20/05/2026
13 Mai 2026-14 Mai 2026
🌸✨🙏 **FANKALAZANA NY FETIN’I MASIMBAVY Marie Dominique Mazzarello** 🙏✨🌸
💖 Marie Dominique Mazzarello dia relijiozy italiana niara-nanorina ny Filles de Marie Auxiliatrice niaraka tamin’i Don Bosco. Vehivavy tsotra sy feno finoana izy, nanokana ny fiainany hanabeazana sy hanampiana ireo tanora indrindra ireo sahirana.
✔️Izy dia mpiahy ny sekoly sy ny ivon-toeram-panofanana arak'asa eto Manazary ✔️
🌟 Ny fiainany dia modely velona amin’ny fanetren-tena, fifaliana ary fitiavana.
⛪ Natomboka tamin’ny 8:00 maraina ny fankalazana tamin’ny fotoam-pivavahana.
🎬 Tamin’ny 10:00 maraina dia nijery horonantsary nitantara ny fiainany sy ny asa soa navelany.
🍽️ Tamin’ny 12:00 antoandro dia nisy sakafo niraisan’ny mpianatra isaky ny kilasy.
💃🕺 Tamin’ny 2:00 tolakandro dia nisy dihy sy fialamboly nanehoan’ny mpianatra ny talentany.
🎉 Nifarana tamin’ny 4:30 hariva ny lanonana tao anatin’ny hafaliana sy firaisankina.
💙 Andro iray feno fifaliana, fisaorana ary fahatsiarovana an’i Masimbavy Marie Dominique Mazzarello, izay mbola manentana ny tanora hatrany ho tia fianarana, hifankatia ary hatoky an’Andriamanitra. 🙏✨