Ireo tantara mahaliana no sady mifono lesona / Cheikh Saiky

Ireo tantara mahaliana no sady mifono lesona / Cheikh Saiky

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ireo tantara mahaliana no sady mifono lesona / Cheikh Saiky, College & University, Sabotsy-Namehana.

Photos from Ireo tantara mahaliana no sady mifono lesona / Cheikh Saiky's post 01/10/2021
20/09/2021
23/08/2021

TENY MIENDRIKA SORATANA AMIN'NY ENCRE VOLAMENA.

Photos from Ireo tantara mahaliana no sady mifono lesona / Cheikh Saiky's post 21/08/2021

NY TSY RARINY (A-DHOULM) SY TANTARA MIFANDRAY AMIN'IZANY.

09/08/2021

FANONTANIANA:

Ny olombelona dia Namboarin'Andriamanitra avy tamin'ny tany. Ny anjely dia namboarin'Andriamanitra avy tamin'ny hazavana. Ny jinn dia namboarin'Andriamanitra avy tamin'ny afo. Ka namboarin'Andriamanitra avy tamin'ny inona koa ary ny biby ?

VALINY:

وَاللَّهُ خَلَقَ كُلَّ دَابَّةٍ مِنْ مَاءٍ ۖ فَمِنْهُمْ مَنْ يَمْشِي عَلَىٰ بَطْنِهِ وَمِنْهُمْ مَنْ يَمْشِي عَلَىٰ رِجْلَيْنِ وَمِنْهُمْ مَنْ يَمْشِي عَلَىٰ أَرْبَعٍ ۚ يَخْلُقُ اللَّهُ مَا يَشَاءُ ۚ إِنَّ اللَّهَ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ

(((Ary Noharian'Andriamanitra avy amin'ny rano ny biby rehetra. Misy amin'izy ireo, mandeha amin'ny kibony, ny sasany mandeha amin'ny tongotra roa, ary ny sasany hafa mandeha amin'ny tongotra efatra. Mahary araka izay tiany Andriamanitra, fa Mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra.)))

An Noor: 24/45

13/07/2021

ILAY ANKIZY NOANA NANGALATRA ATSENDRY:

Tamin’ny fotoanan'i Mpaminany Mouhammad (s.a.w) dia nisy ankizy lahy iray izay zanak'olona mahantra no nipetraka tao amin'ny tanàna Madinatoul-Mounawar. Indray andro anefa ity ankizy ity dia noana tena noana tokoa, ka rehefa nandalo tamin’ny toerana iray izay misy tanim-boly ity ankizy lahy ity dia naniry tehihinana ireo voakazo eo amin'ny tanim-boly io. Marihina fa tanim-boly izany dia feno voakazo mitsiry tokoa ary ireo voakazo ireo dia efa masaka daholo no sady mahatehotia ny mijery ny lokony noho ny hamasahany. Teo dia nijery ny manondidina azy ankizy lahy ity ka hitany tokoa fa tsy misy olona ny manondidina azy, ary teo izy no nahatsapa fa tsy misy olona mahita izy. Naka vato ary ankizy lahy ity, ka nitoraka ny atsendry teny ambony. Ary nilatsaka teo amin’ny tany tokoa ireny atsendry ireny noho ny toraka izay nataony ka nilatraka tahaka ny orana ireny ny filatrahany noho ny habetrahany. Nitsoponiny ary ireny atsendry efa latraka ireny ary nohaniny. Tampoka teo anefa dia nandalo ilay Rangahy tompon'ny tanim-boly, ka nahatazana ilay ankizy lahy naka atsendry iny teo am-pihinana ny atrendry. Nisamborin'ilay Rangahy tompon'ny atsendry ilay ankizy lahy, teo anefa dia nialatsiny sy nifono tamin’ny Rangahy tompon'y tanim-boly iny ankizy lahy ity ary nilaza fa tsy hamerina intsony, ary niangavy mafy tamin'ilay Rangahy izy mba tsy hikapoka azy, nefa mbola nikapohiny Rangahy iny ihany izy ary mbola nalain'ilay Rangahy ny lamba izay notafiany. Ka lasa ary ilay ankizy lahy ity handeha hanambara an'i Mpaminany (s.a.w) sy hitaraina amin’i Mpaminany (s.a.w). Teo i Mpaminany (s.a.w) dia nampiantso an'ilay Rangahy tompon'ny tanim-boly iny, ka rehefa tonga teo anatrehan'i Mpaminany (s.a.w) ilay Rangahy dia nantaniany hoe: fa nahoana ankizy lahy io no kapohinao no sady nalainao ny lamba nitafiany? Ka nanazava ilay Rangahy hoe: Io ankizy lahy io dia naka atsendry teo amin’ny tanim-boliko nefa tsy nahazo alalana avy amiko izy.
Teo i Mpaminany (s.a.w) namaly azy hoe: " Fa nahoana izy no tsy nanarinao raha ohatra ka tsy nahafantatra, ary tsy nampihinaninao raha toa ka noana, omeo azy iny lamba fitafiny iny"
Izany hoe, i Mpaminany (s.a.w) dia nanambara tamin'ilay Rangahy mba hananatra any ankizy lahy iny amin'ny hadisoana izay nataony ary mba hampihinana sakafo azy satria noho ny hanoanana nahazo an'ilay ankizy iny no nahatonga azy tafanao hadisoana iny. fa ny fikapohana sy ny fankana ny lamba izay notafiany iny kosa dia tsy vahaolana.

