Jesosy, ho ahy sy anao.

Jesosy, ho ahy sy anao. Misokatra ho antsika ny sandrin' Andriamanitra.

22/04/2026

“ANDRIAMANITRA MIAHY NY ONDRINY”
*
Alarobia 22.04.26: Ny Mpiandry Tsara miahy ny fanahin’ny ondriny.

“Isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika” Heb.4:15a.

Vakiteny 1: Jao.13:1-5. Vakiteny 2: Heb.4:14-16.
Toriteny: Heb.4:15.

Fantatr’Andriamanitra loatra ny fahoriam-panahin’ny ondriny noho ny fahaverezany vokatry ny fisarahany taminy, hany ka niantra azy Izy, ary nanaiky hivesatra ny fahoriany. Izany indrindra no nahatongavan’i Jesosy Kristy Zanany Lahitokana, fa “nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika” Isa.53:4a. Ny fitsaharan’ny fanahin’ny ondriny no kendreny indrindra ka hoy Izy: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” Mat.11:28.

© D.Rabarihoela Bruno

Website: hifigesc.org
Radio: hifiradio.org, 24/7
Youtube: https://www.youtube.com//playlists
Baiboly ampiasaina: Baiboly Protestanta Malagasy (1965)

21/04/2026

“ANDRIAMANITRA MIAHY NY ONDRINY”
*
Talata 21.04.26: Andriamanitra miahy ny ondriny ka miaro ny ainy.

“Ny Anjelin'i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy” Sal.34:7.

Vakiteny 1: Mat.10:22-33. Vakiteny 2: Sal.34:1-10.
Toriteny: Sal.34:7.

Saro-piaro amin’ny ondriny Andriamanitra ka arovany amin’ny fahavalony rehetra izy. Toky lehibe no omeny ny ondriny fa Andriamanitra Tsitoha Izy. Hoy indrindra Jesosy: “Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin'ny tànan'ny Ray. Izaho sy ny Ray dia iray ihany” Jao.10:29-30. Fiadanam-po feno manoloana ny fahavalony no azon’ny ondriny vokatr’izany. Izay no mahatonga azy ireo mihira tahaka an’i Davida mpanjaka hoe: “Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason'ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao” Sal.23:5a,b.

© D.Rabarihoela Bruno

Website: hifigesc.org
Radio: hifiradio.org, 24/7
Youtube: https://www.youtube.com//playlists
Baiboly ampiasaina: Baiboly Protestanta Malagasy (1965)

20/04/2026

“ANDRIAMANITRA MIAHY NY ONDRINY”
*
“Andriamanitra miahy ny ondriny” satria tia azy Izy, ary nataony ho akaikin’ny fony. Oharin’ny tenin’Andriamanitra amin’ny “ondry” ny olony izay ahiany, ka hoy ny mpanao Salamo: “Izy no Andriamanitsika; ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika” Sal.95:7a. Eny, “Izy no nanao antsika, ary Azy isika, dia olony sy ondry fiandriny” Sal.100:3b. Miahy ny ondriny Andriamanitra ka mamelona azy. Hoy Jesosy: “Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be” Jao.10:10.

Koa manoloana ny ady sy ny tolom-piainana atrehin’ny olony, dia mibaiko azy ny Tompo manao hoe: “Aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay?[...] na: Inona no hotafinay? [...] Fa izany rehetra izany dia katsahin'ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany” Mat.6:31-33. Dia eo koa ny fiarovany azy amin’ny fahavalo. Hoy Jesosy: “Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry” Jao.10:11.

