Succès en Français Madagascar - Apprenez facilement

Succès en Français Madagascar - Apprenez facilement

Share

Vous voulez parler français avec confiance ? Succès en Français Madagascar vous accompagne pas à pas vers la réussite.

Cours simples • Explications claires • Progrès garantis.

07/07/2026
29/06/2026

📚 LEÇON DE GRAMMAIRE:
🌳Les présentatifs : Voici – Voilà – C'est – Il y a
Vous apprenez le français ? 😊
Aujourd'hui, découvrons 4 présentatifs très utilisés dans la vie quotidienne.
━━━━━━━━━━━━━━━━━━

1. VOICI = Ity / Ireto
👉 Ampiasaina hanondroana olona na zavatra akaiky.
Exemple :
✅ Voici mon livre.
📖 Ity ny bokiko.

2. VOILÀ = Io / Ireo / Indro
👉 Ampiasaina hanondroana olona na zavatra lavidavitra, na rehefa manolotra zavatra.
Exemple :
✅ Voilà votre téléphone.
📱 Io ny findainao.

🌳 Fanamarihana : Amin'ny resaka andavanandro, matetika kokoa ny Frantsay no mampiasa voilà.

3. C'EST = Izy io dia... / Ity dia...
👉 Ampiasaina mba hampahafantarana olona na zavatra.
Exemples :
✅ C'est Marie.
👩 I Marie io.

✅ C'est une école.
🏫 Sekoly io.

4. IL Y A = Misy
👉 Ampiasaina hilazana fa misy olona na zavatra.
Exemple :
✅ Il y a un chat dans le jardin.
🐱 Misy saka ao an-jaridaina.

📝 TSAROVY
✅ Voici ➜ zavatra akaiky.
✅ Voilà ➜ zavatra lavidavitra na atolotra.
✅ C'est ➜ mampahafantatra olona na zavatra.
✅ Il y a ➜ milaza fa misy.

⚠️ TANDREMO!
❌ C'est trois étudiants.
✅ Ce sont trois étudiants.
👉 Raha maro ny olona na zavatra dia Ce sont no ampiasaina fa tsy C'est.

✍️ EXERCICE
Fenoy amin'ny teny mety (Voici – Voilà – C'est – Il y a).

1️⃣ ______ mon passeport.
2️⃣ ______ un restaurant près d'ici.
3️⃣ ______ mon professeur.
4️⃣ ______ vos clés !

💬 Soraty ao amin'ny commentaires ny valinteninao.

❤️ Aza adino ny Like 👍, Partager 📲 ary Suivre ny pejy Succès en Français Madagascar – Apprenez facilement mba hianarana teny frantsay mora sy isan'andro.

03/06/2026

ÊTRE vs AVOIR
👉 Succès en Français Madagascar - Apprenez facilement

02/06/2026

Mes publications ont obtenu plus de 2 800 réactions la semaine dernière. Merci à tout le monde pour votre soutien ! 🎉

02/06/2026

🇫🇷Tsy "Je m'appelle" ihany no azo ampiasaina hanehoana ny anaranao amin'ny teny frantsay!
Maro ny mpianatra no mahalala ny hoe "Je m'appelle", saingy misy fomba maro hafa koa azo ampiasaina rehefa mampahafantatra ny tena.
—————————————————
👉 Je m'appelle Robert.
( Robert no anarako.)

👉 Mon nom est Robert.
( Robert no anarako. (fomba somary ofisialy)

👉 Je suis Robert.
( Izaho dia Robert.)

👉 On m'appelle Robert.
( Antsoina hoe Robert aho.)

👉 Moi, c'est Robert.
(Izaho kosa dia Robert. (tena mahazatra amin'ny resaka andavanandro)

👉 Je me nomme Robert.
( Robert no iantsoana ahy. (fomba ofisialy kokoa)

👉 Permettez-moi de me présenter, je suis Robert.
( Avelao aho hampahafantatra ny tenako, Robert aho.)

📚 TSAROVY:
✅ Je m'appelle 👉 fampiasa andavanandro.

✅ Mon nom est 👉 fampiasa amin'ny taratasy na toe-javatra ofisialy.

✅ Moi, c'est 👉 fampiasa amin'ny namana sy resaka tsotra.

✅ Je me nomme 👉 fomba fiteny kanto sy ofisialy.

📝 Ampiasao ny anaranao ka manorata fehezanteny iray ao amin'ny commentaire.
👉 Moi, c'est Robert.
💬 Iza amin'ireo fomba ireo no tianao indrindra?

🇫🇷📖

16/05/2026

LES VERBES RÉGULIERS
Succès En Français Madagascar - Apprenez facilement

16/05/2026

LA PHRASE NÉGATIVE
(Fehezanteny fandavana)

La forme :
👉 Ny rafitra ampiasaina

Sujet + NE + verbe + PAS
👉 Lazaina aloha ny olona/ zavatra manao ilay asa, avy eo “NE”, dia ny verbe, ary farany “PAS”.

✅ Je ne comprends pas.
(Tsy azoko.)

✅ Tu n’aimes pas le français.
(Tsy tianao ny teny frantsay.)

✅ Il ne parle pas anglais.
(Tsy miteny anglisy izy.)

✅ Nous ne mangeons pas de viande.
(Tsy mihinana hena izahay.)

✅ Vous ne travaillez pas le dimanche.
(Tsy miasa alahady ianareo.)

✅ Ils n’habitent pas à Madagascar.
(Tsy mipetraka eto Madagasikara izy ireo.)

📕 TSAROVY:
En français, on encadre le verbe avec NE…PAS.
👉 Amin’ny teny frantsay dia atao eo alohan’ny verbe ny “NE” ary eo aoriany ny “PAS”.

📘 Apprendre le français aujourd’hui, c’est réussir demain !
Succès En Français Madagascar
👉 Araho hatrany ny pejy, tsindrio ny azafady🙏
Zarao mba hanampy hafa ☺️

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Website

Address

ANKADIMBAHOAKA
Antananarivo
101