-Ny lesona azo tsohana amin'ny tantara io dia:

1- Raha maditra ny ankizy dia tsy vahaolana mihintsy ny fikapohana azy.

2- Raha misy olona nohana izay itanao fa tena noana tokoa dia mba omeo sakafo izy.

12/07/2021

ILAY VEHIVAVY MPIOGO VOLON'I ZANAKA VAVIN'I FARAONA:

Tamin’ny fotoanan'ny min'ràj, izany hoe tamin'ny fotoanan'i Mpaminany Mouhammad (s.a.w) niakatra na nanao voyage tany an-danitra dia niakatra tany amin'ny lanitra fahafito izy, ary nientin'i Anjely Jibril (Gabriela) a.s izy mba hitsidika ny paradisa. Rehefa nandalo tao amin'ny paradisa anefa i Mpaminany dia nahaeno fofona manitra, gaga i Mpaminany (s.a.w) ka nanontany an'i Anjely Jibril (a.s) izy hoe: "Inona izany fofona manitra be izany ry Jibril ? " Dia namaly i Jibril (a.s) hoe: "izany dia fofon'i Vehivavy mpiogo volon'i Zanakavavin'i Faraona" dia nanontany azy indray i Mpaminany (s.a.w) hoe: " Afaka mba tantarainao amiko ve ny tantarany vehivavy izany? "
Dia namaly azy i Anjely Jibril (a.s) hoe: Io vehivavy io dia niasa tao amin'ny tranon'i Faraona, ny asany tao dia mpiogo volon'i Zanakavavin'i Faraona, izy no mpikarakara zanakavavin'i Faraona io ary mpanara-maso azy.
Indray andro anefa rehefa niogo volon'i Zanakavavin'i Faraona ilay vehivavy io dia latraka teo ambany ilay fiogo, ka nalain'ilay vehivavy iny anefa ilay fiogo latraka teo ambany iny no sady niteny ilay vehivavy iny hoe: "BISMILAHI"
Teo anefa dia niteny ilay zanakavavin'i Faraona iny hoe "Abi" (papako)
Dia namaly ilay vehivavy hoe: papanao anie tsy Andriamanitra, ka izany no nahatonga ahy niteny hoe: "BISMILAHI, Allah Ilay Tompoko sy Tomponao ary ilay Tompon'i Papanao "
Dia namaly indray ilay Zanakavavin'i Faraona hoe: "ho hambarako an'i Papako ianao"
Namaly ilay vehivavy hoe: "alefaso ary izay tinao hatao"
Dia lasa tokoa ary ilay zanakavavin'i Faraona iny hanambara an'i Papany, ka niteny tamin'i Papany ilay zanakavavin'i Faraona iny hoe: Ry papa ô! vehivavy mpiogo voloko iny anie manompo Andriamanitra hafa ankoatra anao"
Raha vao nahaeno izany teny izany anefa i Faraona tonga dia nanantona any vehivavy iny avy hatrany ka nanontany azy i Faraona hoe: "ianao ve manompo Andriamanitra hafa ankoatra ahy? "
Dia namaly ilay vehivavy hoe: Eny, izaho dia manompo Andriamanitra Tompoko sy Tomponao ary Tompon'izao tontolo izao"
Tezitra avy hatrany anefa i Faraona raha vao nahaeno izany teny izany ka naniraka ireo miaramilany izy haka lafaoro izay maka endrika sary omby no sady vita avy tamin'ny saba, ary nampiretina afo izany lafaoro izany, avy eo izy dia naniraka ireo miaramilany indray mba hampidirina ao amin'ny lafaoro ilay vehivavy mpiogo volon'i Zanakavavin'i Faraona sy ireo zanany, doroina ao izy ireo ary tsy avela mihintsy raha tsy maty.

