Marojery Mandaniresaka LM

Marojery Mandaniresaka LM Lycée d'enseignement général Mandaniresaka. Cisco Antsirabe I. DREN VAKINANKARATRA

Miarahaba tompoko, araka ny fangatahana sy ny fifanekena natao tamin'ny mpitondra fanjakana, mikasika ny fitakian' ireo ...
09/11/2025

Miarahaba tompoko, araka ny fangatahana sy ny fifanekena natao tamin'ny mpitondra fanjakana, mikasika ny fitakian' ireo mpanabe sy ho firaisam-peo amin'ireo mpisehatra rehetra eo amin'ny fanabeazana manerana ny nosy. Noho ny fahavitan'ny fifanaovantsonia ny "protocole d'accord" ho amin'ny famaliana ny fitakian'jo nataon'ny mpanabe dia miverina amin'ny laoniny ny fampianarana manomboka ny alatsinainy 10/11/2025 izao.
Marihina kosa anefa fa misy ny vomiera napetraka ho mpanaramaso ny hamadihana izany fifanarahana eo amin'ny Ministera sy ny Mpanabe izany ho lasa "decret" ka ho tonga tanteraka eny amin'ny mpanabe tsirairay izany Zo izany.
Noho izay ny tsy famalian'ny fanjakana izany tondrozotra izany amin'ny fotoana nifanomezana dia mety hitarika indray ny fiverenana amin'ny fitakiana ara-tsendikaly indray. Misaotra tompoko

03/11/2025

Miarahaba tompoko. Noho ny tsy fijerena sy famaliana mazava ny fitakian'ny mpanabe, ary manoloana ny fanambarana nataon' Rtoa Ministre dia Nivory ny Mpanabe rehetra teto amin'ny LM ka tapaka fa mampiray feo amin'ireo mpanabe rehetra eto amin'ny Nosy izahay. Manoloana izany dia mitoy ny tolona "service zéro ". Mampanantena kosa ny Ray amandreny fa ra misy valiny mazava ny fitakiana dia miverina avy hatrany izahay. Misaotra Tompoko

Salama daholo tompoko. Araka ny tapaky ny be sy ny maro ikambanan'ny mpampianatra sy mpiasa birao teto amin'ny LM, ary k...
20/10/2025

Salama daholo tompoko. Araka ny tapaky ny be sy ny maro ikambanan'ny mpampianatra sy mpiasa birao teto amin'ny LM, ary koa ho fanohanana hatrany ny tolona iraisana amin'ny mpanabe manerana ny nosy dia mbola miato aloha ny fampianarana mandra-paha misy soridalana mazava avy amin'ny tomponandraikitra eto amin'ny firenena. Ampita eo ihany ny vaovao. Mankasitraka Tompoko

Ny anio
15/10/2025

Ny anio

14/10/2025

Address

Mandaniresaka
Antsirabe
110

Telephone

+261342501117

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Marojery Mandaniresaka LM posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category