CEG Vohemar

CEG Vohemar Collège d'Enseignement Général de Vohémar fondé en 1963
**Enseignement et Encadrement de qualité**

06/03/2024
SOUVENIR DU 60EME ANNIVERSAIRE DU COLLÈGE D'ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL DE VOHÉMAR,  LE JEUDI 22 FÉVRIER 2024 .
06/03/2024

SOUVENIR DU 60EME ANNIVERSAIRE DU COLLÈGE D'ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL DE VOHÉMAR, LE JEUDI 22 FÉVRIER 2024 .

CEG VOHÉMAR 60 TAONA NAHITANA MASOANDRO." Filaharam_be " Carnaval sur différents  themes" niainga avy teny amin'ny crois...
01/03/2024

CEG VOHÉMAR 60 TAONA NAHITANA MASOANDRO.

" Filaharam_be " Carnaval sur différents themes" niainga avy teny amin'ny croisement Diego namakivaky ny tananan'ny Vohémar ary niafara tato amin'ny tokotany malalakin'ny CEG Vohémar ny Alakamisy faha 22 Febroary 2024 teo nandraisan'ireo solon_tenan'ny mpianatra avy amin'ny Sekoly miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana eto an_tampon_tananan'ny Vohémar.

Ity carnaval ity dia natao indrindra hanehoana fa mpianatra vonona sady manana vina sy tanjona amin'ny asa hatao sy ivelomana aorian'ny fianarana mba tsy ho vesatry ny fiaraha_monina fa ho lasa olom_banona hampandroso ny fiaraha_monina.

Hita taratra teto arak'ireo sary ireo fa mamolavola olom_banonona ny CEG Vohémar sy ireo Sekoly maro nandray anjara tamin'ity Carnaval nanehoana lohahevitra isan_karazany ity.

Mbola ho entina eto amin'ny pejy amin'ny "publication" manaraka ny fandaharam_potoana hafa nentina nankalaza ity faha 60 TAONA nahitan'ny CEG VOHÉMAR masoandra ity.

Mbola hitohy....

CEG VOHÉMAR  60 ANS .Taorian'ny lanonam_panokafana tamin'ny fomba  ofosialy ny fankalazana ny faha 60 taonan'ny CEG Vohé...
29/02/2024

CEG VOHÉMAR 60 ANS .

Taorian'ny lanonam_panokafana tamin'ny fomba ofosialy ny fankalazana ny faha 60 taonan'ny CEG Vohémar dia niroso tamin'ny fitsidiana ny efitrano nanaovana fampirantina ny tantaran' ity Sekoly ity nanomboko tamin'ny taona 1963 ka hatramin'izao ( exposition sur l'historique du CEG de Vohémar ) ary izany dia naseho tamin'alalan'ireo Talentsekoly miisa 11 nifandimby, ireo maintimolaly mpianatra sy mpampianatra nanokatra sy nifandimby tamin'ity Sekoly CEG ity, ireo nandranto fahalalana tato ka mitana andraikitra ambony eto amin'ny firenena sy any i velany izay manaporofo fa namolavola olom_banona ity CEG ity ary ireo mpisehatra sy mpiara_ miombonantoka amin'ny fampandehanana ny fampianarana sy fanabeazana ato amin'ny CEG Vohémar amin'izao fotoana izao.

Fandaharam_potoana taorian'izany ny fitsidiana ny Annexe CEG Vohémar izay nahorita tamin'ny taona 1978 ary nosokafana tamin'ny taom_pianarana 1981_1982.
Marihina fa mbala tsy nandalo fanarenana mihitsy ity tranon_tsekoly ity ka efa ratsy dia ratsy . Antony nanaovana izao fitsidihana izao mba hitadiava_bahaolana amin'ny fanarenana azy.

Samy nampanantena fitadiavam_bahaolana ireo solontenam_panjakana niatrika teto.

Eto izahay fianakaviam_ben'ny CEG Vohémar dia misokatra sady efa mankasitraka sahady amin'izay rehetra tsara sitrapo vonona hanampy amin'ny fanarenana ny sekolintsika.

Ny fandaharam_potoana hafa nanamarihana ity fankalazana ity dia entina eto amin'ny pejy amin'ny "publication" manaraka.

Mbola hitohy....

CEG VOHÉMAR 60 TAONA.Ny alarobia faha 21 Febroary  2024 dia fifaninana vakiteny sy soratononina amina taranja malagasy ,...
28/02/2024

CEG VOHÉMAR 60 TAONA.

Ny alarobia faha 21 Febroary 2024 dia fifaninana vakiteny sy soratononina amina taranja malagasy , "concours de lecture et dictée " amina taranja frantsay izay natrehin'ireo mpianatra 6eme, 5eme, 4eme ary 3ème no nanokafana ny fankazana tamin'ny marina.

