18/02/2026
Isaky ny ny dia miteraka tsindry mahery vaika afaka manosika ny tonga hatrany amin’ny 9 metatra eo ho eo, ary mahavoaka rà 70ml eo ho eo hoan'ny olona salama. Ity hery ity dia avy amin’ny fihenjanan’ny ventricule gauche, efitra lehibe indrindra mamoaka rà ao amin’ny fo.
Rehefa mihenjana izy, dia atosika any amin’ny aorte ny rà feno oxygène, ary zaraina manerana ny vatana manontolo. Tsy maintsy ambony be ary ampy tsara ny tsindry mba handresena ny herin’ny fisintonan’ny tany (gravité) sy ny fanoherana ao anatin’ny lalan-dra.
Io hery mahatalanjona io no ahafahan’ny fo manome oxygène tsy tapaka ny taova sy ny sela rehetra ao amin’ny vatana, izay tena ilaina amin’ny fahavelomany sy ny fahasalamana.
Santé Naturelle AINA SOA
Sanatria Ze Hitsoaka