Fa sarobidy amin’Andriamanitra ny ondriny, ka arovany tahaka ny anakandriamasony (Deo.32:10d). Koa dia mananatra ny mpiandry ondry tsy manam-pitiavana ny ondriny marina Izy fa miasa toy ny mpikarama, ka “raha mahita ny amboadia avy, dia mandao ny ondry ka mandositra, ary ny amboadia misambotra ny ondry ka mampihahaka azy” Jao.10:12. Dia misy koa ny mpiandry tsy marina sy manatavy tena amin’ny fanararaotana ny ondry andrasany (1 Pet.5:2-3), fa “ny kibony no andriamaniny” Fil.3:19b. Sambatra kosa ny ondry izay manana ny Tompo ho Andriamaniny. Toky sy Fiadanana tokoa izany! Fa afaka hihira izy hoe:

“JEHOVAH NO MPIANDRY AHY, TSY HANAN-JAVA-MAHORY AHO, MAMPANDRY AHY AMIN’NY AHI-MAITSO IZY; MITONDRA AHY EO AMORON’NY RANO FIALAN-TSASATRA IZY” Sal.23:1-2.

© D.Rabarihoela Bruno - 19.04.2026

Website: hifigesc.org
Radio: hifiradio.org, 24/7
Facebook: HiFi-GESC - Malagasy
Instagram:
Youtube: https://www.youtube.com//playlists
Baiboly ampiasaina: Baiboly Protestanta Malagasy (1965)

18/04/2026

“ANDRIAMANITRA NO MPANAVOTRA NY OLONY”
*
Asabotsy 18.04.26: Fanavotana mandrakizay no omen’Andriamanitra.

“Niditra indray mandeha ho any amin'ny fitoerana masina [Kristy] ka nahazo fanavotana mandrakizay” Heb.9:12b.

Vakiteny 1: Jao.4:4-14. Vakiteny 2: Heb.9:11-15.
Toriteny: Heb.9:11-12.

Fanavotana mandrakizay no nataon’Andriamanitra, dia Izy manendry asam-pisoronana mandrakizay ary manao fanekena izay tsy hitsoaka, araka ny voasoratra hoe: “Manatitra fanavotana ho an'ny olony Izy; efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy; masina sy mahatahotra ny anarany” Sal.111:9. Izany dia tamin’ny alalan’i Jesosy Izay nataony ho Mpisoronabe Mahatoky ka mifona ho antsika eo an-tanana ankavanan’ny Ray (Rom.8:34). Hoy Izy: “Ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tànako” Jao.10:28. Isaorana ny Tompo!

© D.Rabarihoela Bruno

Website: hifigesc.org
Radio: hifiradio.org, 24/7
Youtube: https://www.youtube.com//playlists
Baiboly ampiasaina: Baiboly Protestanta Malagasy (1965)

17/04/2026

"𝙁𝙖 𝙣𝙮 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙟𝙖𝙠𝙖 𝙢𝙖𝙩𝙤𝙠𝙮 𝙖𝙣'𝙞 𝙅𝙚𝙝𝙤𝙫𝙖𝙝, 𝙖𝙧𝙮 𝙣𝙤𝙝𝙤 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙢𝙞𝙣𝙙𝙧𝙖𝙢-𝙥𝙤𝙣'𝙣𝙮 𝘼𝙫𝙤 𝙄𝙣𝙙𝙧𝙞𝙣𝙙𝙧𝙖 𝙙𝙞𝙖 𝙩𝙨𝙮 𝙝𝙖𝙣𝙜𝙤𝙯𝙤𝙝𝙤𝙯𝙤 𝙞𝙯𝙮" (👉 Salamo 21 : 7)

☝️Ny fiainan'ny mpandresy ‼️

1-𝗠𝗶𝗳𝗮𝗹𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗵𝗲𝗿𝗶𝗻' 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗶𝗮𝗺𝗮𝗻𝗶𝘁𝗿𝗮
"𝘑𝘦𝘩𝘰𝘷𝘢𝘩 𝘰, 𝘯𝘺 𝘩𝘦𝘳𝘪𝘯𝘢𝘰 𝘯𝘰 𝘩𝘪𝘧𝘢𝘭𝘪𝘢𝘯'𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢" (and 1a)

✅️ Ny tena mpandresy dia tsy mirehareha amin'ny heriny, fa mifaly amin'ny herin' Andriamanitra. Ny tena fandresena dia avy amin'ny finoana sy fianteherana tanteraka amin'ny Tompo. Manoatra noho ny mpandresy tokoa isika amin'ny alalan'llay tia antsika (👉 Rom 8.37). Ny mpandresy dia miaina mandrakariva ilay teny hoe: Mifalia mandrakariva ao Amin'ny Tompo (👉 Fil 4,4).

