24/07/2026
⚪ 𝐀𝐍𝐃𝐀𝐎 𝐇𝐈𝐑𝐀𝐘 𝐇𝐈𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐇𝐈𝐀𝐑𝐀-𝐇𝐈𝐄𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐓𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀
FIMO : Fanilon'I Madagasikara Oniversitera 🇲🇬⚜️🎓
Fanandratana sy fanabeazana zazavavy amin'ny sehatry ny anjerimanontolo .
24/07/2026
⚪ 𝐀𝐍𝐃𝐀𝐎 𝐇𝐈𝐑𝐀𝐘 𝐇𝐈𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐇𝐈𝐀𝐑𝐀-𝐇𝐈𝐄𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐓𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀
✨🤝✨
Indro ary ny era nandrasantsika ☺️🎊
Araka ny efa nampanantenaina dia voaatitra soa aman-tsara eny amin'ny ry Masera ao Ankorahotra, Maison Bienheureux Nicolas BARRE ny fanomezana ho an'ireo Rovi-damba ririnina, nokarakarain'i Ambohidempona, koa isaorana ianareo rehetra niara-niombona taminay tamin'izany, ny Kristianina ao amin'ny Aumônerie Catholique Universitaire d'Ambohidempona sy ny manodidina, Andriamanitra manakarem-pahasoavana anie hamaly soa avo roa heny 🙏✨🎊
26/06/2026
> 🇲🇬 MALAGASY IRAY ISIKA 🇲🇬
Tsy ny fiaviana, ny faritra na ny fahasamihafana no mampisaraka antsika, fa Malagasy iray isika, miray fo sy miray hina ho an'ny fampandrosoana ny Tanindrazantsika.
Amin'izao fankalazana ny faha-66 taonan'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara izao, dia aoka samy hanana finiavana hitandro ny firaisankina, ny fihavanana ary ny fitiavan-tanindrazana.
🇲🇬 Malagasy iray isika. Miray hina, miara-mandroso. ⚜️
Arabaina tratry ny asaramanitra e ! 🥳
23/06/2026
✨ "Izay rehetra nataonareo tamin'ny kely indrindra tamin'ireto rahalahiko ireto, nataonareo tamiko koa." ✨ Teny marin'ny Tompo.
Ho antsika eto amin'ny ACU Ambohidempona sy ny manodidina. Mbola mitohy ny antso ho an'ny foin'ny malala-tanana! Ny avy aminao dia famonjena sy fifaliana lehibe ho an'ireo mila izany.
📝Mba ho tontosa antsakany sy andavany ny fanaterana ny fanomezana any amin'ireo Masera ao Ambanidia, ireto misy fandaharam-potoana lehibe tokony ho tadidintsika:
📥 Famaranana ny Fanangonana:
Mbola mandray ny fanomezanao rehetra ao amin'ny ACU Ambohidempona izahay mandra-pahatongan'ny Alahady 28 JONA 2026, alohan'ny amin'ny 1 ora sy sasany atoandro (13h30).
🚀 Fiaingana hanatitra izany:
Ny fiaingana handeha hamonjy an'ireo Masera ao Ambanidia dia ny Alahady 28 JONA amin'ny 2 ora tolakandro (14h00) miala eo amin'ny Centre.
Raha mbola tsy afaka nitondra ny anjara birikinao ianao, dia mbola misy andro vitsivitsy sisa hidirana an-tsehatra. Ndao haneho ny firaisankina sy ny fitiavana maha-Kristianina antsika! ☺️
Mankasitraka sahady antsika rehetra amin'ny fahavononana sy ny fandraisana anjara. Ampitapitao ny hafatra mba ho tonga any amin'ny maro! 🙏❤️
07/06/2026
07/06/26_Fetin'ny Sarkamenta Masina 🙏⛪FIVAHINIANANA MASINA NOTONTOSAIN'NY AUMÔNERIE CATHOLIQUE UNIVERSITAIRE D’AMBOHIDEMPONA 🤲✨
✨Nanao fivahinianana masina tao amin’ny Frères Capucins Ambohimalaza ny Aumônerie Catholique Universitaire (ACU) Ambohidempona, ho fanamarihana ny Jobily faha-800 taona nahaterahan’i Md François d’Assise tany an-danitra. Hetsika iray nampiroborobo ny finoana sy nampiray hina ny Kristianina eo anivon’ny Aumônerie ity fivahinianana masina ity♥️✨
✨🙏Nandritra ny tapany maraina dia nifantoka tamin’ny lafiny ara-panahy ireo mpivahiny. >Nisongadina tamin’izany ny Lalan’ny Hazofijaliana niaraka tamin’i Masimbavy Faustine, izay nanampy ny tsirairay hibanjina lalindalina kokoa ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famindram-pony. Narahin’ny Sakramentan’ny Fampihavanana. Nisy ihany koa ny fifampizarana sy fampahafantarana momba ny fiainan’i Md François d’Assise, izay nampanan-karena ny fahalalan’ireo mpino sy nanampy azy ireo haka tahaka ny fiainany feno fanetren-tena sy fitiavana ♥️✨
✨🙏Ny Eokaristia Masina no ivon’ny andro, narahin’ny Tsodranon’ny Sakramenta Masina. Fotoana nitalahoana ny fitahiana sy ny fahasoavan’Andriamanitra ho an’ny tsirairay izany, ary nahafahan’ireo mpivahiny nahazo ny famelana ny sazim-pahotana tamin’ny alalan’ny Pardon d’Assise.♥️✨
✨🌞Ny tapany hariva kosa dia natokana ho an’ny fitsangatsanganana sy ireo hetsika niombonana, izay nanamafy ny fifankatiavana sy ny fihavanana teo amin’ireo mpikambana. Marihina fa Fanilon’i Madagasikara (FIMO) valo no nandray anjara tamin’ity fivahinianana masina ity.
