Université d'Agnambà

Université d'Agnambà Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Université d'Agnambà, College & University, BEVOA, Farafangana.

📝 Andro voalohan'ny fanadinam-panjakana Bakalorea : nilamina ny fizotry ny fanadinana tao FarafanganaNotanterahina andro...
20/07/2026

📝 Andro voalohan'ny fanadinam-panjakana Bakalorea : nilamina ny fizotry ny fanadinana tao Farafangana

Notanterahina androany, 20 Jolay tamin’ny 7 ora sasany, ny andro voalohan'ny fanadinam-panjakana Bakalorea teto Farafangana. Foibem-panadinana efatra no nisokatra handraisana ireo mpiadina, Lycée Sainte-Marie, Lycée Technique, Lycée Saint Vincent de Paul ary EPP Manarapenitra ao Marofantsy.

Nidina teny ifotony ny Prefet ny Farafangana, Andriamatoa Rakotondratsimba Masiaritovosy Antoni sy ny Filohan'ny Oniversiten'i Agnambà, Dr Félicien RAVELOJAONA, nanao fitsidihana sy fanaraha-maso ankapobeny ireo foibem-panadinana. Nijery akaiky ihany koa izy ireo ny fizotry ny fanadinana sy niantoka ny fanajana ireo fepetra sy fomba fiasa rehetra mifehy ny fanadinam-panjakana.

Amin’ny ankapoben’ny dia nilamina ny fizotry ny fanadinana tamin’izao tapany marina izao. Maniry ny hitohizan'izany filaminana sy fahamatorana izany mandritra ireo andro sisa amin'ny fanadinana ny Oniversiten'i Agnambà ary mirary faharetana, fahatoniana sy fahombiazana ho an'ireo mpiadina rehetra.

FANAMAFISANA NY FANOMANANA NY FANADINAM-PANJAKANA BAKALOREA📍 Notanterahina androany 19 Jolay 2026, tao amin’ny EPP Manar...
19/07/2026

FANAMAFISANA NY FANOMANANA NY FANADINAM-PANJAKANA BAKALOREA

📍 Notanterahina androany 19 Jolay 2026, tao amin’ny EPP Manarapenitra Marofantsy Farafangana, ny fivoriana famaranana momba ny fanomanana ny fanadinam-panjakana Bakalorea, teo ambany fitarihan’Andriamatoa Rakotondratsimba Masiaritovosy Antoni, Prefetin’i Farafangana, sy Dr Felicien Ravelojaona, Filohan’ny Université d’Agnambà.

👥 Nanatrika izany ireo mpikambana ao amin’ny OMC Élargie, ireo solontenan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena (MEN) sy ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), ary koa ireo Lehiben’ny Foibem-panadinana, Sekretera ary Mpikambana ao amin’ny Jury.

📝 Natao indrindra ny fivoriana mba hampahatsiahivana ireo toromarika farany sy hanamafisana fa ny fanadinam-panjakana Bakalorea dia fanadinana saro-pady sy manan-danja, izay mitaky fanomanana hentitra sy fandrindrana akaiky eo amin’ireo tompon’andraikitra rehetra. Izany dia ho fiantohana ny filaminana, ny mangarahara ary ny fitovian-jo eo amin’ireo mpiadina, ary koa hisorohana tanteraka ny hosoka sy ny tsy fanarahan-dalàna.

🚑📵 Anisan’ireo teboka nohamafisina ny fametrahana mpiasan’ny fahasalamana manakaiky ireo foibem-panadinana rehetra, ary ny fanamafisana ny fepetra mifehy ny fampiasana fitaovam-pifandraisana sy fitaovana nomerika mandritra ny fanadinana.

🤝 Marihina fa Bakalorea manan-tantara ity andiany 2026 ity, satria sambany no hiara-hitantana ny fikarakarana azy ny Université de Fianarantsoa sy ny Université d’Agnambà, miaraka amin’ireo rafitra sy sampan-draharaha voakasika rehetra.

✨ Manamarika dingana lehibe eo amin’ny tantaran’ny fampianarana ambony eto amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana ihany koa izany, satria ho fiomanana amin’ny fandraisan’ny Université d’Agnambà ny fikarakarana ny Bakalorea amin’ny fomba mahaleo tena sy feno manomboka amin’ny taom-pianarana 2026–2027.

🎓 Ny Université d’Agnambà dia mirary fahombiazana feno ho an’ireo mpiadina rehetra manerana ny faritra ary manentana azy ireo hanohy ny fianarany ambony ao amin’ity oniversite ity, izay miezaka hatrany hanome fampianarana ambony manakaiky sy manara-penitra ho an’ny tanora Malagasy.