2 -𝗠𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝘃𝗮𝗹𝗶𝗺-𝗯𝗮𝘃𝗮𝗸𝗮 𝘀𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗮𝗵𝗶𝗮𝗻𝗮
"𝘕𝘺 𝘯𝘪𝘳𝘪𝘯'𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘯𝘺 𝘥𝘪𝘢 𝘯𝘰𝘮𝘦𝘯𝘢𝘰 𝘢𝘻𝘺" (𝘢𝘯𝘥 2), "𝘍𝘢 𝘯𝘰𝘵𝘴𝘦𝘯𝘢𝘪𝘯𝘢𝘰 𝘧𝘪𝘵𝘢𝘩𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘰𝘢 𝘪𝘻𝘺" (and 3).

🚩 Mijoro vavolombelona i Davida eto fa fantatry ny Tompo avokoa ireo faniriana sy vetsovetso avy any am-pon'ny mpino. Henon'ny Tompo ihany koa ireo hataka notononina imolotra. Hoy Jesoa hoe: "Mangataha dia omena ianareo, mitadiava dia hahita ianareo, ...Fa izay rehetra mangataka no mahazo ary izay mitady no mahita" (👉 Lio 11, 9).

3-𝗠𝗶𝗷𝗼𝗿𝗼 𝘃𝗮𝘃𝗼𝗹𝗼𝗺𝗯𝗲𝗹𝗼𝗻𝗮
"𝘈𝘪𝘯𝘢 𝘯𝘰 𝘯𝘢𝘯𝘨𝘢𝘵𝘢𝘩𝘪𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯𝘢𝘰, 𝘥𝘪𝘢 𝘯𝘰𝘮𝘦𝘯𝘢𝘰 𝘢𝘻𝘺 𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺 (𝘢𝘯𝘥 4), "𝘍𝘢 𝘯𝘢𝘵𝘢𝘰𝘯𝘢𝘰 𝘩𝘰 𝘧𝘪𝘵𝘢𝘩𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘬𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘪𝘻𝘺" (and 6).

❌️ Fisaorana atao rehefa tafaverina avy any an-tafika no hita eto. Tsy voatanisa tokoa ireo fandresena omen'ny Tompo antsika. Manana adidy hijoro vavolombelon'ny Tompo isika manomboka eo amin'ny sehatra misy antsika ka hatramin'ny faran'ny tany (👉 Asa l,8)

💙 𝕄ℙ𝔸ℕ𝔻ℝ𝔼𝕊𝕐 ℕ𝕐 𝕋𝕆𝕄ℙ𝕆 🩵

16/04/2026

"𝙀𝙤 𝙖𝙢-𝙗𝙖𝙫𝙖𝙣'𝙣𝙮 𝙖𝙙𝙖𝙡𝙖 𝙢𝙞𝙨𝙮 𝙩𝙨𝙤𝙧𝙖𝙠𝙖𝙯𝙤𝙣'𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙖𝙫𝙤𝙣𝙖𝙫𝙤𝙣𝙖𝙣𝙖; 𝙁𝙖 𝙣𝙮 𝙢𝙤𝙡𝙤𝙩𝙧𝙮 𝙣𝙮 𝙝𝙚𝙣𝙙𝙧𝙮 𝙢𝙞𝙖𝙧𝙤 𝙣𝙮 𝙩𝙚𝙣𝙖𝙣𝙮" (👉 Ohabolana 14 : 3)

☝️ℕ𝕪 𝕧𝕖𝕙𝕚𝕧𝕒𝕧𝕪 𝕞𝕡𝕒𝕟𝕕𝕣𝕖𝕤𝕪‼️

1-𝗠𝗶𝗵𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗸𝗮𝗻𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼𝗻𝘆
"𝘕𝘺 𝘷𝘦𝘩𝘪𝘷𝘢𝘷𝘺 𝘩𝘦𝘯𝘥𝘳𝘺 𝘥𝘪𝘢 𝘴𝘢𝘮𝘺 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘰 𝘯𝘺 𝘵𝘳𝘢𝘯𝘰𝘯𝘺" (1).

