Hono oa Ramose

Hono oa Ramose

Share

«📏 Un bon enseignant aime toujours l’avenir des enfants📐. »

17/04/2026

🏷️ FANODIKODINANA FANANAN’OLON-TSOTRA (DÉTOURNEMENT DE BIENS SOCIAUX) 🏷️

➡️ Famaritana
Fanodikodinana na fampihenana, fanimbana na fanafoanana ao anatin’ny seha-pihariana ara-toekarena, ara-bola, ny fananan’ olo-tsotra na fanana’orinasa tsy miankina

👥 Sokajin’olona voakasika : Tomponandraikitra na mpiasa ny orinasa tsy miankina

⚖️ Fihetsika maha-heloka (Acte de corruption) :
- Mampiasa vola, fananana, fitaovana na harenan’ny orinasa ho an’ny tombontsoa manokana ;
- Manome na mampiasa ny fananan’ny orinasa amin’ny tanjona tsy mifanaraka amin’ny tombontsoan’ny orinasa ;
- Manao fanapahan-kevitra na fifanarahana manimba ny orinasa

🔗 Sazy araka ny lalàna

- Fampidirana am-ponja : 6 volana hatramin’ny 5 taona
- Onitra : Ar 2 000 000 hatramin’ny Ar 100 000 000
- Sazy fanampiny : mety ho fandraràna hitantana orinasa na fanagiazana ny fananana azo tamin’ny heloka.
6/32
✋🚫 STOP CORRUPTION

16/04/2026

Ny matematika dia tsy noforonin’olona iray tokana fa vokatry ny fivoarana ara-tantara sy ara-tsiantifika nataon’ny sivilizasiona maro nifandimby. Ny porofo "archéologique", toy ny taolana misy marika (ohatra ny Ishango), dia manaporofo fa efa nisy ny rafitra fanisana hatramin’ny vanim-potoana taloha be, izay azo heverina ho fototry ny matematika. Tamin’ny sivilizasiona "égyptienne" sy "mésopotamienne" dia efa nampiasaina tamin’ny fomba "pratique" ny matematika, toy ny fandrefesana tany, ny fanorenana, ary ny kajy ara-barotra. Nandritra ny vanim-potoana grika fahiny, ny matematika dia nahazo endrika "scientifique" sy rafitra "logique", indrindra tamin’ny asan’i Euclid izay nametraka ny fototry ny "géométrie déductive" ao amin’ny boky Elements, ary Pythagoras izay nandray anjara tamin’ny "théorie des nombres" sy ny rafitra geometrika. Taty aoriana, ny mpahay matematika indiana sy arabo, toy i Brahmagupta sy Al-Khwarizmi, dia nanitatra ny sehatra tamin’ny alalan’ny fampidirana ny isa aotra, ny rafitra "décimal", ary ny "algèbre". Farany, tamin’ny vanim-potoana maoderina, ny asa nataon’i Isaac Newton sy Gottfried Wilhelm Leibniz dia nitarika ny famoronana ny "calcul différentiel et intégral", izay nanjary fitaovana fototra amin’ny fandalinana "scientifique" sy ny modely matematika ankehitriny. Noho izany, ny matematika dia azo faritana ho rafitra fahalalana mitohy mivoatra, miorina amin’ny "logique", ny porofo, ary ny fanavaozana ara-tsiantifika nataon’ny olombelona nandritra ny tantara.

A History of Mathematics, Carl B. Boyer, Wiley, 1968 (édition révisée 2011).
The Crest of the Peacock, Princeton University Press, 1991 (3e édition 2011)

16/04/2026

🎉Afaka fotoana fohy dia hankalaza ny faha 45 taona niorenany ny Ecole Normale Supérieure eto amin’ny Oniversite Fianarantsoa.

💚Hisy ny fanetsehana sy fampivondronana ireo maintimolaly ka mampiomana an’ireo izay nandalo sy nanovo fahalalana tato amin’ny sekoly.
🤗Asaina ianao hisoratra anarana amin’ny rohy eto ambany.👇👇
,📢 Ilazao ny namana!!
Afaka manao soso-kevitra koa amin’ireo hetsika ho fankalazana izany andro mana-tantara izany. Ataovy eo @ amin’ny kaomantera.

https://tally.so/r/3y6944

14/04/2026

KOLIKOLY FANODIKODINANA VOLA SY FANANAM-PANJAKANA:
Fanodikodinana, fandravana, fanariana na fanesorana fananam-panjakana izay ataon'ireo tomponandraiki-panjakana voatendry na voafidy misahana mivantana ny raharaha mikasika ny teti-bola sy ny fikirakirana volam-panjakana.

