15/07/2026
Felicitations 🎊🎉👏
Tongasoa eto amin'ny pejy ofisialin'ny "collège Immaculée Conception Antsirabe -CICA-.
Sehatra iray hanamafisana ny fifandraisana sy ny fifampizarana vaovao momba ny fiainan'ny sekoly, ny fandaharam-potoana, ny hetsika ary ny zava-bitan'ny mpianatra.
15/07/2026
Felicitations 🎊🎉👏
12/07/2026
📢 FILAZANA
Ampahafantarina antsika rehetra fa amin'ity herinandro ity dia ny Alatsinainy 13 Jolay sy ny Talata 14 Jolay 2026 ihany no hisokafan'ny biraon'ny sekoly.
Marihina fa io Talata 14 Jolay io ihany koa no hifaranan'ny andiany voalohany amin'ny fisoratana anarana ho an'ny taom-pianarana 2026–2027.
🗓️ Hisokatra indray ny birao manomboka ny Alatsinainy 20 Jolay 2026.
Koa manentana antsika izay mbola tsy nisoratra anarana mba hanatona ny sekoly alohan'ny 14 Jolay.
Misaotra antsika rehetra amin'ny fiaraha-miasa.
Collège Immaculée Conception Antsirabe (CICA)
05/07/2026
Mirary soa anareo rankizy malala amin'ny fanadinana.
Mahereza, mitonia fa vitanareo io 🙏🙏
04/07/2026
🎓 FAMARANANA AMIN'NY FOMBA OFISIALY NY TAOM-PIANARANA 2025–2026 🎓
Androany, Sabotsy 4 Jolay 2026, no nanatanterahana tamin'ny fomba ofisialy ny famaranana ny taom-pianarana 2025–2026 tao amin'ny Collège Immaculée Conception Antsirabe (CICA).
Nandritra izany no nanaovana ny:
📘 Fizarana ny bulletin ho an'ny mpianatra rehetra;
🏆 Fizarana loka ho an'ireo mpianatra telo voalohany isaky ny kilasy;
🌟 Fanolorana mari-pankasitrahana ho an'ny mpianatra mendrika indrindra amin'ny fitondran-tena isaky ny kilasy.
Fotoana ihany koa nanehoana fankasitrahana sy fisaorana an'ireo rehetra nandray anjara tamin'ny fampandehanana sy ny fahombiazan'ny taom-pianarana: ny mpampianatra sy ny mpanabe tarihin'i Frère Directeur, ny mpandraharaha, ny Ray aman-dreny tarihin'ny président VRM - CICA , ny mpianatra rehetra, ary ireo mpanao soa sy mpiara-miombon'antoka rehetra.
🙏 Mankasitraka anareo rehetra tamin'ny fiaraha-misalahy sy ny fanohanana nandritra ity taom-pianarana ity. Ny fahombiazan'ny sekoly dia vokatry ny fiaraha-mientan'ny rehetra.
📢 Tsara ampahatsiahivina fa mitohy hatrany ny fisoratana anarana sy ny famerenana fisoratana anarana ho an'ny taom-pianarana 2026–2027. Koa aza misalasala manatona ny sekoly fa voafetra ny toerana.
🌴 Mirary fialan-tsasatra sambatra ho an'ny rehetra ary manantena ny hihaona indray amin'ny taom-pianarana vaovao!
03/07/2026
📖 Fitsofan-drano sy fanolorana Convocation ho an'ireo hiatrika BEPC
Androany, Zoma 3 Jolay 2026, no notanterahina teto amin'ny Collège Immaculée Conception Antsirabe (CICA) ny fizarana ny convocation sy ny fitsofan-drano ho an'ireo mpianatra Classe de 3e hiatrika ny fanadinana BEPC, izay hanomboka amin'ny Alatsinainy ho avy izao.
Nanotrona sy nanohana azy ireo tamin'izany fotoana izany ny Ray aman-dreny, notarihin'ny Filohan'ny VRM - CICA sy ny biraony, niaraka tamin'ireo mpanabe sy ny fitantanan'ny sekoly.
Natomboka tamin'ny hafatra sy toromarika nomen'ny Frère Directeur ny fotoana, narahin'ny fitsofan-drano sy ny fanolorana chocolat ho mariky ny fankaherezana sy firarian-tsoa.
Mpianatra miisa 78 no hisolo tena ny sekoly hiatrika ity fanadinam-panjakana ity.
🙏 Mirary fahombiazana sy fitahian'Andriamanitra ho anareo, rankizy malala.
Mahereza, Razandry! Mirosoa amim-pahatokiana, ary enga anie hody ventiny ny ezaka rehetra nataonareo.
