Izaho sy Ianao Mandresy

Izaho sy Ianao Mandresy Fahaiza miaina,Fahaiza manao ,Fitiavana ,Fanabeazana, Fampivoarana ny maha olona...!

04/12/2024

CONCOURS PHOTO 😍HAFALIANA SY TSIKY🥰

Miampita aminao ve ny hafalian'i Tenor Ravohitrinisoa?

🟣Raha te hanohana azy ianao ao anatin'izao fifaninanana izao dia:

1- Clikeo ilay sariny

2- Asio "reaction j'aime" io sariny io raha tianao

3- Mi's'abonneva amin'ny pejy Mianatra Mahomby mba hahatonga ny vote-nao handaitra

4- Raha te hanohana azy ianao dia partageo tsy misy fetra ny sariny mba hahatonga ny hafa hanohana azy ihany koa

Tsara ity sary ity 🙂

Omaly hariva, nikarakara ny sakafonay i Neny, efa vizana tanteraky ny tontolo andro.Narosony ny sakafo nony vita. Tsikar...
07/07/2024

Omaly hariva, nikarakara ny sakafonay i Neny, efa vizana tanteraky ny tontolo andro.

Narosony ny sakafo nony vita. Tsikaritro avy hatrany fa may ny laoka. Nijery tsara an'i Dada aho ary niandry azy hanao fanamarihana saingy tsy niteny izy fa nihinana ampitsikiana no nanontany ahy raha nahafinaritra ny tontolo androko. I Neny etsy andaniny nialatsiny taminy oe may tao ilay laoka fa variana kely izy. Tsara ary ilay izy hoy i Dada sady nihinana tsy nihambahamba ihany.

Nony avy nisakafo kelikely, samy namonjy ny efitra fatoriana izahay mianakavy. Fomban'i Dada no mandalo mirary torimaso mamy ho anay alohan'ny hatory.

Tsy naharitra aho fa nanontany azy : Dada! Tena tian'Dada izany tokoa ve ilay laoka may be teo?. Noraisiny ny tànako ka hoy izy : "Hitanao, tena mafy t@ reninao ny tontolo androny androany, tena vizaka izy nefa mbola tsy maintsy nikarakara ny sakafontsika. Ka nahoana indray isika no hanome tsiny azy. Ny laoka may azo nihafiana fa raha nanakiana teo dia mety nampalaelo sy nandratra ny fony"

Zao no hafatra:
Mianara mankafy sy mankasitraka izay ataon'ny olona na dia tsy tonga lafatra aza izany fa ilay ezaka sy ilay finiavany nanao ilay zavatra no raiso ho zava-dehibe. Aza adinoina fa tsy misy olona tonga lafatra!

Zarao mba ho hitan'ireo olona tsy mba mahay mankasitraka mihitsy fa dia manakiana foana rehefa misy zavatra tsy mety kely.

Mirary tontolo andro feno fifaliana ho antsika rehetra

24/06/2024

Fomba farany izay kely nefa misy lanjany be aty amin'ny fifandraisana dia ny :TSIKY

18/12/2023

Mitiava olona tsy tena Tia anao fa tiana ihany fa kely

NY TENA TIAManolotra ny ainy ho an'ny olontiana, miezaka mifampiteny raha misy tsy mety ataon'ny iray fa tsy mifampijery...
26/11/2023

NY TENA TIA

Manolotra ny ainy ho an'ny olontiana, miezaka mifampiteny raha misy tsy mety ataon'ny iray fa tsy mifampijery fotsiny.

Ary mety hahitsy fa tsy mora milongilongy ary mametraka tanjona foana amin'ny fiainana ka ny hanatrarana an'iny no atao lahasa.

24/11/2023

Tsy vitan'ny orokoroka fotsiny ny fitiavana, na vitan'ny eny ambony fandriana fa mila tanjona mazava tsara raha tiana haharitra.

18/11/2023

Ny fitiavana tsy terena ho masaka fotsiny, fa rehefa tsy mety dia hajanona satria miankina amin'io ny fiainanao.

10/11/2023

Raha tena tinao ny olona iray, dia mitady azy foana ianao na andro na alina.

TIAKO IZY DIA HIAFIKO NA MAMPIJALY AZA.❌Fitiavana fiafiana na dia mampijaly ny olontiana.❌Izay Tia miharitra na dia voad...
30/10/2023

TIAKO IZY DIA HIAFIKO NA MAMPIJALY AZA.

❌Fitiavana fiafiana na dia mampijaly ny olontiana.

❌Izay Tia miharitra na dia voadaroka isan'andro.

❌Satria tiako izy dia izay ataony tsy mampaninona ahy.

❌Izy no efa notiaviko ka na dia manao herisetra amiko dia tsy hialako.

✔️ FITIAVANA dia FITIAVANA izay fa tsy natao hiafina velively, raha misy manao herisetra aminao na lahy manao izany na koa vehivavy dia mandraisa fanapahan-kevitra hentitra fa tsy TIA Anao izy izay.

✔️Herisetra tsy FITIAVANA. Tsy fitiavana intsony no mampiharitra anao raha mbola hizanona amin'io herisetra io fa mety tahotry ny tsy hahita ny aleha.

Eee , Aza miafy, Aza Miaritra amin'io fitiavana tsy hatsapanao FAHASAMBARANA io,, fa ny FITIAVANA dia FIADANANA fa tsy Fihafiana velively.

Raha ianao izay mitia olona tsy mahatsapa fahasambarana miaraka aminy dia tsy Fitiavana izany. Mitiava olona mahasambatra anao! Tsy voatery vola no mahasambatra FITIAVANA tsy VOLA!

Izaho sy Ianao Mandresy

TIAKO IZY FA TSY TSAPANY ...Io FITIAVANA io raha kobonina dia mandoro .Sarotra ny mitia mangina izany .💏Raha misy olona ...
26/10/2023

TIAKO IZY FA TSY TSAPANY ...

Io FITIAVANA io raha kobonina dia mandoro .Sarotra ny mitia mangina izany .

💏Raha misy olona iray tianao ,dia lazao azy izany fanirianao izany ,na vehivavy ianao indrindra moa ny lehilahy.

💏Aza mieritreritra izay valiny avy eo ,fa ny tanjona aloha eto dia ny hamoahanao ny fitiavana ao am-ponao ao ,fa tsy tsara izy io raha tahirizina fa mety ho lasa aretina mikiky anao miadana ao io.

💏Moa ve fantaţrao fa maro dia maro ny vehivavy mamono tena noho izany ,tsy voatery vehivavy ihany fa misy ihany koa NY lehilahy.

💏Hamboraho izay ao am-ponao raha toa ka tsy tsapany amin'ny alalan'ny fihetsikao izany ,fa na izy koa mety tia anao fa tsy fantany koa ny any am-ponao any .

💏Sahia manao "premier pas ".

Izaho sy Ianao Mandresy

26/10/2023

Tiako izy fa tsy tsapany...loading

Address

Manakara

Telephone

+261345357222

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Izaho sy Ianao Mandresy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The School

Send a message to Izaho sy Ianao Mandresy:

Shortcuts

Share

Category