Na iza na iza , noho ny asany izay miantoka ny fanatanterahana ny teti-bola na ny fikirakirana vola,noho ny maha mpitahiry ny fahefam-panjakana na miandraikitra asam-panjakana, ka nanodikodina, nandrava, nanaisotra ny fananam-panjakana, dia VOASAZY HANAO ASA AN-TEROVOZONA miampy ONITRA 40 tapitrisa ariary ka hatramin'ny 500 tapitrisa ariary.
Andininy faha 169 ao amin'ny fehezan-dalana famaizana. LOI n° 2016-020 sur la LUTTE CONTRE LA CORRUPTION.
Ndao hifanabe hiady amin'ny kolikoly.
"Vers Une génération sans corruption"

Fianarantsoa

14/04/2026

Mitandrema ianareo amin'ity mivazivazy ato amin'ny fb oe Dragona,dragona ity fa asan'ny devoly ireny.
Teneno ny akizy ry RAD 🙏

Photos from Hono oa Ramose's post 12/04/2026

📢 📢 📢 FILAZANA
✳️✳️Momba ny fizarana ny didy fanendrena sy ny fifanarahana arak’asa ho an’ireo nahavita fihofanana ENS izay voafantina araka ny naoty laharana faha-2026/124-MEN/SG tamin'ny 12 Febroary 2026.

source: Nalaina tao amin'ny page Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena Ofisialy

10/04/2026

KOLIKOLY MANDRAY ATAON'NY OLOM-PANJAKANA:

Fitakiana na fangatahana na fankatoavana fanomezana na tombotsoa tsy ara-dalana ataon'ny mpiasa na tomponandraikim-panjakana voatendry na voafidy mba hanatontosana na tsia asa mifanandrify amin'ny andraikitra sahaniny.

Voasazy roa ka hatramin'ny 10 taona an-tranomaizina miampy onitra 5 tapitrisa ariary ka hatramin'ny 200 tapitrisa ariary ny manao kolikoly na iray amin ireo ihany ary no fandikan-dalana ataony.

Andininy faha 177-1 Loi n°2016-020 MOMBA NY ADY AMIN'NY KOLIKOLY.

Ndao hifanabe hiady amin'ny kolikoly.
"Vers Une génération sans corruption"

04/04/2026

Mba henoy aho Ramose a…
Tsy fantatrao angamba ny ato anatiko ao :
Ny foko toa “fonction” miakatra tsy voafehy,
Midobodoboka mafy, tsy mety miala ao…

Vao mahita anao aho ka miarahaba anao,
Dia hafahafa izany fa be ny tiako hatao :
Te hijery anao foana, te hihaino ny feonao,
Dia te… te tsy tambo isaina, fa “te” miha be ao…

Mamy ery ny miaina…

Mba henoy aho Ramose a!

Misy zara miangatra tsy ahafahana manoatra,
Satria ianao mpampianatra, mazava loatra :
Raha misy elanelana tsy azo hofoanana,
Toy ny tsipika roa tsy hihaona mandrakizay anefa ny anjara…

Kanefa ity foko tsy mety voafehy,
Tsy manaraka lalàna, tsy voafehin’ny “théorie” :
Tsy manan-jo hikiry, tsy sahy hanambara,
Fa mijanona ho mpankafy, miafina ao anaty tara…

Ny lesona tsy tafiditra, tsy arako akory,
Fa ny ora sy fotoana laniko mijery anao foana :
Ny “équation” very, ny “x” tsy hitako intsony,
Fa ny tavanao irery no valiny tsaroako foana…

Mba henoy aho Ramose a…
Raha toa aho ka variana, tsy mahay fanadinana,
Tsy hoe fidiko akory ny tsy hahalala,
Fa ny saiko voasarika… tsy miala aminao foana…

Farany Ramose a…
Aza dia raisina ho marina loatra izao :
Fa teny nentin’ny fo somary nilalao,
Vazivazy ihany izany… aza dia tezitra ianao 😄

