Ratrema willy sterling

Ratrema willy sterling Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ratrema willy sterling, Education, Bizo Ambalamanasy carreau 1, Toamasina.

TSABORAHA SY NY FANOMBOHANA NY RASAVÔLAGNA ISAKARAZAN:Araka ny fomba Betsimisaraka dia tsy mety ny hoe tsy mifamaly resa...
07/09/2025

TSABORAHA SY NY FANOMBOHANA NY RASAVÔLAGNA ISAKARAZAN:
Araka ny fomba Betsimisaraka dia tsy mety ny hoe tsy mifamaly resaka . Izany hoe mandritran'ny lagnonagna ara-dRazagna dia tsimaintsy misy ny Mpirasavôlagna Ary misy ny mpamaly.
Araka izay tsy olona rehetra no hiaraka hamaly an'io Rasavôlagna io fa misy olona voatokana izay isafian'ny Tangalamèna rehetra vory ka igny no antsoigna hoe '' Solombavam-bahoaka '' Izay misolo vavan'ny rehetra Ary ny ambiny kosa manampy izay nolazainy.

MBA ahafahagna manao an'io fifidianana io dia misy ny Rasavôlagna izay amitrahagna zava-pisotro mba hofanomezam-boninahitra ny rehetra.
Raha toa ka vita Izay dia miroso amin'ny fididianana ireo Tangalamèna izay hitondra tenin'izy ireo.
Rehefa vita Izay dia miditra amin'ny dingana manaraka ny mpitarika sy ny tompon'ny Tsaboraha.

'' VALAVO TSY MIALA LAHATRA OLOMBELOGNA TSY MIALA FOMBA'', '' TSARA RAHA MISY FOMBANY, RATSY RAHA MISY FOMBANY''
© Ratrema w***y sterling 2025 (Guide Anthropologue, Spécialiste en anthropologie culturel).

06/08/2025

Je suis sur la liste des interactions hebdomadaires de Origin of Knowledge and Wisdom English Course.

Tsara fomban-dRazagna
10/07/2025

Tsara fomban-dRazagna

09/07/2025

Je fais partie du top 22 % des fans de Origin of Knowledge and Wisdom English Course. J’ai gagné 105 points sur sa liste des interactions hebdomadaires la semaine dernière.

02/07/2025

J’ai accepté 1 badge de fan de Fabrïçïæ Nën'ÿ.

Rehefa mianatra Maintenance informatique Hardware sy Software Igny, matetika ny hitrangany hoe:" Monsieur, aiza moh plac...
30/06/2025

Rehefa mianatra Maintenance informatique Hardware sy Software Igny, matetika ny hitrangany hoe:" Monsieur, aiza moh placen'ny pièces reto fa tsitsaroako?, Monsieur, karaha tsy mety velogna ordinateur ty nefa Zavatra jiaby efa bien montés?, Monsieur, karaha lasa tsy nandeha dreky souris nefa izy Téo nandeha tsara.''

Tonga mianatra maintenance informatique ato aminay fa mahafinaritra no Sady tsara koa mahay Raha. Tsy mila mandoa vola anw ra simba ordinateur Ary AFA fogna tompony magnano azy.
✍️ Droit fotsiny no aloa fa tsy misy écolage, mianatra isanandro mandritran'ny 2 volana.
📞0344973786
📆Fidirana: 07 Juillet 2025
🏠Toerana: Mangarivotra Sud ampitan'ny IFT, ankaikin'ny Stadium Barikadimy. (TAMATAVE)
PRATIQUE ISAKY NY MIANATRA

21/06/2025

Un grand merci à mes nouveaux followers ! Jhonny Judicael, Fabyen, Fabrïçïæ Nën'ÿ

DOANY  ANDRIAMISARA TSINJOARIVO "Marovoay " Renivohitra Sakalava ny Boeny  ●Any BEZAVO "Marambitsy Tongay" no tanàna mis...
16/06/2025

DOANY ANDRIAMISARA TSINJOARIVO "Marovoay " Renivohitra Sakalava ny Boeny

●Any BEZAVO "Marambitsy Tongay" no tanàna misy Ny an' i ANDRIAMANDISOARIVO sy Mahabo izay nanasitriana'azy ,Fa tao MAROVOAY kosa izy no nanangana ny Fanjakan'i Boeny sy nanorina ny DOANY izay antsoina hoe TSINJOARIVO no nanapetrahany an'ireo Reliques ny Babany ANDRIANDAHIFOTSY sy Dadilahiny ANDRIAMISARA.

●Tao no nitondrasana ny Fanjakan'IBOINA na i BOENY tamin'izany andro, mbola tsy EFA-DAHY MANAN-KASINA no Reliques tao tamin'izany fa mbola ROA MANAN-KASINA ihany dia i ANDRIANDAHIFOTSY sy ANDRIAMISARA.