Teo anefa ilay vehivavy mpiogo volon'i Zanakavavin'i Faraona iny dia nangataka tamin’i Faraona, zavatra iray fotsiny no nangatahany tamin’i Faraona hoe: " Aoka mba hantabatranao ho iray ny taolako sy ny taolan'ireo zanako ary haleveno ao amin'ny lavaka iray"
Neken'i Faraona anefa izany hataka nataony izany.
Nanomboka teo anefa dia nandidy ireo miaramilany indray i Faraona mba hampiditra ireo zanan'ilay vehivavy ao amin'ny lafaoro, izany hoe, tsy ampidirina miaraka ao izy ireo fa ampidirina tsirairay ao amin'ny lafaoro, ary izany fandoroana an'ireo zaza ireo izany dia atao eo anatrehan'ny renin'izy ireo mihintsy.
Ka nampidirina tsirairay ao amin'ny lafaoro izay maka endrika sary omby no sady vita avy tamin'ny saba iny tokoa ary ireo ankizy ireo. Ka rehefa hampidirina ao amin'izay ary ilay ankizy kely iray izay mbola zanakan'i vehivavy iny foana, izay zaza mbola kely dia kely tokoa no sady mbola minono, dia nitaraina mafy be ilay vehivavy mpiogo volon'i Zanakavavin'i Faraona iny no sady nikiakiaka mafy satria tena tsy nizakany ny nahita any zanany mbola minono iny no hampidirina ao amin'ny lafaoro. Teo dia Nampitenenin'Andriamanitra ilay zaza kely mbola minono iny hoe: " Mama ô! aoka ianao hanana faharetana, fa tena marina ny sazy eto antany dia maivana mihoatra ny sazy any an-koatra".

Ka rehefa maty daholo ireny zanakan'i vehivavy mpiogo volon'i Zanakavavin'i Faraona ireny dia nampidirina ao koa ilay vehivavy mpiogo volon'i Zanakavavin'i Faraona ka lasa maty voadoro tao amin'ny lafaoro tao daholo izy mianaka.
Ka iny taolan'i Vehivavy iny sy taolan'ny zanany ireny dia navadikin'Andriamanitra ho lasa fofona manitra ao amin'ny Paradisa. Ka izany fofona manitra izany no nihenon'i Mpaminany (s.a.w) rehefa i mpaminany (s.a.w) niakatra tany an-danitra sy nandalo tao amin'ny Paradisa.

Ny lesona azo tsohana amin'ny tantara io dia:

1- Aoka isika rehefa isaka hiatomboka amin'ny zavatra iray dia mba hiteny hoe: BISMILAHI"

2- Na inona na inona ny fitsapana mandalo aminao dia fadio mihintsy ny hivadika amin'ny finoana An'Ilay Mpahary. Ataovo tahaka an'ilay vehivavy mpiogo volon'i Zanakavavin'i Faraona iny ny finoana izay ao anatinao, na dia nandalo fisedrana mafy aza izy dia tsy nivadika tamin'Ilay Mpahary velively.

