Sambatra isika

Sambatra isika Pejy Fifandraisana sy Fanabeazana natao hifampizarana.

01/12/2025
17/10/2025

Miarahaba antsika Malagasy nahavita izao dingana Lehibe sy Vaovao izao. Arahabaina manokana ny Filohan’ny Fitondram-panjakana sy ireo Mpiara-miasa aminy. Mitsodrano sy mirary soa ho azy ireo isika hahatontosa ny andraikitra Lehibe Sy mankadiry izay tena hita fa Sarotra sy manahirana tokoa 🙏. Hampahery azy ireo isika, hiombona amin’izy ireo ihany koa, ajanontsika tanteraka aloha ny fifanenjehana sy adihevitra tsy mitondra fandrosoana. Hiaraka amin’izy ireo isika hanarina ny firenena, mino sy matoky fa manana drafitra entina hanarina izany izy ireo. Marihina kosa fa tsy Andriamanitra akory izy ireo ka heverintsika hahavita fahagagana vetivety, tsy Andriamanitra akory izy ireo ka heverintsika fa afaka hanarina vetivety ny lesoka hatramin’izay, jereo anie ny fahatsoran’izy ireo e, tsy mila Fankalazana sy fihobiana avy amintsika izy ireo ka hoe ho deraderaina sy hobihobiana, ny fiarahana mientana no angatahin’izy ireo amintsika rehetra. Zavatra telo Lehibe no voaraiko nolazainy teo: ny Voalohany dia mikasika ny fiainantsika andavanandro, Sakafo Jiro Rano Fahasalamana… ny faharoa izay nataony hoe antonon’Ezaka dia ny Fiombonana mandinika ny fomba entina manangana sy manorina Rafitra vaovao ka hananganana Repoblika vaovao, hanatanterahana Fitsapan-kevibahoaka sy Fifidianana mendrika sy marina ; ary ny fahatelo izay tena heverina fa Lehibe tokoa dia ny Fanabeazana sy ny Fitsipi-pitondrana (Education et Discipline). Tena zava-dehibe daholo tokoa ireo, ilana ny fandraisan’anjarantsika tsirairay, ilana ny fifanampiana sy fifampitondrana. Andao ary isika ry Malagasy, hanandratra Avo ny maha Malagasy antsika 🇲🇬🇲🇬🇲🇬

01/01/2025

Tafatafa ho an’ny Taona 2025

22/10/2024

Talent’n Show Contest ❤️

Efa vonona tanteraka izahay Mpandray anjara rehetra Haneho ny HatsaraNY 🌹

Misaotra antsika rehetra tamin’ny famaliana ny Antso, ka efa Tapitra ny Karatra Fanasana rehetra ❤️‍🔥

Hisokatra amin’ny 12h30 atoandro ny Varavarana eny amin’ny ARENA Ivandry, tsara mandrakariva ny tonga mialoha e, dia manao voky tsara isika satria tsy azo hitondrana sy hihinanana sakafo ny toerana e.🙏🙏

Hiaraka Hihira, Hidera, Handihy isika ary ho fenointsika Fifaliana sy Fahasambarana io fotoana iarahantsika io ❤️‍🔥.

Amin’ny Alahady 27 oktobra izany mihaona e , Tahin’ny Tompo daholo. ❤️


16/10/2024

Talent’n Show Contest. Sambatra choir 2 Taona Zaraina amintsika ity horonantsary fohy ity milaza ny andinindininy rehetra e 🌹. Mankasitraka anao manaraka izany ❤️Sambatra isika maneho ny hatsaraNY

15/10/2024

Sambatra choir faha 2 Taona Sambatra isika Maneho ny HatsaraNY ARENA IVANDRY Alahady 27 Oktobra amin’ny 2 ora tolakandro tsy misy vidim-pidirana

14/10/2024

Talent’n Show Contest. Efa miomana fatratra ireo Mpandray anjara. Sambatra isika maneho ny hatsaraNY. 27 oktobra 2024 @ 2h Studio ARENA IVANDRY. Tsy misy vidim-pidirana. Sambatra choir 2 years ❤️

30/09/2024

Talent’n Show Contest

Miroso hatrany isika amin’ny fanomanana ity hetsika Seho Fiderana Lehibe ity.Nisy ny fihaonana notanterahina niaraka tamin’ireo Mpandray anjara rehetra, hita fa tena vonona tanteraka izy ireo Haneho ny Tsara indrindra ho Voninahitr’Andriamanitra 🙏❤️Ireto avy izy ireo ary hamafisina sy zaraina hatrany amintsika e:

