Chambre de Commerce et d'Industrie du Vakinankaratra - CCIA Antsirabe

Chambre de Commerce et d'Industrie du Vakinankaratra - CCIA Antsirabe Avec la FONDATION ALLEMANDE des CAISSES d'Epargnes, la CCIA organise: Formation en TECHNIQUE BANCAIRE

🎓✨ **CCI Antsirabe au Salon des Étudiants et de l’Emploi !**📍 Stade Barea Mahamasina📅 25, 26 et 27 août 2026Mandray anja...
26/08/2026

🎓✨ **CCI Antsirabe au Salon des Étudiants et de l’Emploi !**

📍 Stade Barea Mahamasina
📅 25, 26 et 27 août 2026

Mandray anjara amin’ity hetsika lehibe ity ny **CCI Antsirabe**, ho fampahafantarana ireo **fampiofanana sy filière** atolotry ny CCI ho an’ny tanora.

🌱 Zava-dehibe ho an’ny tanora, ho an’ny hoavin’ny firenena ary ho an’ny fampandrosoanao ny CCI ny hetsika tahaka izao, satria manampy ny tanora hahita **fahalalana, fahaiza-manao ary fahafahana miasa** mifanaraka amin’ny filàn’ny tsenan’asa.

🤝 **CCI Antsirabe : manomana ny tanora ho amin’ny asa, manangana ny hoavin’ny firenena !** 🇲🇬🎓

✨Vous rêvez de créer vote entreprise ou dedévelopper vote projet?4 Ne manquez pas la séance d'information surle concours...
08/07/2026

✨Vous rêvez de créer vote entreprise ou de
développer vote projet?
4 Ne manquez pas la séance d'information sur
le concours TJE 2026 !
Venez découvrir tout ce qu'il faut savoir sur le
TJE 2026 organisé par BNI MADAGASCAR:
Les conditions de participation
Les différentes étapes du concours
Les opportunités offertes aux candidats
V Les conseils pour bien préparer votre
candidature
📌Lieu : Chambre de Commerce et de 'Industrie
Antsirabe

đź—“Date : Vendredi 10 juillet 2026
đź•‘ Heure : 14h00
🎟 Entrée libre et gratuite

💡Que vous soyez étudiant, jeune entrepreneur,
porteur de projet ou simplement curieux, cette
rencontre est une excellent occasion d'obtenir
toutes les informations nécessaires pour
concrétiser vos ambitions.
• Invitez vos proches et partagez cette
publication pour que chacun puisse saisir cette
opportunité! #
Commenter en tant que

Atrikasa fikaonan-doha isam-paritra momba ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanohanana ny sehatra tsy miankina.Vaki...
28/06/2026

Atrikasa fikaonan-doha isam-paritra momba ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanohanana ny sehatra tsy miankina.

Vakinankaratra, 10-11 Jona 2026 - Notanterahina tao amin' ny Espace Mampihanta Antsirabe nandritra ny roa andro ny atrikasa fikaonan-doha isam-paritra, izay nampivondrona ireo mpandraharaha ara indostrialy, ny sehatra tsy miankina, ny rafi-panjakana, ny fiarahamonim-pirenena ary ireo
mpiara-miombon' antoka ara-teknika sy ara bola.

Nizara ho vondrona dimy ireo mpandray anjara ka nifantoka tamin'ny fandrafetana paikady ho fampiroboroboana ny indostria sy fanohanana mivantana ny sehatra tsy miankina eto Vakinankaratra. Izany dia nifototra tamin'ireo angon-drakitra sy fanadihadiana ary fikaonan-doha efa natao tany aloha, mba hametrahana paikady
mifanaraka amin'ny zava-misy marina sy ny filĂ n'ny Faritra.

Nisolo tena ny Ministry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina, Atoa RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, nandritra ny atrikasa, Atoa
TATAMIARISOA Manankoraisina Landry, Sekretera Jeneraly. Nohamafisiny ny maha zava-dehibe ny fanohanana ny PME/PMI, ny fanatsarana ny tontolon'ny fandraharahana ary ny famoronana asa.

