HELLO Institue

HELLO Institue Building my future, one step at a time 🇺🇸🎓🇬🇧...

Speak English With Confidence..🦅💼

25/08/2026

🇲🇬 HELLO INSTITUTE — FAMPAHAFANTARANA

Salama daholo!

Miarahaba anareo rehetra. Izaho dia HERIMIONONA Tafitamanana Adolpheson Stewen, mpanorina ny HELLO Institute.

Androany aho dia te hampahafantatra aminareo bebe kokoa ny HELLO Institute, ny zavatra ataonay ary ny tanjona napetrakay.

Ny HELLO Institute dia ivon-toerana mifantoka amin'ny fanabeazana, fiofanana ary fampivelarana ny fahaiza-manao.

Mampiofana amin'ny sehatra maro izahay, toy ny teny Anglisy, Communication, Leadership, GRH, Entrepreneurship ary Career Development.

Ny tanjonay dia ny hanampy ny tsirairay hampitombo ny fahalalany, hanana fahatokisan-tena, hahay hifandray amin'ny hafa ary hiomana tsara kokoa amin'ny tontolon'ny fianarana sy ny asa.

Mino izahay fa manana talenta sy fahafahana lehibe ny Malagasy. Mila sehatra ahafahany mianatra sy mampivelatra izany fahaiza-manao izany izy.

Izany no antony nijoroan'ny HELLO Institute.

Ary raha liana ianao ka te hisoratra anarana amin'ny iray amin'ireo fiofanana atolotray, dia aza manahy.

Efa misy ny dingana arahina amin'ny inscription.

Raha te hahafantatra ny fomba fanaovana inscription ianao, dia jereo hatramin'ny farany ity vidéo ity, satria hasehonay aminao tsikelikely ao amin'ny tutoriel ny fomba fanaovana izany.

Araho fotsiny ireo dingana aseho, ary raha misy zavatra mbola tsy mazava aminao dia afaka mifandray aminay ianao.

Koa raha vonona ny hianatra, hivoatra ary hanomana ny hoavinao ianao, dia tongasoa eto amin'ny HELLO Institute.

HELLO Institute — Mianara. Mivoara. Mitariha. 🇲🇬📚

Misaotra anareo rehetra nanaraka hatramin'ny farany, ary aza adino ny mijery ny tutoriel momba ny inscription!

24/08/2026

🇬🇧📚 ENGLISH VOCABULARY — TENY 4 TOKONY HO FANTATRA! 🇬🇧✨

Andao hianatra teny anglisy 4 izay mety ho hitantsika matetika, nefa samy manana ny heviny manokana. 👇

🔹 1. COVENANT — Fanekena / Fifanarahana 🤝
➡️ “They made a covenant to help each other.”
🇲🇬 Nanao fanekena izy ireo mba hifanampy.

🔹 2. CONVENIENT — Mety / Mora / Mahasoa ✅
➡️ “Online learning is convenient because you can study from home.”
🇲🇬 Mety ny fianarana an-tserasera satria afaka mianatra any an-trano ianao.

🔹 3. PROVOCATIVE — Mampihetsika / Mampipoitra fanehoan-kevitra 🔥
➡️ “His provocative question started a debate.”
🇲🇬 Niteraka adihevitra ilay fanontaniana nataony.

🔹 4. CONTROVERSIAL — Mampiady hevitra 💬
➡️ “The politician made a controversial statement.”
🇲🇬 Nanao fanambarana mampiady hevitra ilay mpanao politika.

🧠 Aza afangaro!
🤝 Covenant = agreement
✅ Convenient = practical/easy
🔥 Provocative = makes people react
💬 Controversial = causes disagreement

📖 Learn a new word every day, improve your English every day! 🇬🇧✨

🇬🇧🇺🇸 Te hianatra Anglais ve ianao, fa mbola tsy hitanao izay hanombohana?Indraindray tsy ny tsy fahaizana no olana… fa n...
23/08/2026

🇬🇧🇺🇸 Te hianatra Anglais ve ianao, fa mbola tsy hitanao izay hanombohana?

Indraindray tsy ny tsy fahaizana no olana… fa ny tsy fahitana toerana sy fomba fianarana mifanaraka aminao. 😉

Izany indrindra no antony hanombohan’ny HELLO COURSE – COURS DE VACANCE amin’ny 07 Septembre 2026! 📚✨

Na vao manomboka ianao, na efa manana fototra, na te hanatsara kokoa ny niveau-nao, dia misy cours mifanaraka aminao:

👥 Cours en groupe – olona 6 maximum
👤 Cours particulier
🏠 Cours à domicile
💼 Anglais professionnel
🌞 Cours du jour
🌙 Cours du soir

🎯 Débutant • Intermédiaire • Avancé

🔥 CLUB D’ANGLAIS
Isaky ny Zoma & Alahady
🕓 16:00 – 17:30
👉 Fotoana manokana hitenenana, hampiharana ary hanatsarana ny Anglais.

