Kilonga Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny Olomasin'ny Andro Farany

Kilonga Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny Olomasin'ny Andro Farany Tanjona sy rafitra
Ny Kilonga dia rafitra iray mifototra ao an-tokantrano ary tohanan’ny Fiangonana. Hianatra sy hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Izy io dia natao ho an’ny ankizy 18 volana ka hatramin’ny 11 taona. Any an-trano dia ny ray aman-dreny no mampianatra ny filazantsara ny zanany. Any am-piangonana dia ireo mpitarika sy mpampianatra ao amin’ny Kilonga no manohana ireo ray aman-dreny amin’ny alalan’ireo lesona sy hira ary fiaraha-mientana. Tanjona
Ny Kilonga dia manampy ny ankizy:
Hahatsapa ny fitiavan’ny Rain’izy ireo any An-danitra sy hianatra momba ny drafiny ho an’ny fahasambarana. Hianatra mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny anjara toerany eo amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Hahatsapa sy hamantatra ary hanao asa mifanaraka amin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Hiomana sy hanao ary hitandrina fanekem-pihavanana masina. Handray anjara amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana.

Russell M. Nelson :« Le véritable sens de Noël se trouve en Jésus-Christ et dans l’amour que nous avons les uns pour les...
23/12/2025

Russell M. Nelson :
« Le véritable sens de Noël se trouve en Jésus-Christ et dans l’amour que nous avons les uns pour les autres. »

23/12/2025

« Izay miteny teny tsara dia mitondra fiadanana. »

22/12/2025
29/10/2025

Shout out to my newest followers! Excited to have you onboard! Razafiarivony Aimée, Emimfa Emimfa

Efa nivoaka ny émission d'ami à ami Septembre 2025.**Friend to Friend pour les enfants de l'Église de Jésus-Christ des S...
14/09/2025

Efa nivoaka ny émission d'ami à ami Septembre 2025.

**Friend to Friend pour les enfants de l'Église de Jésus-Christ des Saints des Derniers Jours, intitulé « Partager l'amour de Jésus par le service », montre comment les enfants peuvent inviter, planifier et servir.

Une vidéo montre Patrick Kearon, du Collège des douze apôtres, et sa femme, Jennifer, participant à une activité de service de la Primaire aux Philippines, où ils assemblent des trousses d'hygiène pour d'autres enfants. « C'est quelque chose qu'ils ont planifié, et aujourd'hui, ils les emballent, et plus t**d, elles seront livrées à d'autres enfants des environs », explique Patrick Kearon.**

Rejoignez-nous pour écouter Patrick Kearon, Jennifer Kearon, et la présidence générale de la Primaire nous enseigner comment transmettre l’amour de Jésus en ...

Salama daholo, Affiche natokana ho an'ny Tsatòka Manakambahiny ihany.Ho fanampiana ireo Kilonga 8 taona no miakatra (iza...
04/05/2025

Salama daholo, Affiche natokana ho an'ny Tsatòka Manakambahiny ihany.
Ho fanampiana ireo Kilonga 8 taona no miakatra (izany hoe handray 8 taona amin'ity taona 2025 ity ka hatramin'ny 11 taona) sy ireo Mpitarika eny anivon'ny paroisse/ sampana ary ireo Ray aman-dRenin'izy ireo dia hisy ity hetsika momba ny fivoaran'ny tena manokana ity izay karakarain'ny ny fiadidian'ny Kilongan'ny Tsatòka Manakambahiny. Izy ity dia efa ao anaty Calendrier d'activité Pieu.

Ny Lohahevitra amin'izany dia Toy Ilay Tafik'i Helamàna izay ho atao amin'ny 31 may 2025 manomboka amin'ny 9 ora maraina ka hatramin'ny 12 ora eny amin'ny trano fiangonana Manakambahiny.

*Tenue de dimanche no hanaovana amin'izany fa afaka mitondra akanjo hisoloana ireo vonona hilatro miankina amin'ny “TANJONA SY FANIRIANA” (Mety hoe te hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno rehefa lehibe , Te ho tonga any amin’ny TEMPOLY ho fehezina miaraka amin’ny fianakaviana sy izay ho vady mandrakizay) , “TALENTA TIANA HO TRANDRAHANA”," TE HISEHATRA AMIN'NY MOZIKA", “FANATANJAHANTENA ANKAFIZINA” , “ASA TIANA HATAO” any aoriana na koa ny “POINTS FORTS” sns.


Miomampana amin'ny programme "Ny ankizy sy ny zatovon'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny olomasin'ny Andro farany izy io."

17/02/2025

Efa mivoaka ny D'ami à ami andiany voalohany amin'ity taona ity.

