09/02/2024
Misaotra
Azafady
Mifona
MISAOTRA - AZAFADY - MIFONA
Tsy manambany ny tenanao velively ny miteny ireo teny ireo amin’ny zazakely na mbola tsy mahazo resaka sy tsy miteny aza ny vavany.
Olombelona feno saina, vatana, fanahy ny zazakely. Raha vao kely izy dia zarinao ireo teny ireo dia lasa toetra tsara raikitapisaka ao aminy ny fanajana olona sy ny fahalalana ny tsy mety.
Noho izany rehefa misy zavatra tsara ataony na hapanaovinao azy ka vitany tsara dia hisaory izy.
Raha misy tsy mety nataonao, fahadisoana, na voadinganao izy ohatra, na voadonanao tsy nahy, dia manaova azafady.
Raha misy toetra tsy tokony ataonao, na fihetsika tsy voahevitra na natao tao anaty fahatezerana natao dia mba mifona.
Tsy mampihena ny autorité anao amin’ny maha ray amandreny anao izany, ary tsy mahamenatra fa mampianatra azy ho olombanona.
Toy ilay mankasitraka sy mandoka rehefa misy zavatra mety atao ihany.
Mirary soa antsika ray amandreny sy mpanabe amin’ny adidy goavana sahanintsika.
malagasy_little_mom