Taorian'ny atrikasa dia natsangana ny vaomiera miisa enina, izay hametraka ny fototry ny rafitra maharitra ho an'ny Dinka Fanjakana-Sehatra tsy miankina
isam-paritra, hanohizana ny fifampidinihana sy
hanaraha-maso ny fanatanterahana ny drafitra:
Fanodinana to an-toerana sy rojom-pihariana,
Fanohanana ny PME/PMI sy fampidirana amin'ny
ara-dalĂ na ireo mpisehatra ty ara-dalana,
Famatsiam-bola, fampiasam-bola ary tontolon'ny
fandraharahana,
Fidirana amin'ny tsena, kalitao ary fanamarinana
Fanofanana, fandraharahana, asa ho an'ny tanora
sy ny vehivavy,
Famoronana ara-teknolojia, fotodrafitrasa ary
fampandrosoana maharitra.

Ny tetikasa PAISF izay vatsian'ny Banky Afrikana hoan'ny Fampandrosoana no nanohana ny
fanatanterahana ity atrikasa ity.
Nandritra ny diany teto Vakinankaratra dia nitsidikany orinasa ODOF "Ampalia" ihany koa ny Sekretera Jeneralin'ny Minisitera, ary nitsidika ny biraon'ny
Fitaleavam-paritry ny Minisitera eto Vakinankaratra.




🇲🇬 Fankalazana ny faha-66 taonan'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara 🇲🇬Nanamarika ny fankalazana ny faha-66 taonan'ny Faha...
28/06/2026

🇲🇬 Fankalazana ny faha-66 taonan'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara 🇲🇬
Nanamarika ny fankalazana ny faha-66 taonan'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara ny CCIA Vakinankaratra, tamin'ny alalan'ny fandraisan'anjara tamin'ny filaharana niarahana tamin'ireo mpiasam-panjakana sy andrim-panjakana isan-tsokajiny.
Nampiavaka ny fandraisan'anjaran'ny CCIA tamin'ity taona ity ny fanandratana ny fitafy malagasy, ho mariky ny fitiavan-tanindrazana sy ny fanomezam-boninahitra ny kolontsaina sy ny maha-Malagasy.
Maro ireo tompon'andraikitra sy mpiofana ao amin'ny CCIA no tonga nandray anjara, maneho ny firaisankina sy ny fahavononana hanome voninahitra ity andro manan-tantara ho an'ny firenena ity.
Mirary fety sambatra ho an'ny Malagasy rehetra! 🇲🇬

📌 Fankalazana nasionaly ny “Madagasikara Madio” tao AntsirabeNandray anjara mavitrika tamin’ny hetsika nasionaly “Madaga...
21/06/2026

📌 Fankalazana nasionaly ny “Madagasikara Madio” tao Antsirabe

Nandray anjara mavitrika tamin’ny hetsika nasionaly “Madagasikara Madio”, izay notanterahina teto Antsirabe ny Sabotsy 20 Jona 2026, ny ekipa avy ao amin’ny CCIA, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra sy mpiasam-panjakana ary ireo hery velona samihafa teto an-toerana.

Ity hetsika ity dia natao hanamafisana ny fahadiovana, ny fikajiana ny tontolo iainana ary ny fiaraha-mientana ho fampandrosoana ny tanĂ na sy ny firenena.

Ho fanamafisana izany adidy sy andraikitra iombonana izany, taorian’ny hetsika niarahana tamin’ireo mpiasam-panjakana rehetra dia nanatanteraka fanadiovana ny manodidina ny Bâtiment CCIA ihany koa ny ekipa CCIA.

Maneho ny fahavononan’ny CCIA handray anjara amin’ny fanatsarana ny tontolo iainana sy ny fanamafisana ny firaisankina eo amin’ny fiarahamonina izao hetsika izao.

🇲🇬✨

📌 Assemblée Générale Ordinaire de la CCIANy Alakamisy 18 Jona, tao amin’ny efitrano malalaky ny Chambre de Commerce et d...
21/06/2026

📌 Assemblée Générale Ordinaire de la CCIA

Ny Alakamisy 18 Jona, tao amin’ny efitrano malalaky ny Chambre de Commerce et d’Industrie d’Antsirabe (CCIA), no nanatanterahana ny Assemblée Générale Ordinaire, niarahana tamin’ireo membres consulaires sy ireo minisiteran’ny fiahiana (ministères de tutelle).

Nandritra izany no nifampizarana sy nifanakalozana momba ny fampandehanan-draharaha isan-tsokajiny ao amin’ny CCIA, ny zava-bita sy ny vina ho avy, ary ny paikady hanamafisana ny fitantanana sy ny fampiroboroboana ny asan’ny efitrano araka ny tanjona napetraky ny Fanjakana Malagasy.

