ABCD School Tanambao Verrerie

ABCD School Tanambao Verrerie Tamatave

15/07/2025

⚖️ 𝗜𝗟𝗔𝗬 𝗔𝗡𝗞𝗜𝗭𝗬 𝗡𝗜𝗔𝗧𝗥𝗜𝗞𝗔 𝗙𝗜𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 🥺

Rehefa nisara-panambadiana ny ray aman-dreniny. Dia nanontanian’ny mpitsara ilay ankizy hoe:

➡️ “𝘐𝘻𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘪𝘻𝘺 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘯𝘰 𝘵𝘪𝘢𝘯𝘢𝘰 𝘩𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘪𝘱𝘦𝘵𝘳𝘢𝘬𝘢 ?”

Nangina ny efitra fitsarana rehefa namaly ilay zaza hoe:
🗣️ “𝘛𝘴𝘺 𝘧𝘪𝘥𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘳𝘢𝘺 𝘢𝘮𝘢𝘯-𝘥𝘳𝘦𝘯𝘺... 𝘵𝘦 𝘩𝘪𝘵𝘰𝘦𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘢𝘯𝘢𝘬𝘢𝘷𝘪𝘢𝘬𝘰 𝘢𝘩𝘰.”

💔 Teny tsotra, fa nandratra lalina.
Toa fitaratra nampiseho fa amin’ny farany, dia ny ankizy no mitondra ny enta-mavesatra rehetra rehefa potika ny fianakaviana.

Tsy misy vola hahasolo fitiavana.
Tsy misy harena ho doria noho ny fahatsiarovana mafana ao an-trano.
Tsy misy afaka hanome fiadanana ho an'ny fon'ny ankizy iray, afa-tsy ray aman-dreny mifankatia sy mifanaraka.

❌ Tsy midika akory izany hoe mijanòna, na dia mamono anao aza ilay fiarahana.

✅ Fa aoka ny tsirairay ho ray aman-dreny nofinofin’ny ankizy rehetra.

Ilay ray sy reny afaka mampitony, mamihina, mandre sy mahita, na dia amin’ny fotoana sarotra indrindra aza.

🎯 𝗭𝗮𝗿𝗮𝗼 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗺𝗯𝗮 𝗵𝗮𝗻𝗮𝗺𝗽𝘆 𝗻𝘆 𝗿𝗮𝘆 𝗮𝗺𝗮𝗻-𝗱𝗿𝗲𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗳𝗮.

INDRANA

Mila fifandraisana amin'olona ny zaza : miresaka , mitantara , maneho hevitra , henoina , mihomehy , sns . Ny rainy sy n...
14/06/2025

Mila fifandraisana amin'olona ny zaza : miresaka , mitantara , maneho hevitra , henoina , mihomehy , sns . Ny rainy sy ny reniny no olona voalohany tokony hifandray tsara amin'ny zaza ; dia izay vao ny namana sy ireo olon-kafa .

Happy🎉🎉🎂🎂
13/06/2025

Happy🎉🎉🎂🎂

Memory time
13/06/2025

Memory time

🔵 COMMUNIQUÉ OFFICIEL — A.B.C.D... SCHOOL TOAMASINA 🔵Chers enseignants,Chers parents,Chers élèves,Chers amis et fidèles ...
13/06/2025

🔵 COMMUNIQUÉ OFFICIEL — A.B.C.D... SCHOOL TOAMASINA 🔵

Chers enseignants,
Chers parents,
Chers élèves,
Chers amis et fidèles abonnés,

L’année scolaire touche bientôt à sa fin.
Nous tenons à exprimer notre profonde gratitude à chacun d’entre vous :
éducateurs dévoués, parents engagés, élèves courageux et frères et sœurs bien-aimés.

🙏 Merci pour votre confiance, vos efforts et votre collaboration tout au long de cette année.

✨ Malgré la fin des cours, notre page restera active.
Nous continuerons à y partager des messages inspirants et des enseignements utiles pour le bien de tous.

📢 N’hésitez pas à inviter vos proches à suivre notre page pour ne rien manquer de nos prochaines publications !

Ensemble, vers un avenir meilleur.
A.B.C.D... SCHOOL — Toamasina

06/12/2024

IREO ZAVATRA DIMY (5)
TENA ILAIN'NY ZAZA

Tsara ny hahafantarantsika ray aman-dreny ireo filan'ny zaza , izay miara- miasa mba hampivelatra amin'ny fahafenoany ny maha-olona azy : ara-batana , saina , fanahy , fiaraha- monina , ara-pihetseham-po .

