18/04/2025
NY FANAJANA
Rehefa tonga ny rivo-mahery dia tsy miongotra na mihozona ny olona feno fanajana !
𝐍𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐧𝐚 𝐝𝐢𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐡𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐡𝐲 𝐟𝐨𝐭𝐬𝐢𝐧𝐲 𝐟𝐚 𝐟𝐨𝐭𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐨𝐫𝐞𝐧𝐚𝐧𝐚!
Taloha, ny fianarana lehibe indrindra dia tsy ny teny na taratasy, fa ny fitondran-tena.
Tsy mbola nanana fitaovana an-tserasera ny olona, fa nahay niarahaba sy niresaka tam-pahendrena.
Zaza vao nianatra nandeha dia efa nampianarina hanetry tena amin’ny lehibe, hihaino am-pitoniana, ary hanaja tsy an-kanavaka.
Fa ankehitriny…
Niova ny vanim-potoana, niova ny fanao.
Betsaka ny mahay mamaly, fa vitsy no mahay mihaino.
Maro no mitady hajaina, fa vitsy no miezaka manaja.
Manana fahaiza-miteny isika, saingy very an-dalana ny fahendrena miteny amin’ny fotoana mety.
Ny fanajana dia toy ny fakany amin’ny hazo:
Tsy hita maso, fa iankinan’ny hery sy ny fitombenany.
Raha tsy misy azy, na maniry aza ilay hazo dia mora ringana amin’ny rivotra.
Ny olona manaja dia manome lanja ny hafa, nefa koa mampiakatra ny tenany.
Satria ny fanajana tsy mitaky vola, fa finiavana.
Tsy ilàna diplaoma, fa fo feno fahatsapana sy fanetren-tena.
Tsy ampanjaka amin’ny hery, fa ampanjaka amin’ny hasina.
Hajao na dia ireo tsy manaja aza.
Hajao ilay olona tsotra, ilay tsy mitovy hevitra aminao, ilay zaza sy antitra, ilay mitomany sy mankahala.
Satria ny fanajana dia fanehoana ny maha-olona feno, tsy hoe amin’ny olona mendrika ihany, fa amin’ny rehetra.
𝑻𝒂𝒅𝒊𝒅𝒊𝒐:
𝑁𝘺 𝘩𝑒𝘳𝑦, 𝘯𝑦 𝑣𝘰𝑙𝘢, 𝑠𝘺 𝘯𝑦 𝑙𝘢𝑧𝘢 𝘥𝑖𝘢 𝘮𝑒𝘵𝑦 𝑙𝘦𝑣𝘰𝑛𝘢.
𝐹𝘢 𝘯𝑦 ℎ𝘢𝑠𝘪𝑛𝘢 𝘢𝑡𝘦𝑟𝘢𝑘𝘺 𝘯𝑦 𝑓𝘢𝑛𝘢𝑗𝘢𝑛𝘢 𝘥𝑖𝘢 𝘮𝑖𝘵𝑜𝘦𝑡𝘳𝑎, 𝘮𝑖𝘰𝑟𝘪𝑛𝘢, 𝑎𝘳𝑦 𝑚𝘢𝑚𝘦𝑙𝘰𝑛𝘢 𝘧𝑎𝘯𝑎𝘩𝑦.
Ⓜ️ Maji Mizara