26/05/2026
Mankasitraka anareo rehetra ! Mbola vonona tsara aho hizara fahalalana eto amintsika ihany.
Fanontaniana : Inona fizarana nataoko teto tena naha liana ianao, Ary inona lesona tienao hoazo ?
Contact :
📞 037 78 894 75 / 038 37 825 46
đź“§ [email protected]
Maka Hevitra est une plateforme dédiée à l’évolution des personnes, offrant du coaching, des idées de business, de la motivation, ainsi que des stratégies pour atteindre la réussite.
26/05/2026
Mankasitraka anareo rehetra ! Mbola vonona tsara aho hizara fahalalana eto amintsika ihany.
Fanontaniana : Inona fizarana nataoko teto tena naha liana ianao, Ary inona lesona tienao hoazo ?
22/05/2026
‎Izay tsara fiomanana tsy tampohan’ny loza »
‎ Mitady asa, stage na opportunité professionnelle ve ianao ?
‎Matetika, maro ny olona manana diplôme sy compétence… nefa mbola tsy mahomby amin’ny entretien d’embauche noho ny tsy fahampian’ny préparation.
‎
‎🎯 Ity fiofanana ity dia hanampy anao hahafehy ireo techniques très efficaces sy professionnelles mba hampitombo ny fahafahanao ho voaray amin’ny asa na stage tadiavinao.
‎
‎🟧 Ao anatin’ny formation :
‎✅ Technique très efficace pour réussir un entretien d’embauche
‎✅ Fomba fiteny sy comportement professionnel tokony hananana
‎✅ Les erreurs à éviter absolument pendant l’entretien
‎✅ Conseils pratiques et applicables immédiatement
‎✅ Astuces pour gagner confiance en soi devant les recruteurs.
‎
‎📅 Date : Samedi 23 Mai 2026
‎📍 Lieu : Bureau Tamana, près Vahatra Center(Diego Suarez).
‎⏰ Heure : 09h00
‎💵 Participation : 3 000 Ar
‎📌 Réservez votre place dès maintenant !
‎
‎
‎
‎
‎
Un grand merci à mes nouveaux followers ! Tahindrazany Jean Tony, Jean Claude Rakotonomenjanahary, Ruju Alaotra II, NikBernard Hobilalaina, Jean Fęlįx Rãkotonirina, Kanto Andrialy, Zandry Malala Rtf, Wilfrid Ignace, Landro Lan, Nekenjanahary Jerome, Salomi Staroone, Dzao Armel, Jeañ Ecklariot, Dino Eliass, Iarmand Razafimahefa Donné, Razanasõa Målala Eric'Aslÿe, Gaël Bruli Dolio, Avotra Nomenjanahary Rasamizafy, Ny Aina Rafanomezantsoa, Rakitich Mian, Georgette Razanamasy, Tanjona Tantely Razoromanana, Christine Nà mbinintsoa, Rina Loïc, Sitrakiniaina Mihantanirina, Ainah Rahanitriniala, Rindra Ramiandrisoa, Razafy Mandimby, Miarantsoa Abelindah
Raha tsy manambola dia....
Tohiza Kely phrase io!
Mazotoa miketrika jiaby
Aza mamaly ao anaty hatezerana fa aleo mangina avy hatrany,fanginana no tsara indrindra toizay mitabataba.
18/05/2026
‎MANINONA IANAO TSY MANDROSO ?
‎Maro amintsika ankehitriny no maniry réussite…
‎
‎Te hanana vola, te hanana activité, te hanampy famille, te hiova fiainana.
‎Fa rehefa tonga ny fotoana tokony hanaovana action dia lasa matahotra, kivy, na miandry fotoana “parfait”.
‎
‎Ny réalité aujourd’hui dia izao :
‎👉 Tsy miandry olona ny réussite.
‎👉 Ny olona mandroso dia ireo sahy manomboka na mbola tsy parfait aza ny situation.
‎
‎Misy olona manana talent be nefa tsy mandroso satria be excuses.
‎Fa misy koa olona tsotra, tsy manana moyens be, nefa lasa lavitra satria manomboka sy maharitra.
‎
‎ Tadidio ity :
‎Nisy lehilahy roa naniry hanangana business.
‎Ilay voalohany niandry argent, bureau, matériels complets…
‎Ilay faharoa kosa nanomboka tamin’izay teo am-pelatanany.
‎
‎Taona vitsy taty aoriana, ilay faharoa efa nahomby, fa ilay voalohany mbola miandry fotoana mety foana…
‎
‎⚠️ Indraindray tsy ny manque d’opportunité no mampijanona antsika…
‎Fa ny tahotra sy ny excuses ataontsika isan’andro.
‎
‎ Raha tena te hiova fiainana ianao :
‎✔️ Manaova action
‎✔️ Mahareta
‎✔️ Mianara isan’andro
‎✔️ Aza matahotra échec.
