30/09/2022
VAVAKA IFANDRAISANA @ LAY SILAK'ANDRIAMANITRA AO ANATY
Salama Tompoko ...
Isika rehetra izao dia samy misy Silak'Andriamanitra mipetraka ao anaty ao . Afaka miasa ho anao io rehefa ifandraisanao fa izy kosa mamela malalaka anao tsy miditra @ fiainanao rehefa tsy omenao alalana @ fiainanao .
Misy meditation manonkana atao raha tiana ny hifandray aminy fa tsy izay aloha no omeko eto fa vavaka ahafahana manetsika azy ;
"Ry Raiko izay ato amiko mangataka ampanetretena aho aminao aho mba andray an_tanana ny fiainako sy asa amandrarahako anio .Mino sy matoky anao aho Ry Ray izay ato anatiko .
Ampio aho hiteny sy izay tokony ataoko @ fotoana rehetra ary anatanteraka izay hetsika tsara rehetra tian'Andriamanitra ho tanterahina ary mino aho fa ny tsara hatrany no hitranga amiko .
Izaho izao no fitaovan'Andriamanitra ary izay ataoko rehetra dia bitsihin'Andriamanitra izay saina amam_panahy ato amiko .
Dera sy Laza ary voninahitra lehibe omena anao .
Amen Amen Amen !"
Ataovy hatrany io vavaka io alohan'ny hietsika @ zay lay Silak'Andriamanitra ao anaty no mihetsika mialoha .
SAMIA HO TENA ANDRIAMANITRA