25/02/2026
‼️ 𝗡𝗬 𝟵𝟬% 𝗡𝗬 𝗥𝗔𝗬 𝗔𝗠𝗔𝗡-𝗗𝗥𝗘𝗡𝗬 𝗱𝗶𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗱𝗶𝗻𝗼 𝗺𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮𝗸𝗮𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗲𝗻𝗮𝗻𝘆 🥹
Ary rehefa anontaniana izy ireo dia milaza fa nohon'ny fitiavan-janaka izany.
Ny tsy azony nefa fa raha marary mafy na maty izy, dia tsisy mikarakara intsony ilay zanany 😥
Ry ray aman-dreny :
✅ Raha tena tianao ny zanakao, dia karakarao ny tenanao mba ahafahanao mikarakara azy.
✅ Raha tena tianao ny zanakao, dia tandrovy ny fahasalamanao mba ho eo ianao rehefa tafita izy.
✅ Raha tena tianao ny zanakao, dia asehoy azy fa tianao ny tenanao, ary hitia ny tenany koa izy.
Aoka tsy ho famonoan-tena no fanehoam-pitiavana asehonao ny zanakao, fa mba ho taizan'olona salama ara-batana sy ara-tsaina izy.
🧠 Ary tadidio, fa rehefa tsy voakarakaranao ny tenanao, dia ianao indray no hiteraka loza ho an'ny zanakao.
Pejy - Mpanabe Fototra