12/07/2021

-ILAY ANKIZY LAHY NAMAZIVAZY AZAN:

Indray andro dia nisy ankizy lahy maromaro no nandalo teo akaikin’ny masjid tamin’ny fotoanan'ny swalat, anisan'ny niaraka tamin'ireo ankizy ireo koa i Abou Mahzourat, rehefa nahaeno azan anefa ireto ankizy lahy maromaro ireto dia nanaraka koa izy ireo no sady nivazavaza sy nanesoheso an'ilay azan, nihenon'i Mpaminany (s.a.w) anefa izany famazivaziana sy fanesoana nataon'izy ireo izany. Teo i Mpaminany (s.a.w) dia naniraka olona hanambotra an'ireny ankizy ireny, ka rehefa voasambotra anefa ireny ankizy ireny dia nantanian'i Mpaminany (s.a.w) izy ireo hoe: "iza aminareo no nivazavaza sy nanesoheso ny azan teo? " dia niara-nanonjo an'i Abou Mahzourat daholo anefa ny ankizy rehetra teo. Teo i Abou Mahzourat dia nalahelo no sady kivy rehefa nanonjo azy daholo ireny namany ireny. Mpaminany (s.a.w) kosa anefa dia niangavy an'i Abou Mahzourat mba ho anisan'ireo mpanao azan ao amin'ny masjid, kivy anefa i Abou Mahzourat tamin'izany fotoana izany ary tsy fantany hoe inona ny havaliny an'i Mpaminany (s.a.w), niezaka nanitsy azy ihany anefa i Mpaminany (s.a.w) ary nanatra azy sy nanoro azy an'ireo fepetra izay takiana amin'ny azan izany, avy eo dia nomen'i Mpaminany (s.a.w) vola i Abou Mahzourat no sady nomeny sodrano hoe: " Barak'Allah laka" (Fahasoavan'Andriamanitra anie ho eo aminao.) Toy izany hatrany anefa ny nataon'i Mpaminany (s.a.w) isaka mifanena aminy i Abou Mahzourat, Miezaka mananatra sy manitsy azy ary manao teny malefaka aminy, kivy anefa i Abou Mahzourat isaka mafanena aminy i Mpaminany (s.a.w) satria i Mpaminany (s.a.w) isaka mifanena aminy dia miezaka mandresy lahatra azy hatrany. indray andro anefa dia resy lahatra ihany i Abou Mahzourat ka nanantona an'i Mpaminany (s.a.w) izy hianatra hanao tsianjery azan, sy ireo fahalala-pomba (adab) eo amin'ny azan. Taty aoriana anefa dia lasa anisan'ireo mpanao azan tao amin'ny masjid nabi i Abou Mahzourat ary lasa mpanantateraka ireo fanompoana swalat in-dimy isanandro.

11/07/2021

NY OLONA ANTITRA DIA TSY MIDITRA PARADISA.

Indray andro dia nisy
vehivavy antitra iray no nanantona an'i Mpaminany Mouhammad (s.a.w) ka niangavy an'i Mpaminany (s.a.w) izy hoe " Ry Irak'Andriamanitra! angataho dou'an zaho mba ho ampidirin'Andriamanitra ao Paradisa" Teo i Mpaminany dia nijery azy no sady nitsikitsiky ary niteny hoe "Ny olona antitra dia tsy hiditra paradisa velively " Rehefa nahaeno resaka iny ilay vehivavy antitra ity dia nalahelo no sady nandeha nody any antranony avy hatrany , satria ny ao antsainy vehivavy iny dia tsy hiditra paradisa mandrakizay mihintsy ny olona antitra, tsy fantan'i Vehivavy antitra ity anefa fa nisangisangy azy fotsiny i Mpaminany (s.a.s). Teo anefa i Mpaminany dia naniraka ireo mpanaradiany avy hatrany hoe: " Tenenonareo izy(ilay vehivavy antitra iny) tsy ny fahanteranao io no hiditra any paradisa" Izany hoe ny olona antitra rehetra rehefa ampidirina ao amin'i Paradisa dia lasa tanora ary tsy ho hantitra velively. Rehefa nazava tsara tamin’i vehivavy iny anefa ny tian'i Mpaminany ho hambara dia faly avy hatrany ilay vehivavy antitra iny, no sady nisaotra sy nidera an'Allah ary nanantateraka ireo fanompoana swalat.

Want your school to be the top-listed School/college in Sabotsy-Namehana?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Telephone

Website

Address

Sabotsy-Namehana