Vazivazy ihany izany Ramose a,
Fa tena mendrika ianao raha ny marina :
Mahay mampita lesona, mazava sy lalina,
Ka tafiditra ato am-po, eny hatrany an-tsaina…

Ary tsy nataotao foana ny anaranao hoe Aina,
Fa manome fahalalana, mampitatra ny saina :
Toy ny “formule” mazava rehefa hazavainao,
Dia mihitsy ny lalana, mazava ny valiny ao…

Vazivazy ihany izany Ramose a,
Fa ianao koa anie tena matotra e :
Tsy mba misangy firy, mijoro amin’ny toetra,
Sady hita mihitsy hoe efa manambady ka voafetra…

Ka izaho mijanona amin’ny toerako eto,
Mpianatra mianatra, manaja sy mionona :
Na dia misy kely aza ny nofy sy ny eritreritra,
Dia ajanoko eto ihany… tsy avela hitombo lava…

Fa vazivazy ihany izany….
Vazivazy hatrany ...

Hono oa Ramose

Photos from Hono oa Ramose's post 25/03/2026

Ity fa nivoaka ny fanampin ilay recrument ENS 211 iny.
Le Ministère de l'Education Nationale (MEN) organise le deuxième recrutement de 211 postes vacants sur les 1.000 prévus pour les enseignants issus des Écoles Normales Supérieures (ENS) de l'enseignement général.
Source: nalaina tao amin MEN

14/03/2026

Androany 14 Martsa (3.14) dia ankalazaina maneran-tany ny Andron’i π (Pi Day). Ny π dia isa manan-danja amin’ny matematika izay manambara ny tahan’ny manodidina ny faribolana (circonférence) sy ny diametrany, ka manodidina ny 3.14159 ny sandany ary tsy miova na lehibe na kely aza ny faribolana. Ity constant ity dia tena ilaina amin’ny kajy momba ny faribolana, cylindre, sphère, ary zavatra boribory rehetra. Efa fantatra hatramin’ny 4000 taona mahery ny hevitra momba ny π ary matematika maro toa an’i Archimedes sy Fibonacci no nandray anjara tamin’ny fikajiana azy, ary tamin’ny 1706 kosa i William Jones no nampiditra ny marika π ampiasaintsika ankehitriny. Matetika ny olona dia mankalaza ity andro ity amin’ny fihinanana pie (m**o boribory), fifaninanana, na firesahana momba ny matematika, satria mitovy feo amin’ny “pie” ny “pi”. 🎉📐

12/03/2026

Un grand merci à mes nouveaux followers ! Alain Andriamanana, Rhr Rodlice, Michela Malalanirina, Victoire Jean-Mariô, Rabesalama Dieudonné, Lanto Rakotoarimalala, Christian Les Jumeaux, Lôlô de Manan, Tiona Menja Rrdj, Mourtallah-x El Khattib, Hasina Andriamiharisoa, Tafitasoa Ernest Ndriana, Tafa Raphael, Harimalala Riantsoa, Frezouck Djiams, Jean Reval MT, Erica Annie, Charline Rasoarimanana, Arsene Tombo, Marlin Willianot, Alice Marojaona, Patricia Dit Risy Ravavitiana, Ninine Marie, Minoline Minoline, Jp Ravo, Rosa Razanapanahy, Aina Ravoniarimanana, Angelin Jean Philippe, Manjatiana Jedidia Sitrakinifo, Ange Mandresy, André Mî Twinone, Julien Rabearisoa, Maël Orson Dit Toliara, Andry Ainanombana, Tombosoa Jean Bosco, Jean Delot, Aina Arovelo, Narindra Fiarënantsö, Roger Anjarasoa Razafimahatradraibe, Mijoro Ysaya, Rabemananjara Onintsoa Sarah, Adriot Arisse, Tuletra Avosoa Jaona, Abe Llin, Owildosse FJ, Reginah Bienvenue, Raherisoa Nomena, Yves Riverse, Taance Miar'su, Eliharinivo Rajaonaritinina

04/03/2026

Ny mpampianatra dia tsy mikatsaka afa-tsy ny hahasoa ny mpianany mandrakariva .

Ramose Bogosy izy zay🤩.

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Website

Address

Antananarivo