✨Nanjary fotoana sarobidy ho an’ny ACU Ambohidempona ity fihaonana ity satria nanamafy ny finoana sy ny fiainam-panahin’ireo Kristianina, sady nampitombo ny firaisankina sy ny fifankatiavana eo anivon’ny Aumônerie.♥️✨
05/06/2026
🌍💚 Andro Maneran-tany ho an'ny Tontolo Iainana – 05 Jona 2026 💚🌍
Mivelona ao anatin'ny tontolo iray isika rehetra. Ny rivotra iainantsika, ny rano sotrointsika, ny hazo manome alokaloka antsika, dia harena sarobidy mila tandrovina isan'andro. 🌱
Amin'izao Andro Maneran-tany ho an'ny Tontolo Iainana izao, andeha isika samy handray andraikitra, na dia amin'ny fihetsika kely aza : ♻️ Tsy manipy fako eny rehetra eny, 🌳 Mamboly sy miaro hazo, 💧 Mitsitsy rano, 🌿 Mikarakara ny manodidina antsika, 🤝 Manentana ny hafa hiaro ny tontolo iainana.
Asa soa ny fiarovana sy fikajiana ny zavaboary nomen'Andriamanitra antsika. Tsy miandry olon-kafa hanova izao tontolo izao isika fa manomboka amin'ny tenantsika sy ny manodidina antsika.
✨ Ny hoavin'ny tontolo iainana dia miankina amin'ny safidy ataontsika anio.
" La Terre ne nous appartient pas, nous l'empruntons à nos enfants" 💚🌍
"Arovy ny natiora, fa izy no aina." 🍃❤️
🌱🇲🇬
01/06/2026
Alatsinainy 1 jona 2026 📆
Andro voalohany amin'ny erinandro, andro voalohany amin'ny volana .
Volan'ny ankizy ny volana Jona 👧👦 no sady volana hankalazana ny niverenan'ny fahaleovantena 🇲🇬.
Mahatsiaro manokana ireo ankizy sy ireo mpiray tanindrazana tojo fahasahiranana amin'izao andro ririnina izao izahay.
Koa manentana antsika rehetra hanao asa soa miaraka aminay 🤝. Raha manana akanjo mafana, bodofotsy, lamba firakotra na fitafiana mbola azo ampiasaina ianareo dia manasa anareo hizara izany ho fanampiana ireo mila fanohanana indrindra amin'izao vanim-potoanan'ny hatsiaka izao. 🧥🧣❤️
📍 Ao amin'ny ACU Ambohidempona no hanangonana ireo fanomezana isan'andro, manomboka anio 1 Jona ka hatramin'ny 28 Jona 2026.
🎁 Hatolotra amin'ireo sahirana ny fanomezana voaangona amin'ny 28 Jona 2026.
"Tanana iray tsy mba tehaka, fa ny firaisankina no hery."
Andao hiara-hitondra hafanana sy tsiky ho an'ireo sahirana. 🥰🔥
⚜️ Fanilon'I Madagasikara vonona mandrakariva ⚜️
31/05/2026
Andro lehibe ny andro anio 🥰
Alahady nankalazana ny Trinite Masina ✝️ , no sady fetin'ny Reny ihany koa 🤱🏽.
Andro iray hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra sy hanehoam-pitiavana ary fankasitrahana ireo reny rehetra, izay manolo-tena amim-pitiavana sy fahafoizan-tena isan'andro. 🌹
Ho tahian'Andriamanitra anie ny reny rehetra, ary homeny fahasalamana, fifaliana ary hery hatrany🙏🏼❤️
Mirary Alahady finaritra sy Fetin'ny Reny sambatra ho an'ny rehetra! ❤️🌷✨