‎
‎ Raha te hahomby amin’ny fiainana ianao dia abonnez-vous ny page satria mbola hizara :
‎✅ Leçon de vie
‎✅ Motivation
‎✅ Business
‎✅ Technique hahatratrarana objectif
‎ Tsy tara ianao… fa mila manomboka !
Maka Hevitra mizara hoanao
16/05/2026
‎Raha matahotra échec ianao dia mety mbola matahotra hiova koa...
‎
‎Maro amintsika no te hahomby, te handroso, te hanana fiainana tsara kokoa… nefa rehefa tonga ilay fotoana hanaovana action dia lasa miverina. Fa maninona? Satria matahotra échec.
‎
‎Fa tadidio tsara:
‎Ny olona mahomby tsy hoe tsy nandalo échec.
‎Fa izy ireo no olona mahay mitsangana rehefa lavo, ary mahay mandray lesona amin’ny tsy fahombiazana.
‎
‎Raha manao zavatra ianao nefa mbola tsy nandalo échec mihitsy…
‎dia mety mbola tsy tena nanao zavatra lehibe sy important ianao.
‎
‎Échec dia anisan’ny lalana.
‎Tsy fahavalo izy io fa professeur mampianatra antsika ho matotra sy ho matanjaka kokoa.
‎
‎Matetika aho miteny amintsika eto hoe:
‎Raha mbola tanora ianao dia aza matahotra risque.
‎Izao fotoana izao no fotoana ianarana, andramana, ary anaovana erreur.
‎
‎Satria na lavo androany aza ianao,
‎mbola afaka mitsangana rahampitso.
‎
‎Ary ilay olona efa nandalo échec no lasa ngeza kokoa satria efa nahita ny réalité teny an-dalana.
‎
‎Ny tena mampijanona olona maro tsy handroso dia tsy ny tsy fahafahana…
‎fa ny tahotra échec.
‎
‎Koa aza matahotra manomboka.
‎Aza matahotra diso.
‎Aza matahotra lavo.
‎
‎Satria matetika, derrière an’ilay échec no misy ilay réussite lehibe indrindra eo amin’ny fiainana.
Maka Hevitra mizara hoanao
Abonnez page intsika raha nanampy anao fizarana lesona nataoko izay.
Bonne fête de l’Ascension à tous !
Que cette journée soit remplie de paix, de bénédictions et d’espoir pour vous.
13/05/2026
‎“Fa maninona no maro ny mpianatra Université no mbola sahirana rehefa vita fianarana?”
‎Io ilay fanontaniana napetratsika omaly… Ary betsaka taminareo no tena nahatsapa fa misy marina ilay izy.
‎
‎Araka ilay nampanantenaina omaly tao amin’ny page Maka Hevitra ity dia, androany isika hizara :
‎ ✅ Solutions
‎ ✅ Conseils pratiques
‎ ✅ Ary mindset tena afaka manova avenir-n’ny mpianatra .
‎Satria ny vérité dia izao : Tsy diplôme irery no mampahomby olona.
‎
Fa ny fomba fisainana, compétences ary action atao isan’andro no tena maha samy hafa ny olona tafita sy ny olona mijanona eo ihany.
‎
‎Ka ireto ary ny 5 solutions lehibe afaka manampy mpianatra iray hahomby eo amin’ny fiainana :
‎✅ 1. Mianara compétences hafa ankoatra ny cours any an-tsekoly.
‎Ankehitriny, tsy ampy intsony ny diplôme fotsiny.
‎Mila mahay zavatra hafa koa ianao toy ny : • Communication • Informatique • Vente • Marketing digital • Leadership • Entrepreneuriat • Langues étrangères…
‎Satria ireny compétences ireny no tena manokatra opportunités maro eo amin’ny fiainana.
‎Ary izaho manokana dia tsy Zavatra niarako tany amin'ny université no afaka nataoko fidirambola fa Zavatra nianarako hafa.
‎
‎✅ 2. Manomboha projet na activité kely dieny mbola mpianatra.
‎Aza miandry hoe vita fianarana vao hanomboka. Na business kely, vente en ligne, prestation de service, création contenu, coaching, agriculture, sns…
‎
‎Ny tanjona dia : Mahazo expérience Mianatra responsabilité
‎ Ary mahafantatra ny tena potentiel-nao.
‎
‎✅ 3. Ovay ny fomba fisainanao.
‎Aza miandry olona hamonjy ny avenir-nao. Na fanjakana, na famille, na diplôme…
‎Ny olona tafita dia olona :
‎ ✔️ Mandray responsabilité
‎✔️ Manao action
‎✔️ Ary tsy kivy rehefa misy difficulté.
‎
Mindset matanjaka = avenir matanjaka.
‎✅ 4. Mifandraisa amin’ny olona mampandroso.
‎Ny environnement-nao dia misy impact lehibe amin’ny fiainanao.
‎
Raha miaraka amin’ny olona tsy manana vision ianao dia mora very motivation.
