera.
Manantena aho fa naharesy lahatra anao aho. Raha mahay teny Grika ianao dia jereo manokana fa tsy hoe satria niteny aho dia tsy maintsy inoanao! Misaotra!!

Mba miolakolaka koa izany filazan’i Paoly hevitra izany ao amin’ny 1 Korintiana 2:13 (NA27): ἃ καὶ λαλοῦμεν οὐκ ἐν...
02/05/2022

Mba miolakolaka koa izany filazan’i Paoly hevitra izany ao amin’ny 1 Korintiana 2:13 (NA27): ἃ καὶ λαλοῦμεν οὐκ ἐν διδακτοῖς ἀνθρωπίνης σοφίας λόγοις ἀλλʼ ἐν διδακτοῖς πνεύματος, πνευματικοῖς πνευματικὰ συγκρίνοντες.

Azo adiaka malalaka hoe, «Ary miteny amim-tenim-pahendrena tsy ampianarin’ny fahendrena araka ny olona izahay fa amin’izay ampianarin’ny Fanahy izahay raha manazava ny zavatra ara-panahy amin’ireo izay ara-panahy.»

Jereo tsara fa miverina in-telo sady tsy misy teny hafa manelanelana ny hoe fanahy/ara-panahy. Miverina in-droa ny mpamari-toetra nampianarina (διδακτοῖς).
Ny tiana hambara anefa dia tsotra ihany: resaka ara-panahy ny filazantsara (na ny tena anton’ny hazofijaliana) ka tsy azon’ny olona tsy tena ara-panahy.

Azo atao ve manova ny efa voafora ho tsy?Tena manaitra ahy foana io 1 Kor 7:18 io: περιτετμημένος τις ἐκλήθη, μὴ ἐπ...
02/02/2022

Azo atao ve manova ny efa voafora ho tsy?
Tena manaitra ahy foana io 1 Kor 7:18 io: περιτετμημένος τις ἐκλήθη, μὴ ἐπισπάσθω· ἐν ἀκροβυστίᾳ κέκληταί τις, μὴ περιτεμνέσθω.

Lehilahy izay efa voafora ve no nantsoina? Aoka izy mba tsy handalo fandidiana ahatonga azy ho tsy voafora indray! Lehilahy mbola tsy voafora ve no voaantso? Aoka izy mba tsy hoforana.

Araka ny 1 Makabeo, sy i Flavien Joseph (Ant. 12.5.1 [12.241]), ary ny BDAG 380 s.v. ἐπισπάω 3 dia toa nisy ireo Jiosy te hitovy amin’ny Grika, i.e., tsy vita hasoavana, dia nanatona dokotera mihitsy mba hanarona ny mahalehilahy amin’ny hoditra toy ny teo aloha, na tamin’ny mbola tsy voafora.

Araka ny sahan-kevitra eto dia manainga antsika i Paoly Apôstôly mba hanompo an’Andriamanitra amim-pifaliana eo amin’ny toerana sy ny zava-misy iainantsika amin’izao fotoan-kitenenana izao fa tsy hoe hiandry fiovana vao mba hanompo.

Afaka ny hivavaka mafy, sy hizara ny famonjen’i Kristy amin’ny hafa, ary hamaky Baiboly foana ianao amin’izao toerana misy anao izao! Aza miandry fiainana milamina feno vao mba hanompo amin’ny fo manontolo fa tsy hisy izany raha mbola eto an-tany.

Salamo 22:25a (and. 26 ao amin’ny BHS): מֵ֥אִתְּךָ֗ תְֽהִלָּ֫תִ֥י בְּקָהָ֥ל רָ֑בAzo atao “transcription” tahaka izao ho ...
01/15/2022

Salamo 22:25a (and. 26 ao amin’ny BHS): מֵ֥אִתְּךָ֗ תְֽהִלָּ֫תִ֥י בְּקָהָ֥ל רָ֑ב
Azo atao “transcription” tahaka izao ho antsika tsy mahay abidy Hebreo: Mēʾittək̲ā t̲əhillāt̲î bəqāhāl rāb̲!
Teny roa no miverimberina amin'ity salamo ity "biby" sy "lavitra". Raha io ampahan'andininy io no asin-dresaka dia mifanohitra tanteraka amin'ireo teny roa ireo no asetrin'ny mpanao Salamo: "rahalahy" (na fivoriana lehibe) sy "avy amin'Andriamanitra." Izao no azo andikantsika io fehezan-kevitra Hebreo io amin'ny fomba malalaka, "Avy aminao ny fiderako eo anivon’ny fivoriam-be."

Ny Hebreo “min” dia kianteny milaza loharano matetika, izay adiaka hoe “avy amin’ny”. Ny nahatonga ny olom-boaenjika iray hahavita hidera dia “avy amin’ny” soa na fanakaikesana nataon’Andriamanitra. Alahatry ny poeta voalohany ny teny ho “avy aminao” satria tiany hasiana tsindrim-peo kokoa izany.
Ny fiderako: Ny fiantsona ny teny hoe "salamo" amin’ny teny Hebreo dia “tehillah”, izay nadikan'ny LXX ho psalmos (i.e., nagasiana ho "salamo").
Raha jerentsika akaiky ny sahan-kevitra ankapoben'ny Salamo 22 dia milaza fa ny fahavalo dia mitangorona tahaka andiam-biby masiaka (andian’aliaka na liona izay mamiravira izay sendra eo anivony). Ny ao anatin'ilay olo-mijaly kosa anefa dia montsana ery: ny taolany mivaha, ny fanahiny toy ny rano araraka, ny fony miempo toy ny savoka. Tsy hahavita hamoaka fiderana ho an'Andriamanitra amin'ny herin'ny tenany intsony (satria tsy misy hery intsony).

Noho izany ny mpino dia miantso an’Andriamanitra hatrany na dia mihevitra ho matanjaka aza ny fahavalo sy na dia toa lavitra loatra aza ny Tompo.
Ny fanontaniana apetrako dia izao hoe, “Mahay manokatra ny mason-drahalahy miara-mivory amintsika hahita ny famonjena anao manokana ve ianao?” Ho antsika rehetra dia hoe, “Mahay midera an’Andriamanitra noho ny famonjena sy ny fanesorana tao amin’ny sarotra azon’ny rahalahy ve isika?”
Nampiasan’i Jesosy ny dikanteny Aramaika an'ity Salamo ity raha niala aina teo ambony hazofijaliana izy: “Eloi Eloi lama sabaktani”. Mbola asehon’ny mpanoratra ny filazantsara koa maro ny pitsopitsony tanteraka teo amin'ny hazofijaliana. Ohatra, nilokan’ireo fahafalony ny fitafian’i Jesosy (Sal. 22:18).

Tena natao ho antsika ory ity Salamo ity ka mila saintsainintsika ny andininy avy. Tsy maharikoriko ny Tompo ny fahoriantsika fa tena mihaino izy raha miantso Azy isika (Sal. 22:24).

Address

775 Briarwood Lane
Hurst, TX

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Teny Fototra Nanoratana ny Baiboly posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Featured

Share