**Mampita ny fitiavan'i Jesoa amin'ny hafa amin' ny alalan'ny fanompoana**

17/02/2025
26/01/2025

20–26 janoary: “Hitodika amin’ny rainy ny fon’ny zanaka”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2; Joseph Smith—Tantara 1:27–65

Telo taona no lasana hatramin’ny nisehoan’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zanany tamin’i Joseph Smith tao amin’ilay ala kely saingy mbola tsy nahazo fanambarana fanampiny izy hatramin’izay. Nanomboka nanontany tena izy raha toa ka tsy faly taminy ny Tompo. Nanao fahadisoana toa antsika rehetra izy ary nahatsapa tena ho meloka noho ireny. Kanefa dia mbola nanana asa hampanaovina azy Andriamanitra. Ary ny asa niantsoana an’i Joseph mba hataony dia mifandray amin’ny zavatra angatahin’ Andriamanitra amintsika. Namoaka ny Bokin’i Môrmôna i Joseph; Asaina isika hizara ny hafatra entiny. Handray ny fanalahidin’ny fisoronana i Joseph mba hampitodika ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy; afaka mandray ôrdônansy ho an’ny razambentsika any amin’ny tempoly isika izao. Nolazaina tamin’i Joseph ny faminaniana izay ho tanteraka tsy ho ela; antsoina isika mba hanampy amin’ny fanatanterahana ireo faminaniana ireo. Rehefa mandray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra isika dia tsy maintsy hiatrika fanoherana mbamin’ny fanenjehana tahaka ny nataon’ny Mpaminany. Kanefa afaka manam-pinoana ihany koa isika fa ny Tompo dia hanao antsika ho fitaovana eo an-tanany tahaka ny nataony ho an’i Joseph.

25/12/2024

Merry christmas ☃️🎉

14/12/2024

9–15 desambra: “Hanandratra anao kosa anie i Kristy”Môrônia 7–9 Mialoha ny namaranan’i Môrônia ny rakitsoratra izay fantatsika ankehitriny amin’ny hoe ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny teniny farany dia nozarainy ny hafatra telo avy amin’i Môrmôna rainy: teny ho an’ireo “mpanara-dia bonaika an’i Kristy” (Môrônia 7:3) sy taratasy roa izay nosoratan’i Môrmôna ho an’i Môrônia. Mety hoe nampidirin’i Môrônia tao amin’ny Bokin’i Môrmôna ireo hafatra ireo noho ny fahitany mialoha ny fitoviana eo amin’ny loza tamin’ny androny sy amin’ny antsika. Tamin’ny fotoana nanoratana ireo teny ireo dia nanalavitra ny Mpamonjy ny vahoaka Nefita. Maro tamin’izy ireo no “[namoy] ny fifankatiavany teo amin’ny izy samy izy” sy finaritra tamin’ny “zavatra rehetra afa-tsy izay tsara” (Môrônia 9:5, 19). Dia mbola nahita antony hananana fanantenana ihany anefa i Môrmôna, izay mampianatra antsika fa ny fanantenana dia tsy midika hoe tsy miraharaha na tsy mahalala tsotra izao ny amin’ireo olana eo amin’izao tontolo izao. Ny fanantenana dia midika hoe manana finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, izay manana hery lehibe sy maharitra kokoa noho ireo olana ireo. Izany dia midika hoe “[mihazona] ny zavatra tsara rehetra” (Môrônia 7:19). Izany dia midika hoe mamela ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy “ary ny fanantenana ny voninahiny sy ny fiainana mandrakizay hitoetra mandakizay ao an-tsainao” (Môrônia 9:25).

07/12/2024

2–8 desambra: “Hitehirizana azy amin’ny lalana tsara”Môrônia 1–6 Noheverin’i Môrônia fa vita ny asany amin’ny fitanana an-tsoratra rehefa nahavita ny rakitsoratry ny rainy momba ny Nefita sy avy namintina ny rakitsoratr’ireo Jaredita izy (jereo ny Môrônia 1:1). Satria inona moa no zavatra fanampiny azo lazaina momba ireo firenena lehibe roa izay rava tanteraka ireo? Saingy hitan’i Môrônia ny androntsika (jereo ny Môrmôna 8:35), ka nentanim-panahy “[ha]noratra zavatra misimisy ihany [izy] fa angamba hisy lanjany ireny … amin’ny andro ho avy” (Môrônia 1:4). Fantany fa nananontanona ny fiavian’ny apôstazia izay mitondra fisavoritahana momba ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy ny fivavahana amin’ny ankapobeny. Izany angamba no antony nanomezany antsipiriam-panazavana momba ny fanasan’ny Tompo, ny batisa, sy ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ireo fitsofandrano mandritra ny fivoriana iarahan’ny iray finoana mba “hitehirizana [ny tsirairay] eo amin’ny lalana tsara, … tsy hiantehitra afa-tsy amin’ny fahamendrehan’i Kristy izay tompo[ntsika] sy mpanefa ny finoa[ntsika]” (Môrônia 6:4). Manome antsika antony hahafeno fisaorana ny Tompo ny fahalalana sarobidy toy ireny noho ny nitsimbinany ny ain’i Môrônia mba hahafahany “manoratra zavatra misimisy kokoa” (Môrônia 1:4).

Address

Église De Jésus-Christ Des Saints Des Derniers Jours
Manakambahiny

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Kilonga Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny Olomasin'ny Andro Farany posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category