‎Fa raha miaraka amin’ny olona : • Manana objectif • Manao business • Mianatra • Miezaka handroso…
‎
‎Dia ianao koa hiova tsikelikely.
‎✅ 5. Ataovy priorité ny discipline sy ny action.
‎Tsy ny motivation irery no mampahomby. Fa ny : Fahazarana tsara
‎ Fifehezan-tena
‎ Ary action atao isan’andro.
‎
‎Na kely aza ny progrès atao isan’andro, raha mitohy izany dia mety hanova tanteraka ny fiainanao afaka taona vitsivitsy.
‎
‎Tsarovy : Ny diplôme dia avantage. Fa ny compétences + discipline + action no tena mitondra réussite.
‎
‎Mbola mpianatra Université ihany koa aho, fa noho ny expériences sy projets natao dia hitako fa tena hafa mihitsy ny olona manomboka mihetsika dieny mbola tanora.
‎Maka Hevitra mizara ho anao.
12/05/2026
‎🚨 9 erreurs lehibe ataon’ny mpianatra Université !
‎Aza vakina ity raha hitanao lava bé ilay texte ity,fa kara andany fotoana ianao fona.
‎Nefa raha teho lasa lavitra ianao vakio hatramin'ny farany ity naha somary lava ihany fa possible hanova fiainanao ity texte ity!
‎
‎Ndao ary....
‎Hey! Mbola tadidinao ve ilay teninao hoe : “Afaka bacc aho ka avenir assuré!”
‎
‎Fa inona marina no dikan’izany aminao?
‎Maro no mihevitra fa rehefa manana diplôme dia tsy maintsy tafita ho azy eo amin’ny fiainana. Nefa ny zava-misy ankehitriny dia matetika au contraire amin’izany…
‎
‎Maro ny olona manana diplôme ambony nefa mbola sahirana amin’ny fiainana. Ary misy koa ireo tsy dia nianatra lavitra nefa mahavita zavatra lehibe sy mahaleo tena ara-bola.
‎
‎Raha diplôme fotsiny no antoka hahombiazana, dia tokony ho ireo docteur, professeur ary olona tena nianatra ela indrindra no tena manankarena sy tena succès indrindra eto, sa tsy izany? 🤔
‎Koa fanontaniana kely :
‎
Fa maninona no mbola betsaka ireo olona manana diplôme ambony nefa tsy afaka lazaina hoe tena tafita eo amin’ny fiainana?
‎
‎Satria ny tena tanjon’ny fianarana dia :
‎✅ Hanova fiainana
‎✅ Hahaleo tena
‎✅ Hahita réussite
‎✅ Ary hanana impact amin’ny fiainana.
‎
‎Ka ireto avy no anisan’ny erreurs lehibe ataon’ny mpianatra Université :
‎
‎✅ Manantena hoe rehefa manana diplôme dia tsy hijaly intsony eo amin’ny fiainana.
‎
‎✅ Manantena hoe efa misy asa miandry azy avy hatrany rehefa vita fianarana.
‎✅ Miankina amin’ny fanjakana 100% mba hanao garantie ny avenir-ny.
‎
‎✅ Rehefa mbola nianatra tany Université dia tsy niezaka nianatra compétences hafa :
Communication • Vente • Leadership • Informatique • Entrepreneuriat • Réseaux sociaux • Gestion financière…
‎
‎✅ Tsy mampihatra amin’ny fiainana andavanandro ny zavatra ianarana any an-tsekoly.
‎✅ Matahotra manomboka projet na business kely satria mieritreritra hoe “mbola mpianatra aho”.
‎✅ Mandany fotoana betsaka amin’ny zavatra tsy mampandroso : fialam-boly tafahoatra, réseaux sociaux, gossip, alcool, relation toxique…
‎
‎✅ Tsy manorina réseau na relation utile amin’ny olona afaka mampandroso azy.
‎✅ Tsy manana vision claire momba ny avenir-ny sy ny fiainana tena tadiaviny.
‎
‎Izaho manokana, tamin’ny nahazoako bacc dia nieritreritra hoe : “Rehefa manana diplôme ambony aho dia tsy maintsy tafita.”
‎Nefa taty aoriana aho vao nahatsapa fa :
‎
Ny diplôme dia fanombohana ihany. 👉 Fa ny compétences, discipline, courage ary action no tena mampiavaka olona iray.
‎
‎Izany indrindra no antony izarako expérience aminao androany. Satria na mbola mpianatra Université aza aho dia efa nahavita nanangana entreprises maromaro sy nahazo expériences maro tamin’ny fiainana.
‎
‎ Raha te hahalala : “Inona avy ireo solutions sy secrets tena nanampy aho niova sy nandroso?” Dia soraty ao amin’ny commentaires hoe :
‎ “SOLUTION”
‎Ary hizaraiko aminao ny tohiny rampitso !
Maka Hevitra mizara hoanao
En tant que jeune, Mbola tsy fotoana hatahoranao risque izany fa alefaso araka izay maha mety azy !