15/04/2023
NY FANABEAZANA SY NY MPANABE MANOLOANA NY FIAINAM-PIRENENA
Betsaka ireo antony mahatonga ny fahatarana sy fahantran'ny firenena, fa ny tena antony voalohany ary tena lehibe dia ny tsy fanomezan-danja sy tsy firaharahiana ny asa fanabeazana sy ny mpanabe. Ny firenena iray tsy afaka ny handroso mihitsy raha tsy ny toe-tsain'ny olom-pirenena ao aminy aloha no miova ho tsara, ka hifankatia sy hiray hina ary ho tia tanindrazana. Ny mpanabe anefa no tompon'ny fanalahidy voalohany ka afaka hampianatra sy hanova ny toe-tsain'ny olom-pirenena amin'ny alalan'ny famolavolana ny mpianatra any an-tsekoly.
Mendrika ny omena ny lanjany araka izany ny mpampianatra mpanabe, ary tokony ho izay ny zava-misy raha tena tiana handroso ny firenena. Mifanohitra amin'izany anefa ny zava-misy fa eto amintsika ny mpampianatra dia miaina amin'ny karama sy "indemnités" tsy mifanaraka amin'ny hamafin'ny asa sy mendrika ny maha mpanabe mizara fahalalana ho an'ny zana-bahoaka, tsy toy ny any amin'ny firenen-kafa. Hany ka lasa mitady vadin'asa mba hanampiana ny vola miditra ao an-tokantrano raha tokony ny asa fampianarana irery ihany no hataony.
Ny firenena rehetra izay hitantsika fa mandroso ara-toekarena, ara-teknolojia,sns eran-tany dia ireo firenena izay manome lanja manao laharam-pahamehana ny asa fanabeazana sy ny mpanabe. Araka ny recherche kely nataoko dia i Allemagne no firenena manome lanja indrindra ny mpampianatra, satria dia ny mpampianatra no azo lazaina fa mpiasam-panjakana tsara karama indrindra any amin'ity firenena ity. Ny karaman'ny mpampianatra eny amin'ny secondaire izay mitentina 60.163 € (270.733.500 Ar) isan-taona. Any France kosa araka ny toromarika nomen'ny Filoham-pirenena Emmanuel Macron tamin'ny taona 2021, ny mpampianatra iray mbola mpiana-draharaha na stagiaire dia efa mandray 2000€ (9.000.000Ar) isam-bolana.
Isika izay mbola firenena fara-hidiny tsy tonga dia hitovy amin'ireo firenen-dehibe fa kosa miankina amin'ny ezaka ataon'ny fanjakana sy ny famantarany ny tena laharam-pahamehana ihany no antoka hampandroso haingana sy maharitra ny firenena. Hoy i Nelson Mandela : "L'éducation est l'arme la plus puissante pour changer le monde", raha adika dia hoe : "Ny fanabeazana no fitaovam-piadiana mahery vaika indrindra afaka manova izao tontolo izao".
Mirary soa antsika rehetra !