✅️ Ny fahendrena eto dia ny fahaizana mampihatra ny fahalalana ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny fiainana andavanandro, amin'ny fitondrantena sy fanapahan-kevitra. Ny hoe manao trano indray dia midika hoe manorina, manangana (trano, fianakaviana, firenena...). Ny vehivavy hendry dia mpandresy ka manatanteraka am-pahendrena ny fikoloana ny tokantranony. Tsy mba variana amin'ny rehak'izao fiainana izao, na sanatria lany andro amin'ny resaka tsy mampandroso fa vehivavy azo alain-tahaka. Mahay mitantana, mitondra fiadanana sy firindrana, mampiasa ny tanany amin'ny tsara (👉 Oha 31, 10-31). Fanasina sy fahazavana. (👉 Mat 5 13-14). Manaiky ny vadiny tahaka ny anekena ny Tompo (👉 Efe 5. 22).

2-𝗠𝗮𝗻𝗱𝗲𝗵𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗶𝘁𝘀𝘆, 𝗺𝗶𝗮𝗿𝗼 𝗻𝘆 𝗹𝗲𝗹𝗮𝗻𝘆
"𝘔𝘢𝘯𝘥𝘦𝘩𝘢 𝘮𝘢𝘩𝘪𝘵𝘴𝘺 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘮𝘢𝘵𝘢𝘩𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘯'𝘪 𝘑𝘦𝘩𝘰𝘷𝘢𝘩; 𝘍𝘢 𝘮𝘪𝘷𝘪𝘭𝘺 𝘭𝘢𝘭𝘢𝘯𝘢 𝘬𝘰𝘴𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘮𝘢𝘯𝘪𝘳𝘢𝘵𝘴𝘪𝘳𝘢 𝘈𝘻𝘺" (2)

🚩 Ny fandehanana mahitsy sy ny fiarovana ny lela dia toy ny vary sy rano ka tsy afaka misaraka. Ny hoe mandeha mahitsy dia midika hoe miaina amin'ny fahamarinana ary mandeha araka ny tondrozotra avy amin'ny Tompo Jesoa. Tsy mijanona amin'izany ihany fa ny fahendrena dia miaro ny lela (and 3) ka miteny amin'ny fitiavana, amin'ny fanetren-tena. Finoana arahana asa no ilaina. Jesoa Kristy Tompo dia mamela fianarana ho antsika tamin'ny Teniny sy ny asany. Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana, mitarika antsika amin'ny fiainana araka ny sitrapon Andriamanitra

16/04/2026

“ANDRIAMANITRA NO MPANAVOTRA NY OLONY”
*
Alakamisy 16.04.26: Jesosy Kristy, tokim-panavotana ny mpanota.

“Izy no ananantsika fanavotana amin'ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika […]” Efes.1:7.

Vakiteny 1: Mat.26:26-29. Vakiteny 2: Efes.1:1-7.
Toriteny: Efes.1:7.

Fa voasoratra hoe: “Fa raha tsy misy ra alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka” Heb.9:22b. Jesosy Kristy tokoa no fanatitra voatolotra hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao (Jao.1:29). Ary noho izany, dia hoy Izy: “Ity no rako, dia ny amin'ny fanekena [na: ny fanekena vaovao], izay alatsaka ho an'ny maro ho famelan-keloka” Mat.26:28.

© D.Rabarihoela Bruno

Website: hifigesc.org
Radio: hifiradio.org, 24/7
Youtube: https://www.youtube.com//playlists
Baiboly ampiasaina: Baiboly Protestanta Malagasy (1965)

Address

Everywhere
Ivato

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Jesosy, ho ahy sy anao. posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share