●rehefa Folaka n'a niamboho i ANDRIAMANDISOARIVO dia nisy ny ampahany nanalana no nampidirana tao ihany koa ka lasa TELO.

●Nandimby azy indray ny Zanany Lahy izay antsoina hoe ANDRIAMBOENIARVO dia mbola nitondra ny Fanjakan'i Boeny tao MAROVOAY Doany TSINJOARIVO ihany.

●Rehefa folaka i ANDRIAMBOENIARVO dia nisy ampahany nanalana ihany koa ka nampidirana natambatra tao amin'ny Reliques ireo dia lasa EFATRA .

●Izay no antsoina hoe ANDRIAMISARA EFA-DAHY MANAN-KASINA "KWEZI MANAGNAHY "

●Ankehitriny moa dia efa nafindra ao Doany MIARINARIVO MAHAJANGA VILLE no Doany misy an' ireo "Reliques " Dady ANDRIAMISARA EFA-DAHY MANAN-KASINA.

Ity no sary maneho any DOANY ANDRIAMISARA TSINJOARIVO
"MAROVOAY" MAHAJANGA



🤲 MAZAHOA NY MAEVA ANTSIKA JIABY 🤲

🔥FITSÔFAGNAFO🔥Faly miarahaba antsika jiaby. Maro antsika avahizo rehefa misy fety atô ka mamahatrafo tsy magnano fitsôfa...
09/06/2025

🔥FITSÔFAGNAFO🔥
Faly miarahaba antsika jiaby. Maro antsika avahizo rehefa misy fety atô ka mamahatrafo tsy magnano fitsôfagnafo.
Ny fitsôfagnafo dia fomba amampanaon'ny Betsimisaraka izay hoentiny hisôragna sy hagnataham-pitahiagna avy amin'i Zagnahary sy ireo Razagna Ary ireo Fagnahy izay inoany fa mitahy.
Mandritran'izay dia, mametraka zava-pitsotro toy ny Toaka, Bètsa, Tintely, Limonade ary mety misy ihany koa bonbons (Vilivily) izay atolotra ireo fagnahin-jaza. Ka atao io fomba io hiangaviagna ihany koa hoan'ireo izay magnano taba( magnano raharaha) mandritran'ny fety.

Mitodika magnavaratra antsignianagna rehefa magnano Ilay jôro sy rasavôlagna ka angatahigna agnatin'izay ny soa sy meva rehetra.
FOMBA TSY MIALA FOMBA, TSARA RAHA MISY FOMBANY RATSY RAHA MISY FOMBANY.
©Ratrema w***y sterling
📷Willy Sterling Ratrema📷

🚩 Ny Afana : fomba Malagasy fialana sy fanalana ny loza .Ny fombafomba rehetra entina manadio na manalavitra ny ratsy, n...
19/05/2025

🚩 Ny Afana : fomba Malagasy fialana sy fanalana ny loza .

Ny fombafomba rehetra entina manadio na manalavitra ny ratsy, ny loza atahorana no atao hoe *Afana* .

🚩 ireo zavatra fampiasa rehefa manao afana

Ny rano ,biby vonoina,ny ram-biby no fampiasa rehefa manao ny Afana

🚩 ireo toe-javatra ilaina anaovana ny Afana

1. Rehefa avy mandevina ka iala loza dia mamono omby taminy andron'ny ntaolo atao Afana.
2. Mialohan'ny anao lanonana ahiana hisy hisompatra dia tokony manao afana ny tompon'andraikitra aminy lanonana mba tsy hisy ny sampona .
3. Raha nisy namorika koa afa-doza dia fomba ny manao afana ho fanalana ny loza sy fisorohana izay ahiana mbola hiseho.
4. Raha mandeha manasina koa manajoro zanahary aminy olona iray dia fomba ny manao afana mba ahafahan'ny tena fanahy marina miditra aminy sahany izay ajoro.
5. Rehefa manao vakitany dia fomba ny manao Afana mba ho azo antoka fa ahasitrana sy anampy ny olona maka ny tany masina ny tany *Nahafana*

Na izany na tsy izany dia misy ny tonon'andro manokana afaka anaovana ny Afana fa tsy izay andro rehetra akory dia mety; mba tsy ahatonga ny ohatrin'ny ntaolo hoe * Midodododo amin-doza toy ny omby hatao afana* .

Address

Bizo Ambalamanasy Carreau 1
Toamasina
501

Telephone

+261344973786

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ratrema willy sterling posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The School

Send a message to Ratrema willy sterling:

Shortcuts

Share

Category