- AMBOARAMPEO NY MPAMAFY APUA
- ANTEMAN’NY FOLOALINDAHY CHAPELLE IVATO
- SVM MAMORIARIVO FITIAVANA FJKM
- TIA MIDERA WORSHIP MUSIC
- VETSON’IKOPA EKAR ANDOHATAPENAKA

Indro zaraina amintsika ny Fanentanana avy amin’izy Ireo e 🌹Raiso dieny izao ny Karatra Fanasana maimaimpoana any amin’izy Ireo na koa ny mpikambana Sambatra choir

Hisy ihany koa ny Safidy ataontsika amin’ny alalan’ny fividinana ny Karatra Safidy Sambatra , azo raisina any amin’izy Ireo ihany koa ☺️
Alahady 27 oktobra 2024 manomboka amin’ny 2 oraSTUDIO ARENA IVANDRY
Sambatra isika, maneho ny hatsaraNY


28/09/2024

SAMBATRA ISIKA ETY 💓💗💕Heniky ny hafaliana ….Ravoravo ny fo ♥️Fifaliana hatrany ny mizara amintsika ny FAHASAMBARANA omen’ny Tompo ho antsika 🙏❤️Manome fotoana antsika amin’ny Alahady 27 oktobra 2024 manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ao amin’ny Studio Arena Ivandry.Afaka raisina manomboka rahampitso Alahady 29 Septambra ny Karatra Fanasana maimaimpoana.Fifandraisana: 0320773012

Talent’n Show ContestFIDERANA LEHIBE Ankalazana an’ANDRIAMANITRA noho ny faharoa Taona niorenan’ny « Sambatra choir »Ase...
24/09/2024

Talent’n Show Contest

FIDERANA LEHIBE Ankalazana an’ANDRIAMANITRA noho ny faharoa Taona niorenan’ny « Sambatra choir »

Aseho amin’ny alalan’ny HIRA sy TANTARA AN-TSEHATRA FOHY

Ny Fizarana voalohany dia tanterahin’ny Sambatra choir

Ny Fizarana faharoa kosa dia Seho miendrika Fifaninanana ka handraisan’ireto Tarika sy Antoko Mpihira ireto anjara:
- TIA MIDERA Worship music
- ANTEMAN’NY FOLOALINDAHY Chapelle IVATO
- AMBOARAMPEO NY MPAMAFY APUA
- VETSON’IKOPA EKAR ANDOHATAPENAKA
- SVM MAMORIARIVO FITIAVANA FJKM

Nasaina manokana i MAHERY ary izy no hitarika ny Fitsarana sy ny Fanomezana toro-lalana samihafa

ALAHADY 27 OKTOBRA 2024 manomboka amin’ny 2 ora tolakandro eny amin’ny STUDIO ARENA IVANDRY.

Tsy misy ny vidim-pidirana fa ny KARATRA FANASANA dia azo raisina eny amin’ny Mpikambana Sambatra choir na Ireo Mpandray anjara.

Hivoaka manomboka ny Alahady 29 Septambra ny Karatra ❤️

Talent’n Show Contest


18/09/2024

LAINGA NITERA-DOZA 😞

Tantara an-tsehatra zaraina amintsika indray, mitondra Lesona sy Anatra , nefa Mahafinaritra mandrakariva ny mijery sy mihaino izany. Mahazoa fahasambarana mijery e, zarao dia tiavo ny pejintsika ❤️

Isaorana ireto Tarika sy Antoko Mpihira ireto tamin’ny famaliana ny Antso ka nanaiky handray anjara amin’ilay:

Talent’n Show Contest

- VETSON’IKOPA EKAR Andohatapenaka
- SVM Mamoriarivo Fitiavana FJKM
- TIA MIDERA Worship music
- ANTEMAN’NY FOLOALINDAHY Chapelle Ivato
- AMBOARAMPEO NY MPAMAFY APUA
- ANTSAN’NY VOKOVOKOMANGA Antanimena Atsinanana FJKM

Tantara toy izao no isan’ny asehon’izy ireo ankoatra ny Hira

Fotoana: Alahady 27 Oktobra 2024
Toerana: ARENA IVANDRY

Tsy misy vidim-pidirana fa hivoaka tsy ho ela ny Karatra Fanasana maimaim-poana.

Sambatra isika… Maneho ny HatsaraNY

Address

Lot III D 48 Mahamasina
Mahamasina

Telephone

+261320773012

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Sambatra isika posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The School

Send a message to Sambatra isika:

Shortcuts

Share