📍 Atsimo Atsinanana : Miara-mientana hiatrika ny Bakalorea milamina sy mangarahara📌Ho fanomanana ny fanadinana Bakalorea...
19/07/2026

📍 Atsimo Atsinanana : Miara-mientana hiatrika ny Bakalorea milamina sy mangarahara
📌Ho fanomanana ny fanadinana Bakalorea, dia niara-nitarika fivoriana ny Prefen'ny Farafangana, Andriamatoa Masiaritovo Antoni Rakotondratsimba, sy ny Filohan'ny Oniversite d’Agnambà, Dr Félicien RAVELOJAONA, niaraka tamin'ireo tompon'andraikitra rehetra voakasika, mba handrindra ny paikady hiantohana ny filaminana sy ny fahatomombanan'ny fanadinana, ny Asabotsy 18 Jolay tao amin’ny Maison des Plateformes, Farafangana Atsimo Atsinanana.
✅ Nandritra izany dia nohamafisina ny andraikitry ny rafitra rehetra voakasika amin'ny fiantohana ny filaminana sy ny fahatomombanan'ny fanadinana. Nampahatsiahivina ny adidin'ny tsirairay amin'ny fanamafisana ny fanaraha-maso eny amin'ireo ivon-toeram-panadinana sy ny manodidina azy, ny fitandroana ny fandriampahalemana, ary ny fisorohana sy ny famongorana izay mety ho endrika hosoka na fanakorontanana.
✅ Nohamafisina ihany koa fa ilaina ny fiaraha-miasa sy ny fifampizaràna vaovao eo amin'ireo sampandraharaham-panjakana rehetra mba hahafahana mandray fepetra haingana sy mahomby raha misy tranga mampiahiahy.
🏫 Foibem-panadinana efatra (04), Farafangana, Vangaindrano, Vondrozo ary Midongy, no handray ny fanadinana Bakalorea ao amin'ny Faritra Atsimo Atsinanana, ary mihatra amin'ny Bakalorea ankapobeny sy ny Bakalorea teknika avokoa ireo fepetra napetraka.
🎯 Ny tanjona dia ny hiantohana ny fanatanterahana ny fanadinana Bakalorea ao anatin'ny mangarahara, ny rariny ary ny fanajana ny kolontsain'ny fahamendrehana, mba hahazoan'ny mpianatra rehetra mifaninana amim-pitoviana sy hahazoan'ny diplaoma mitahiry hatrany ny hasiny.
🎓 Ny fiarovana ny fahamarinan'ny Bakalorea dia fiarovana ny hoavin'ny tanora sy ny fahatokisan'ny vahoaka ny rafi-panabeazana.

FILAZANA MANJO Amin'ny alahelo lehibe no nandrenesana sy ampahafantarana atsika ny fahalasanan'ny mpianatra iray tao ami...
07/07/2026

FILAZANA MANJO

Amin'ny alahelo lehibe no nandrenesana sy ampahafantarana atsika ny fahalasanan'ny mpianatra iray tao amin'ny Mention Gestion L1, dia i Tompokolahy ANDRIANDRAINA Joé Carnot Tauré.

Ny Fitantanan'ny Oniversite tarihin'i Dr Felicien Ravelojaona, miaraka amin'ny mpianatra, mpampianatra sy ny mpiara-miasa rehetra, dia maneho ny fiaraha-miory amin'ny ray aman-dreny, ny fianakaviana, ny havana ary ny namana rehetra navelan'ny nodimandry amin'izao fotoam-pahoriana izao.

Mirary hery sy fiononana. Enga anie ny fanahin'ny nodimandry handry am-piadanana, ary ho velona mandrakariva ao am-pon-tsika ny fahatsiarovana azy.

Manasa sy manentana antsika mpianatra, mpampianatra ary ny PAT rehetra hanotrona sy hiara-hankalaza ny lanonana lehibe f...
05/06/2026

Manasa sy manentana antsika mpianatra, mpampianatra ary ny PAT rehetra hanotrona sy hiara-hankalaza ny lanonana lehibe fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny Lehiben’ny Faritra Atsimo Atsinanana Ramatoa RANDRIANASOLO Volatiana Pauline.

🗓️ Daty: 07 Jona 2026
⏰ Fotoana: 10 ora maraina
📍 Toerana: eo amin’ny vavahadin’ny STADE Farafangana

‼️Mitondra Pancarte an’ny Oniversite ary manao fanamiana polo an'ny Oniversite antsika.

Tongava maro hanome voninahitra sy hiara-hifaly amin’ity fotoana manan-tantara ity! 🎊🎊🎊

Associations Des Étudiants université d'agnambà

🎉 FAMETRAHANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY 🎉
Manasa antsika rehetra hanatrika ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy an-dRamatoa RANDRIANASOLO Volatiana Pauline, Lehiben’ny Faritra Atsimo Atsinanana.

📅 07 Jona
📍 Stade Municipal Farafangana
🕙 Amin’ny 10 ora maraina

Hanentana sy hanafana ny lanonana ireto artista malaza:
SAKATE BOY
ARNAAH
ROJOVOLA
MARISSA
BAKIDY ZEZETY
MAROLAHY
JEDIDIA
LAURAND
FLORIDA BELLA
TINAH FREDINE
SHEQUEL ROSSI

✨ Tongava maro hiara-hankalaza ity fotoana lehibe ho an’ny Faritra Atsimo Atsinanana ity.

✅ TSY MISY VIDIM-PIDIRANA

26/05/2026
11/05/2026

📢 Entanina isika mpianatra izay mbola tsy nahavita ny "Enroulement" mba ho tonga hanatanteraka izany aty amin’ny biraon’ny fiadidian'ny Oniversite Agnambà - Fenoarivo Nord -Farafangana alohan'ny fe-potoana farany rahampitso talata 12 mey amin’ny 5 ora hariva.

Associations Des Étudiants université d'agnambà

Address

BEVOA
Farafangana

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Université d'Agnambà posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share