16/05/2026
Osù, elaela indray izahay tsy nizara sombitsombin'ny kotrana eh? 😊
Ireto no nataonay androany Sabotsy 16 May:
- Échauffement: nihazakazaka sur place + burpees revisité
- Kihon: Tsuki wasa 👊🏽, Uke wasa 💪🏽, sy Keri Wasa 🦵🏽
- Assouplissement et étirements: nanao exercices maha souple kokoa ny fe sy ny tapany ambanin'ny vatana (gedan) mba ahatsara kokoa ny daka (keri na geri ) 🤸🏽♀️
- Kata: Namerimberina ny 5 kata de bases, fa namerina ihany koa ny kata "Teki Shodan" sy "Basai Dai" ✨
Ho anareo izay liana, marihana fa ny entraînement anay dia isaky ny:
• Talata sy Alakamisy hariva: 06 ora ka hatramin'ny 07 ora sy sasany ao amin'ny LP MASCA Sabotsy Namehana 📍
• Sabotsy maraina: amin'ny 07 ora sy sasany ka hatramin'ny 09 ora sy sasany ao amin'ny LP Kiady Sabotsy Namehana 📍
20/03/2026
Miarahaba azy 22 mianadahy/ mianaka nahazo grade vaovao 👏🏾🥳
Manomboka amin'ny ceinture jaune: (7ème kyu 🟡 ka hatramin'ny ceinture marron: 3ème kyu 🟤)
Misy teny kely ireo hafaran'izy ireo ho anareo mpijery rehetra 💕
17/03/2026
Remise de grade/ ceinture: le protocole - ny fandehan-draharaha SHOTOKAN KARATÉ DO 🥋
1️⃣ Milahatra ny mpianatra afaka fanadinana arakaraky ny grade ✨ (blanche, ao aorinanany: jaune, avy eo verte, avy eo bleue tanora, bleue antitra, maron, noire )
2️⃣- Manao position "SEIZA" (position mandohalika) ny mpianatra, ny Shihan sy Sensei (haut-gradés hanolotra ceinture) eny aloha. Manao "salut": "OSU" ny mpianatra valian'ny mpampianatra 👌🏾
3️⃣ Antsoina tsirairay ny mpianatra ho tolorana ceinture 🥋
4️⃣ Kapohan'ny haut-gradés amin'ny ceinture-ny taloha ilay mpianatra 🤭🤣 MBA TSY HIVERENANY AMIN'INY GRADE INY INTSONY ( tsy mamerina ny hadisoana tamin'izany, miezaka ny ho tsara kokoa hatrany) 💪🏾
5️⃣ Ny mpianatra no manao ny noeud voalohany amin'ny ceinture-ny 👌🏾 faranan'ny mpampianatra avy eo ny famatorana ny OBI (ceinture) 🥋
6️⃣ Efa mipetraka ny grade vaovao, manao "salut": "OSU" ny mpianatra, avlian'ny mampianatra. Manome ny toromarika fanampiny ny Shihan sy Sensei ✨
Ireto hitanareo amin' sary ireto ny fanolorana ny grade-n'ny mpianatra ato amin'ny AS MASCA-KIADY KARATÉ DO 🐅🥋
21/02/2026
Fifampiarahabana tratry ny taona 2026 n'ny club AS MASCA-KIADY karaté Do ✨
Enga anie mba ho zina sy feno fahasoavana ity taona ity, ho anay, fa ho anareo ihany koa 🥋
( Misaotra ny lycée KIADY mampiantrano, misaotra betsaka an'ireo ray aman-dreny sy mpianatra nanotrona ihany koa ❤️)
19/12/2025
Ampahan'ny sary tamin'ny démonstration nataon'ny club tamin'ny fety Noely tao tao amin'ny LP Kiady ✨🥋
Misaotra betsaka ny sekoly, misaotra betsaka ny mpanatrika, misaotra ny mpampianatra misaotra betsaka antsika mpianatra ihany koa 💕
Ho an'ny efa mpianatra na ireo izay maniry ny hianatra, amin'ny Talata 13 Janoary ny fidirana. Mirary fety sambatra antsika rehetra 🎄🎁
02/12/2025
Osu, tsy nisy entraînement ny Talata sy Alakamisy hariva tatoato noho ny orana be sy ho fitsinjovana ireo mbola mody lavitra 🌧️ Kanefa fahavaratra isika izao, latsaka foana ny orana, sady efa ela tsy nisy kotrana 🥋 Ka rehefa tsy oram-be, dia alao tonga ihany izay afaka, izay mety tsy hanana olana amin'ny fodiana, dia mba samy mitondra elo sy aron'akanjo daholo...☂️
06/08/2025
Izahay ato amin'ny AS Masca-Kiady karaté Do dia faly mandray anareo mpianatra vaovao fa indrindra namana vaovao!!! 🥰
Mbola mandray mpianatra vaovao maniry ny hianatra ny haiady karaté foana izahay. Ka tongava hikotrana isaky ny:
• Talata amin'ny 6 ora hariva ao amin'ny LP MASCA
• Alakamisy amin'ny 6 ora hariva ao amin'ny LP MASCA
• Asabotsy amin'ny 7 ora maraina ao amin'ny LP Kiady
Osù!!! 🥋
21/07/2025
‼️ Filazana ‼️
Noho ny fanadinana Baccalauréat, dia tsy misy kotrana ao amin'ny LP MASCA Sab Nam ny:
• Talata 22 Jolay
• Alakamisy 24 Jolay
Amin'ny Asabotsy 26 Jolay indray isika mihoana ao amin'ny LP Kiady. Osù 🥋