Anisan'ireo zavatra tena ilain'ny zanakao ireto dimy (5) tanisaina manaraka ireto :

1) Mila fihetsehana ny zaza : mihetsika , mandady , mandeha , mihazakazaka , mitsambikina , sns . Ara-dalàna ny fihetsehan'ny zaza tahaka izany , izay midika ihany koa fa salama izy .

2) Mila fifandraisana amin'olona ny zaza : miresaka , mitantara , maneho hevitra , henoina , mihomehy , sns . Ny rainy sy ny reniny no olona voalohany tokony hifandray tsara amin'ny zaza ; dia izay vao ny namana sy ireo olon-kafa .

3) Mila lalao ny zaza : aminy dia tsy fandaniana andro na fialam- boly ny lalao fa fiainany mihitsy . Ilainy ny milalao samirery , fa ilainy tahaka izany koa ny miara- milalao amin'ny hafa .

4) Mila fiarovana ny zaza : satria mbola marefo amin'ny lafin-javatra maro izy , dia mila olona afaka ny hiaro azy . Ny ray sy ny reniny no olona inoan'ny zaza fa azony antoka indrindra hiaro azy eo amin'ny fiainana . Ao anatin'io fiarovana io ny filaminana sy ny fitoniana ao an-tokantrano .

5) Mila fifandraisana amin'ny zavaboary ny zaza : milalao amin'ny tany , fasika ; mifandray amin'ny rano , ny vato , ny zava-maniry , ny hazo , sy ireo biby maha te ho tia . Mitaiza ny fihetseham-pon'ny zaza ny fifandraisana amin'ny zavaboary no sady maneho aminy rahateo ny asatanan' Andriamanitra .

Satria filana voajanahary ho an'ny zaza ireo zavatra dimy (5) ireo dia adidintsika ray aman-dreny ny miezaka manaiky sy manao izay hahatanteraka izany araka izay azontsika atao .

Raha mitady na manao ireo zavatra ireo ny zanakao dia aoka tsy horaisinao ho ditra na filana vaniny akory izany . Mifalia fa ara-dalàna tsara izy .

Mila fandeferana kely sy faharetana betsaka avy amintsika ny zaza . Mila fanaraha- maso tsara ihany koa anefa .

04/12/2024

VESATRA SA FITAHIANA HO ANAO NY ZANAKAO?

👉Mety nifanambady tsy fidiny vokatry ny fitondrana voaka ianareo mivady
👉Mety bevoaka tsy nahy tao anaty fanambadiana ihany koa ianao na ny vadinao
👉Mety efa tena nitandrina mihitsy ianareo nefa mbola bevoaka ihany
👉Mety nanan'anaka araka ny safidinareo sy nirianareo mivady mihitsy ihany koa anefa.
👉Tao ihany koa ny efa nitady zanaka fatratra, nahazo ihany ny farany.....

Na nanao ahoana na nanao ahoana ny fomba nazahoana ny zanantsika DIA harena sy fitahiana ho antsika izy ireny; Sanatria sanatria ny hiteny hoe "fijaliana, vesatra, fahoriana"
Tena mpamelona fifaliana sy fanantenana ho antsika ny fisian'ny zanantsika.

Anisany antony goavana manosika antsika hanao ny "maximum" ihany koa ny fananantsika ireny menaky ny aintsika ireny MBA hananany fiainana feno fahatsarana

Noho izany dia tery hampahery manokana ny Ray amandreny rehetra aho androany, indrindra ho an'ireo izay mitolona mafy na mitolona irery mba hahatafitan' ny zanany:
Aza manahy! Aza matahotra!
"Bon courage dada/neny"
Vitanao io, tafitanao io, hampamirapiratra ny zanakao Andriamanitra.

"Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra an'ireny va ianareo?" Matio 6:26
Amen🙏

Fanamarinana:
👉Reseo re Tompoko ny hakamoana, mihetse, mikirìza, mahareta FA hanampy anao Andriamanitra
👉Mamafaza teny tsara isan'andro: olom-banona ny zanako, manana ny maha izy azy ny zanako, ...
Izay tianao ho tanteraka amin'ny fiainan'ny zanakao DIA hafafazo isan'andro amin'ny alalan'ny "tenim-pinoana"

Mahereza dada/ neny/ dada sy neny a!
Fafao ny ranomaso
Mitrakà,
Tsy hamela anao/anareo hiady irery Andriamanitra

20/02/2024

"Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, Fandrao mba adala tahaka azy koa hianao" (Ohab. 26:4)

09 juin 2023
14/06/2023

09 juin 2023

14/08/2022
Holiday
28/06/2022

Holiday

Address

Tanambao Verrerie
Toamasina

Telephone

+261348840223

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ABCD School Tanambao Verrerie posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The School

Send a message to ABCD School Tanambao Verrerie:

Shortcuts

Share

Category