⚠️ PLACES TRÈS LIMITÉES : 15 ÉLÈVES IHANY!

🎯 Ny tanjona?
Tsy hoe hahay hamaky Anglais fotsiny, fa hahay hampiasa azy, hiteny am-pahatokiana ary hahita fahafahana bebe kokoa.

💰 TARIFS

👥 COURS EN GROUPE
6 personnes maximum / groupe
35 000 Ar / mois

📝 Droit d’inscription : 10 000 Ar

Pour les cours particuliers & à domicile :
📩 Tarif sur demande selon vos besoins.

📍 Andrainjato Ambany Terrain
📞 038 52 309 90 — Appel & WhatsApp

🔥 INSCRIPTION MISOKATRA MANOMBOKA IZAO!

Aza miandry hoe “rehefa mahay vao hiteny Anglais” — manomboka mianatra dia ho avy tsikelikely ny fahatokisana. 🇺🇸🇬🇧

HELLO COURSE — Learn • Lead • Succeed.

21/08/2026

🎤 🇺🇸IRAY VOLANA NIANARANA TENY ANGLISY, FA EFA MAHAY MANAMBARA NY HEVITRANY! 🇬🇧👏

Ity ny fivoaran’ny iray amin’ireo mpianatro, izay iray volana monja no nianatra teny anglisy, nefa efa afaka miteny sy maneho hevitra amin’ny teny anglisy. 💪✨

Porofon’izany fa tsy mila miandry ho tonga lafatra vao manomboka miteny. Ny zava-dehibe dia ny manomboka, miezaka ary mampihatra hatrany. 🗣️📚

👏 Faly izahay mahita izao fivoarana izao, ary mbola vao fiandohana ihany izany!

Te hianatra teny anglisy koa ve ianao?
Manasa anao hanatevin-daharana ny HELLO COURSE, toerana iray hanampiana anao hianatra, hiteny ary hatoky tena kokoa amin’ny fampiasana ny teny anglisy.

Aza matahotra ny hanao fahadisoana. Mitenena, mianara ary mandrosoa! 🚀

21/08/2026

🇺🇸 ENGLISH GRAMMAR TIP — SHORT ANSWERS 🇺🇸

🔹 Fa maninona no hoe “Yes, I do”?

Amin’ny teny anglisy, rehefa mamaly fanontaniana amin’ny valiny fohy (short answer) isika, dia averina ilay auxiliary verb na modal verb nampiasaina tao amin’ilay fanontaniana.

Ohatra:

❓ Do you speak English?
✅ Yes, I do.

👉 Eto, DO no auxiliary verb ao amin’ilay fanontaniana. Noho izany, rehefa mamaly fohy isika dia DO ihany no averina.

Ny heviny dia:
Yes, I do. → Eny, miteny anglisy aho.

Tsy voatery averina manontolo hoe:

❌ Yes, I speak English.

Fa “Yes, I do” no valiny fohy sy voajanahary kokoa.

📚 Ohatra hafa:

🇺🇸 Did you sleep?
➡️ Yes, I did.
= Eny, natory aho.

🇺🇸 Are you ready?
➡️ Yes, I am.
= Eny, vonona aho.

🇺🇸 Can you swim?
➡️ Yes, I can.
= Eny, mahay milomano aho.

🇺🇸 Could you help me?
➡️ Yes, I could.
= Eny, afaka aho.

🇺🇸 Would you come?
➡️ Yes, I would.
= Eny, ho avy aho.

🧠 RULE TO REMEMBER

Jereo aloha ilay auxiliary/modal verb ao amin’ny fanontaniana → avereno ao amin’ny short answer.

DO → DO
DID → DID
CAN → CAN
COULD → COULD
WOULD → WOULD
ARE → AM

✨ Aza mianatra teny fotsiny; fantaro ny fomba fiasan’ny teny anglisy. 🇺🇸📚

20/08/2026

🌍 LEARN ENGLISH FROM THE WORLD AROUND YOU! 🇬🇧🇺🇸

Learning English can be simple and practical. You can learn new words by looking at the things around you every day. 👀📚

⛰️ Mountain — Tendrombohitra
🏢 Building — Trano / Tranobe
🪨 Stone — Vato
🌾 Field — Tanimboly / Tany fambolena
🍚 Rice — Vary
☁️ Cloud — Rahona
🌤️ Sky — Lanitra

🇲🇬 Amin'ny teny Malagasy :
Tsy voatery ho sarotra ny mianatra teny anglisy. Afaka mianatra vocabulary vaovao ianao amin'ny alalan'ny fijerena ireo zavatra hitanao sy ampiasainao isan'andro.

