04/01/2026
Vavaka
4 janoary ho ani Mandresy tiana
Fa mihoatra noho ny mpandresy isika amin.ny alalan,ilay tiantsika. Romana 8:37
Joyeux anniversaire patron Mandresy
Jesosy Tomponay o
Iny zanako iny
Raha sendra malahelo izy dia mba herezonao ny fony
Raha mandalo sento izy dia mba omeo tsiky izy mba ho tony
Raha matsiaro mangatsika izy ka mitady hatsapa ho irery
Dia mba kasio ni tananao mahery izy mba fihino kely
Aza atao tsapany fa lavitra azy aho androany
Fa ndrao ho maloka ny tavany ka ho saroni tomany.
Ampifalio izy jesosy oh irao ireo anjelinao
Iaraka ilalao amini an'ilay kilalao
Ampitomboy ny fahalalany hanoizani ny ezaka
Omeo heri sy tanjaka izy mba tsy ho mora reraka
Omeo fahasalamana izy re aza avela ho farofy zani
Anao ny fandaharana fa ny anai dia nofinofy ihany
Misaotra Tompo oh misaotra Jesoa oh
Amen