14/04/2026
Ankasitrahana feno ny Mpanolotsaina Avo ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Jeneraly RABEARIMANANA Lucien, tamin'ny fanomezany seza maoderina ho an’ny ISTE Fianarantsoa.
Nifanindran-dalana tamin’izany moa ny fandraisana ireo mpianatra taona voalohany Tourisme-Management, izay hiditra amin'ny Tontolon'ny Anjerimanontolo ka nisy ny fanomezana Tso-drano azy ireo.
Ary teny feno torolanana mba ho mpianatra mahay sy tsara fitondran-tena sy mendrika izy ireo.
05/04/2026
🌿✨ Joyeuses Pâques à tous ! ✨🌿
En ce jour béni, nous célébrons la résurrection de Jésus-Christ, symbole d’espoir, de renouveau et d’amour infini.
Que cette fête remplisse nos cœurs de paix, de joie et de foi.
📖 « Il n’est point ici, il est ressuscité, comme il l’avait dit. »
— Matthieu 28:6
09/02/2026
Isaorana indrindra Andriamanitra fa tontosa soa aman-tsara ny 06 Febroary 2026 lasa teo ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny Filohan’ny Oniversiten’i Fianarantsoa, ireo Sojabe, ary ireo Tale.
Isaorana manokana ihany koa ny Mpanolotsaina Avo eo anivon’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara noho ny fitsidihana nataony teto amin’ny ISTE Fianarantsoa, ka nitondrany teny feno fahendrena, famporisihana ary fitiavana ho an’ireo mpianatra rehetra.
01/01/2026
Miarahaba antsika rehetra nahatratra ny taona 2026
25/12/2025
Miarahaba antsika rehetra tratry ny noely.Hitondra fitahiana ho antsika anie i jesoa zazakely.Mirary fety sambatra.
21/12/2025
Notokanana sy natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny Centre Universitaire Vatovavy, annexe ISTE Fianarantsoa, izay miorina ao Mananjary, ny zoma 19 Desambra 2025 lasa teo.
Sampam-pianarana telo no hanombohana ny taom-pianarana vaovao, dia ny Agronomie, Environnement, ary Tourisme.
Koa manentana ireo tanora sy izay rehetra maniry hanohy fianarana ambony eto amin’ny faritra fa mbola misokatra ny fisoratana anarana.
10/11/2025
Amin’ny maha mpiara-miasa akaiky hatrany, dia tonga nitsidika sy nitafa tamin’i Docteur Rakotoarimino Herisoa, Mpampianatra raikitra ato amin’ny ISTE Fianarantsoa izay vadin’Andriamatoa Mpanolotsaina Avo eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika, ireo mpampianatra, ireo mpandrahara ary ny solontenan’ny mpianatra.