10/02/2026
🤖 Ilaina ve ny IA amin’ny Travail en ligne sy Business en ligne ?
Amin’izao fotoana izao dia be ny resaka momba ny IA (Intelligence Artificielle).
Fa ny fanontaniana apetraky ny maro dia hoe : tena ilaina ve izy io rehefa miasa an-tserasera ?
👉 Ny marina :
👉 Tsy voatery… fa tena manampy be.
Ny IA tsy misolo anao, fa manamora sy manafaingana ny asa ataonao.
🔗 Inona no ifandraisan’ny IA sy ny asa amin’ny internet ?
Rehefa miasa en ligne ianao dia matetika :
✍️ manoratra (texte, post, email, script)
🎨 mamorona contenu na sary
🎬 manao montage
💬 mamaly message sy commentaire
🔍 mikaroka vaovao
📋 mandamina asa sy planning
👉 Amin’ireo rehetra ireo, ny IA dia afaka : ✔ manome hevitra
✔ manampy manoratra sy manitsy
✔ mamorona idée vaovao
✔ manafaingana fikarohana
✔ mandamina asa
➡️ Toy ny assistant numérique izy, fa ianao foana no mifehy.
🚀 Ahoana ny fampiasana IA amin’ny Travail en ligne na Business en ligne (na eto Madagasikara aza) ?
🔹 1. Fanoratana
Hanampy anao hanitsy, hanatsara, na hanome hevitra rehefa manoratra post, email, description, na script.
🔹 2. Idée contenu
Rehefa tsy misy inspiration dia afaka mangataka lohahevitra na plan.
🔹 3. Fanitsiana sy fandikana teny
Manazava fehezanteny sarotra, manitsy tsipelina sy grammaire.
🔹 4. Fianarana
Raha misy zavatra tsy azonao, dia afaka mangataka fanazavana tsotra sy mazava.
🔹 5. Fandaminana asa
Manampy manao liste, plan, na structure alohan’ny hanombohana.
⚠️ Zava-dehibe tadidina
❌ Aza avela hanao ny asa manontolo ho anao ny IA
❌ Vakio sy jereo foana ny vokatra omeny
✔ Ampiasao ho fanampy, fa tsy hisolo ny fahaiza-manaonao
✨ Raha fintinina
Ny IA dia fitaovana fotsiny. Tsy mila pro amin’ny informatique ianao vao mampiasa azy.
Ny tena zava-dehibe dia ny mianatra mampiasa azy am-pahendrena.
💬 Efa nampiasa IA ve ianao tamin’ny asa na business ataonao ?
Andry TSARAHITA ✍️