Fotoana manan-danja nanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fifampidinihana ho fampandrosoana ny sehatry ny varotra, ny indostria ary ny fandraharahana eto Vakinankaratra ihany koa ity fihaonana ity.

🇲🇬✨

📌 Fihaonana sy fifampizarana traikefa teo amin’ny mpianatra sy ny tontolon’ny fandraharahanaNanatanteraka conférence de ...
21/06/2026

📌 Fihaonana sy fifampizarana traikefa teo amin’ny mpianatra sy ny tontolon’ny fandraharahana

Nanatanteraka conférence de partage tao amin’ny efitrano malalaky ny Université de Vakinankaratra ny FiOVa (Fivondronan’ny Orinasan’ny Vakinankaratra), niarahana tamin’ireo mpianatra, mpandraharaha ary matihanina avy amin’ny sehatra samihafa.

Anisan’ireo nanatrika izany ny mpianatra sy ny ekipa avy amin’ny CCIA, satria mpikambana ao amin’ny CCIA ihany koa ny FiOVa.

Fotoana iray nanamafy ny fifanakalozana traikefa sy fahalalana teo amin’ny tanora sy ny tontolon’ny fandraharahana ity hetsika ity, sady nanokatra sehatra hahafahan’ireo mpianatra mahafantatra bebe kokoa ny zava-misy sy ny fahafahana eo amin’ny sehatry ny asa sy ny fandraharahana eto Vakinankaratra.

🇲🇬✨

📌 Fitsidihana ara-pedagojika sy fanabeazanaNanatanteraka fitsidihana ny orinasa Rano Visy, iray amin’ireo orinasa mampia...
21/06/2026

📌 Fitsidihana ara-pedagojika sy fanabeazana

Nanatanteraka fitsidihana ny orinasa Rano Visy, iray amin’ireo orinasa mampiavaka ny Faritra Vakinankaratra sy ny tanànan’Antsirabe, ireo mpianatra ao amin’ny CCIA.

Ny tanjon’ity hetsika ity dia ny hahafahan’ireo mpianatra mahafantatra bebe kokoa ireo harena sy orinasa misy eto amin’ny faritra, hanome lanja ny orinasa eto an-toerana, ary hampifandray ny lesona ara-teôria amin’ny tontolon’ny asa sy ny famokarana.

Taorian’ny fitsidihana dia nisy fotoana fialam-boly sy fifaneraserana niarahana tamin’ny alalan’ny excursion kely sy fiaraha-misakafo, izay nanamafy ny firaisankina sy ny fifankahazoana teo amin’ireo mpianatra.

🇲🇬✨

Mpandraharaha Malagasy vehivavy, notontosaina tao amin ny efitrano malalaky ny CCIA ny fampafantarana ireo dingana araha...
21/06/2026

Mpandraharaha Malagasy vehivavy, notontosaina tao amin ny efitrano malalaky ny CCIA ny fampafantarana ireo dingana arahan ny fanondranana entana avy eto Madagascar makany ivelany , sy ireo tombony ho an ny mpandraharaha Malagasy manokana.

📌 Fankalazana ny faha-100 taonan’ny vola taratasy malagasyAnisan’ireo nanatrika ny hetsika nokarakarain’ny Banky Foiben’...
21/06/2026

📌 Fankalazana ny faha-100 taonan’ny vola taratasy malagasy

Anisan’ireo nanatrika ny hetsika nokarakarain’ny Banky Foiben’i Madagasikara tao amin’ny Université de Vakinankaratra ny CCIA, niaraka tamin’ireo mpianatra amin’ny taranja Assistant Bancaire.

Nampiseho ny fahavononany sy ny fahalianany amin’ny sehatry ny vola sy ny banky ireo tanora mpianatra malagasy, tamin’ity fotoana manan-danja natokana ho fankalazana ny faha-100 taonan’ny vola taratasy malagasy ity.

🇲🇬✨

Address

Chambre De Commerce Et D'Industrie Du Vakinankaratra. ANTSIRABE.
Antsirabe
110

Telephone

+261346535431

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Chambre de Commerce et d'Industrie du Vakinankaratra - CCIA Antsirabe posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The School

Send a message to Chambre de Commerce et d'Industrie du Vakinankaratra - CCIA Antsirabe:

Shortcuts

Share