Mpianatra miisa 16 amin'ireo mpiadina maherin'ny 50 no voasivana ho roa voalohany ka notolorana loka avy tamin'ny Orange Madagascar sy fitaovam_pianarana avy tamin'ny Sekoly ho fisaorana sy famporisihana azy ireo hanatsara hatrany ny ezaka vitany.

Nisy ihany koa ny " concours de déguisement " nandraisan'ireo solontenan'ny Sekoly miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana rehetra nandritra ny "carnaval" namakivaky ny tananan'ny Vohémar ka ny 5 voalohany tamin'izy ireo dia samy nahazo ny anjarany tamin'ity fizarana loka izay natao ny zoma faha 23 Febroary ity.

Nahavelombolo sy nahafapo tanteraka ny fiarahana tamin'ny Orange Madagascar sy ny ekipany nandritr'izany ka tsy sasatra izahay misaotra azy ireo.

Marihina eto fa tsy sambany tamin'izao fankalazana ny faha 60 taonan'ny Sekoly izao ny fiarahana tamin'ny Orange Madagascar.

Ny fandaharam_potoana hafa nandravaka ny fankalazana dia entina eto amin'ny pejy amin'ny "publication " manaraka.

Mbola hitohy...

60eme  ANNIVERSAIRE CEG VOHÉMAR. Tontosa Soa amantsara ny fankalazana ny faha 60 taonan'ny CEG Vohémar izay natao nandri...
28/02/2024

60eme ANNIVERSAIRE CEG VOHÉMAR.

Tontosa Soa amantsara ny fankalazana ny faha 60 taonan'ny CEG Vohémar izay natao nandritran'ny telo andra misesy dia ny faha 21, 22 art 23 Febroary 2024 teto Vohémar.

Lanonam-panokafana natrehin'ireo solontenam_panjakana miaramila sy sivily teo ambany fitarihan'ny Lehiban'ny Distrikan'ny Vohémar ary notronin'ireo Sekoly miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana eto an_toerana sy ireo maintimolaly mpianatra , mpampianatra nandalo tato amin'ny CEG Vohémar.

Lohahevitra voizina mandritra ity fankalazagna ity ny hoe " CEG VOHEMAR SAJOA MITARIMY VARIO MAMALAVALA" .

Ireo rehetra nandray ny fitenenana dia samy nanindrahindra ny lanjan'ny fianarana sy ny asa fanabeazana raha nitodika indrindra indrindra tamin'ireo mpianatra vory maro be ary ny habetsahan'ny olona nandranto fianarana tamin'ity Sekoly ity miparitaka manerana ny vazan_tany efatra eto amin'ny firenena sy any ivelany ka reharehan'ny CEG sy ny firenena.

Tsara ny manamarika fa " partenaire " nandritra ity fankalazana ity ny Orange Madagascar ary tolorana fankasitrahana feno.

Maro ny fandaharam_potoana nentina nanamarika ity fankalazana ity ary ho entina eto amin'ny pejy amin'ny "publication " manaraka .

Miboka hitohy....

MBA  HIPETRAKA HO TANTARA ! Maro ny olo nandalo tato amin'ny CEG Vohémar. Ao ny nandranto fianaragna , ao ny nampianatra...
22/01/2024

MBA HIPETRAKA HO TANTARA !

Maro ny olo nandalo tato amin'ny CEG Vohémar. Ao ny nandranto fianaragna , ao ny nampianatra , ao koa irô nanagna andraikitra teo amin'ny fitantagnana ity" école ' ity tao agnatin'izay 60 taogno loso izay. Ka amin'izao fankalazagna ny faha 60 taogno nitsanganan'ny CEG Vohémar izao , dia mitodika amin'ny Maintimolaly mpianatra na Mpampianatra tato , na koa atsika mahafantatra irô olo voakasik'izegny ka managna na mahita sary ( Photo) na " noir et blanc" na " en couleur " hahitagna irô olo voalaza irô , dia hihangaviagna mba hametraka izegny eto amin'ny "Page fb CEG VOHÉMAR " na mivantagna ao amin'ny "bureau CEG Vohémar " mba ho rakitrin'ny hela , ho tahiry hipetra ato amin'ny CEG VOHÉMAR ka ho azon'olo jiaby tsidihigny manomboka amin'ny andron'ny fankalazagna.

Alô atsika hiaraka hanoratra ny tantaran'ity " SAJOA MITARIMY, VARIO MAMALAVALA" ( CEG VOHÉMAR ) ity mba ho lova tsy mety lo hoan'ny taranaka mifandimby.

Ny loso tsy fagnadigna . Misaotra atsika jiaby !

Address

Andranomasibe-I
Vohemar

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when CEG Vohemar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category