01/07/2026
📢 FAMPAHATSIHIVANA
Ampahatsiahivina ny ray aman-dreny sy ny mpianatra rehetra fa amin'ny Sabotsy 4 Jolay 2026 amin'ny 8 ora maraina no hanatanterahana ny:
📘 Fizarana bulletin ho an'ny mpianatra rehetra.
🏆 Fizarana "Prime" na loka ho an'ireo mpianatra mendrika indrindra isaky ny kilasy.
🕘 Amin'ny 8 ora maraina ny fotoaCollège Immaculée Conception Antsirabe - CICA - officielciel
Misaotra amin'ny fiaraha-miasa.
30/06/2026
📢 Mitohy hatrany ny fisoratana anarana!
Mitohy hatrany ny fisoratana anaran'ny mpianatra vaovao ato amin'ny Collège Immaculée Conception Antsirabe (CICA).
🎓 Aza misalasala fa tongava misoratra anarana!
Vonona handray sy hanabe ny zanakareo izahay ao anatin'ny tontolo manome lanja ny fahalalana, ny fanabeazana kristianina ary ny Fitaizana Marista.
🔔 Fampahatsiahivana:
📚 Amin'ity Sabotsy ity no hizarana ny bulletin ho an'ny mpianatra rehetra.
Tongava ara-potoana.
Collège Immaculée Conception Antsirabe – CICA Officiel
Fitiavam-bavaka • Fahendrena • Fahaizana
25/06/2026
Nahatratra ny Asaramanitra e 🎉🎊
Manaova fety sambatra daholo
24/06/2026
🙏⛪ LAMESA FISAORANA SY FITSOFAN-DRANO ⛪🙏
Androany no nanatanterahana ny Lamesa fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny taom-pianarana 2025-2026, noho ireo fahasoavana sy fitahiana rehetra noraisina nandritra ny taona, ireo voka-panadinana efa azo, ary ireo ezaka sy zava-bita maro notanterahina, isan'izany ny Hasina Masina sy ireo hetsika samihafa teo amin'ny fiainan'ny sekoly.
Nandritra izany ihany koa no nanaovana ny fitsofan-drano ireo mpianatra ao amin'ny kilasy T9 (3e) izay hiatrika ny fanadinana BEPC amin'ny volana ho avy.
Nanatrika izany fotoana izany ny mpanabe tarihin'i Frère Directeur, ireo mpianatra marobe, ary ny VRM - CICA notarihin'ny Filohany.
🙏 Mirary soa ho anareo mpianatra hiatrika ny BEPC. Enga anie Andriamanitra hanome fahendrena, hery ary fahatoniana anareo amin'ny fanadinana.
🌴 Ary ho an'ny mpianatra rehetra, mirary fialan-tsasatra feno fiadanana, filaminana ary fitoniana.
✨ Vive les vacances ! ✨
💙
23/06/2026
📚🎓 FAMARANANA NY TAOM-PIANARANA 2025-2026 🎓📚
Nifarana androany ny taom-pianarana 2025-2026 tao amin'ny Collège Immaculée Conception Antsirabe (CICA).
Ny maraina no nifarana ny fanadinana faran'ny taom-pianarana ho an'ny mpianatra. Ny tolakandro kosa dia fotoana nanehoana fankasitrahana sy fisaorana an'i Madame Tiana, izay hisotro ronono aorian'ny taona maro nanompoany teto amin'ny sekoly. Mankasitraka indrindra azy isika noho ny ezaka sy ny soa vitany teo amin'ny fanabeazana sy ny fitaizana ny taranaka. Mirary fahasalamana sy fahombiazana ho azy amin'ireo asa sy adidy vaovao miandry azy.
Nanatrika izany fotoana izany ny solontenan'ny VRM - CICA , notarihin'ny Filohany, niaraka tamin'ny fitantanana, ny mpanabe ary ny mpianatra.
Nandritra ity andro ity ihany koa dia notanterahina ny Grand Ménage, izay niarahan'ny mpianatra rehetra nanadio ny toeram-pianarana. Izany dia natao tsy ho fanadiovana ny sekoly ihany, fa ho fanabeazana sy fampivelarana ny fahazarana mitandro ny fahadiovana sy mikajy ny tontolo iainana.
🙏 Mankasitraka ny mpianatra, ny ray aman-dreny, ny mpanabe ary ny mpiara-miombon'antoka rehetra tamin'ny fiaraha-misalahy nandritra ity taom-pianarana ity.
💙 Mirary fialan-tsasatra sambatra ho an'ny rehetra ary manantena ny hihaona indray amin'ny taom-pianarana vaovao 2026-2027.