👉 Jereo ilay zavatra.
👉 Fantaro ny anarany amin'ny teny anglisy.
👉 Avereno tononina.
👉 Ampiasao ao anaty fehezanteny.

🎯 See it. Learn it. Say it. Use it.
Jereo. Ianaro. Tonony. Ampiasao.

💡 Learn English from your everyday environment!
Mianara teny anglisy amin'ireo zavatra manodidina anao isan'andro!

📚 HELLO COURSE — Learn English. Speak English. Grow with English. 🇬🇧🇺🇸

19/08/2026

😲 FANTATRAO VE NY MAHA SAMY HAFA NY “TRANSLATION” SY “INTERPRETATION”? 🎤🌍

Maro no mihevitra fa mitovy ny Translation sy Interpretation, kanefa misy fahasamihafana lehibe izy ireo! 👀

📝 Translation → fandikana an-tsoratra
🎧 Interpretation → fandikana am-bava

Midika izany fa ny Translator dia mandika lahatsoratra an-tsoratra, fa ny Interpreter kosa mandika ny hafatra tenenina mivantana avy amin’ny fiteny iray mankany amin’ny fiteny hafa.

🎥 Jereo ity vidéo ity raha te hahafantatra bebe kokoa!

😲 Mety hahagaga anao ve izany?

💬 Efa fantatrao ve ny maha samy hafa azy ireo? Soraty ao amin’ny commentaire! 👇

🇬🇧 Learn English. Understand more. Speak better. 🇬🇧

18/08/2026

🎥 Is English Really Important?

In today’s video, Mr. Pascal shares his thoughts on a question many people ask: Why is English important? 🇬🇧🇺🇸

Is English only a school subject, or is it a real tool for communication, education, career opportunities, and personal growth? 🌍📚

🎙️ Listen to his explanation and share your opinion in the comments!

👉 English is not just a language. It’s a key that can open many doors. 🔑🌎

18/08/2026

🇺🇸🇬🇧 HELLO COURSE – DAY 2 📚✨

Androany dia andro faharoan’ny fianaran’izy ireo teny Anglais. 👏

12 sy 13 taona izy ireo, ary efa manomboka sahy miteny sy mampahafantatra ny tenany amin’ny teny Anglais. 🎤😊

Mbola vao manomboka izy ireo, fa ny dingana kely toy izao no manampy azy hahay bebe kokoa sy hatoky tena rehefa miteny. 💪🇺🇸

🎥 Andao hojerentsika ny fampahafantarana nataon’zy ireo tamin’ny Day 2!

🤗 Te hianatra teny Anglais koa ve ianao? Araho ny HELLO Institute mba hahafahanao mahafantra ny program rehetra 📚🇺🇸✨

🇬🇧🇺🇲 Te hianatra Anglais ve ianao, fa mbola tsy hitanao izay hanombohana?Indraindray tsy ny tsy fahaizana no olana… fa n...
16/08/2026

🇬🇧🇺🇲 Te hianatra Anglais ve ianao, fa mbola tsy hitanao izay hanombohana?

Indraindray tsy ny tsy fahaizana no olana… fa ny tsy fahitana toerana sy fomba fianarana mifanaraka aminao. 😉

Izany indrindra no antony hanombohan’ny HELLO COURSE indray amin’ity session vaovao ity. 📚✨

Na vao manomboka ianao, na efa manana fototra, na te hanatsara kokoa ny niveau-nao, dia misy cours mifanaraka aminao:

👥 Cours en groupe – olona 6 maximum
👤 Cours particulier
🏠 Cours à domicile
💼 Anglais ho an’ny sehatry ny asa
🌞 Cours du jour
🌙 Cours du soir

🎯 Débutant • Intermédiaire • Avancé

Ny tanjona?
Tsy hoe hahay hamaky Anglais fotsiny, fa hahay hampiasa azy, hiteny am-pahatokiana ary hahita fahafahana bebe kokoa.

💰 TARIFS

COURS EN GROUPE
👥 6 personnes maximum / groupe
35 000 Ar / mois

📝 Droit d’inscription : 10 000 Ar

Pour les cours particuliers & à domicile :

📩 Tarif sur demande selon vos besoins.

📍 Andrainjato Ambany Terrain
📞 038 53 283 61 — Appel & WhatsApp

🔥 INSCRIPTION MISOKATRA MANOMBOKA IZAO!

Aza miandry hoe “rehefa mahay vao hiteny Anglais” — manomboka mianatra dia ho avy tsikelikely ny fahatokisana. 🇺🇲🇬🇧

HELLO COURSE — Learn • Lead • Succeed.

Address

Andrainjato
Fianarantsoa
301

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when HELLO Institue posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category